Seminera
3 Nefia 23: Manadihady ny soratra masina amin’ny fahazotoana


“3 Nefia 23: Manadihady ny soratra masina amin’ny fahazotoana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 23,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 23

Manadihady ny soratra masina amin’ny fahazotoana

Sary
I Kristy sy ny olona tany Amerika nijery takela-bolamena

Manao ahoana ny fandalinanao manokana ny soratra masina? Inona no fiovana entin’izany eo amin’ny fiainanao? Ao amin’ny 3 Nefia 23 i Jesoa dia nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fitehirizana sy fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao handalina ny tenin’ny Tompo amim-pahazotoana kokoa.

Ny fandalinana soratra masina ataonao manokana

Rehefa afaka iray minitra, dia jereo hoe firy amin’ireto manaraka ireto no voakarokao ka hitanao ao amin’ny efitranonao na tranonao: telefaonina, boky, sary, kaopy, ondana, ary kiraro.

  • Inona no atao hoe mikaroka?

  • Inona no mahaliana na mampientanentana momba ny fikarohana?

  • Inona no mety ho sarotra na hahakivy momba izany?

Ny fanasan’ny Mpamonjy

Vakio ny 3 Nefia 23:1–5, hitadiavana ny zavatra nandidian’ny Mpamonjy antsika hokarohina ary nahoana.

Tao amin’ireo toko teo aloha, ny Mpamonjy dia nindrana teny betsaka tao amin’ny Isaia mba hanampiana sy hitahiana ny Nefita. (Jereo ny 3 Nefia 16:18–20; 20:32, 34–45; 21:8; 22:1–17.)

  • Inona avy no antony nomen’ny Tompo hanadihadiantsiaka ny tenin’i Isaia? (jereo ny 3 Nefia 23:1–3).

  • Araka ny 3 Nefia 23:5, nahoana no tokony hihaino ny tenin’ny Tompo sy ny tenin’ny mpaminany isika?

Iray amin’ireo fitsipika manan-danja ianarantsika amin’ity lesona ity ny hoe mandidy antsika hihaino ny teniny sy hanadihady amim-pahazotoana ny tenin’ny mpaminany ny Mpamonjy.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mikaroka amim-pahazotoana ny soratra masina?

Makà fotoana hisaintsainana ny fandalinanao soratra masina. Izany dia mety hahitana fandalinana ataon’ny tena manokana na iarahan’ny fianakaviana, eo ihany koa ny fandalinana any am-piangonana sy ny seminera. Moa ve ianao mahatsapa fa mikaroka ny soratra masina amim-pahazotoana? Nahoana raha eny na nahoana raha tsia?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no antony sasantsasany mety hahasarotra ny mikaroka amim-pahazotoana ny soratra masina?

    • Na dia eo aza ireo fahasarotana ireo, inona avy no zavatra sasantsasany nataonao, na azonao natao, mba hananana traikefam-pandalinana soratra masina manan-danja?

Misy ohatra maromaro ireto:

  • Mivavaha alohan’ny handalinanao.

  • Asio marika ny teny na andianteny manan-danja, indrindra fa ireo izay manampy anao hahafantatra ny Mpamonjy tsara kokoa.

  • Jereo anaty rakibolana ny teny na andianteny izay saro-takarina.

  • Miatoa kely ary fintino ny zavatra avy novakinao.

  • Mampiasà fampifandraisana soratra masina mba hahatakarana tsara kokoa ny lohahevitra na fotopampianarana iray.

Sary
I Kristy niresaka tamin’ny Nefita momba ireo rakitsoratra

Ho fanaovana fanazaran-tena mikasika ireo fahaiza-manao ireo, dia vakio ny 3 Nefia 23:6–14 ary ataovy ireto manaraka ireto:

  • Fintino amin’ny teninao manokana ny zavatra novakinao.

  • Asio marika ny teny na andianteny izay manampy anao hahafantatra tsara kokoa ny Mpamonjy.

  • Inona avy no teny mampahazava fa miahy ny zavatra voarakitra ao amin’ny soratra masina ny Mpamonjy?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahalalana izany momba ny Mpamonjy miantraika amin’ny fandalinanao ny soratra masina?

Mizatra manao fandalinana soratra masina mahomby

Makà minitra vitsy mizatra mikaroka ny soratra masina amim-pahazotoana. Mety ho azonao atao ny misafidy ny handalina toko iray na hanadihady andininy momba ny lohahevitra iray tianao ho fantatra misimisy kokoa. Mampiasà fahaizamanao hoenti-mandalina soratra masina iray farafahakeliny izay noeritreretinao na hitanao tao amin’ilay lisitra eo ambony.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Tamin’ny fomba ahoana no nanomoranao ilay fandalinana? Nahoana no mety hanampy anao handalina amim-pahazotoana kokoa izany?

    • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy ka tsy takatrao taloha?

    • Inona amin’ireo fahaiza-manao ireo no azonao ampiharina amin’ny fandalinanao soratra masina manaraka? Ahoana no hanaovanao izany?

Mandritra ny herinandro manaraka, saintsaino ny zavatra nianaranao androany. Misafidiana fomba iray azonao iezahana mikaroka amim-pahazotoana kokoa ny soratra masina. Hevero ny fomba mety hanampian’izany anao eo amin’ny fiainanao.

Hamoaka printy