Seminera
3 Nefia 27, Tapany 2: Hamasinina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy


“3 Nefia 27, Tapany 2: Hamasinina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 27, Tapany 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 27, Tapany 2

Hamasinina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Sary
ankizy faly atao batisa

Misy fotoana ve ianao maniry ny hadio ara-panahy kokoa? Rehefa nampianatra ny mpianany tany Amerika fahiny i Jesoa Kristy dia nanazava fitahiana manan-danja izay misy ho an’ireo izay manaraka ny filazantsarany Izy, ao anatin’izany ny fanamasinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba fandraisana ny hery manamasin’ny Mpamonjy rehefa miezaka miaina ny filazantsarany ianao.

Tsy madio

Ny Loholona Allen D. Haynie, ao amin’ny Fitopololahy, dia nizara ity tantara manaraka tany amin’ny fahazazany ity.

Tamin’izaho sivy taona dia tonga mba hiaraka taminay nandritra ny herinandro vitsivitsy tao an-trano ny renibeko avy amin’ny reniko, izay iray metatra sy dimampolo sy efa fotsy volo. Indray tolakandro, raha iny izy tao iny, dia nanapa-kevitra izaho sy ny zokiko roalahy ny hangady lavaka teo amin’ny tanimboly iray teo ampitan’ny tranonay. Tsy haiko izay antony nanaovanay izany. Indraindray dia mangadingady lavaka ny zazalahy kely. Somary naloto izahay saingy tsy dia nisy zavatra tokony hampahatahotra anay loatra izany. Hitan’ireo zazalahy hafa manodidina hoe tena tsara izany mangady lavaka izany ka dia nanomboka nanampy anay izy ireo. Ary dia niara-nihoson-doto kokoa izahay rehetra. Mafy be ilay tany ka dia nitondra fantsona fanondrahana zaridaina izahay, ary dia nasianay rano kely ny fanambanin’ilay lavaka mba hampahalemilemy ny tany. Feno fotaka izahay teo am-pangadiana, saingy nihalalina hatrany ilay lavaka.

Nisy anankiray taminay nanapa-kevitra fa tokony ho avadikay ho dobo filomanosana ilay lavaka ka dia nofenoinay rano ilay izy. Amin’ny maha-zandriny indrindra ahy sady te ho tian’ireo ankizy rehetra, dia nanaiky nitsambikina tao aho mba hanandrana izany. Teo aho dia tena naloto be mihitsy. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe hiosom-potaka aho tamin’io, saingy izay no niafarako.

Rehefa nanomboka nangatsiaka aho dia niampita ny arabe, nieritreritra ny hiditra tao an-tranonay. Nifanena tamiko teo am-baravarana teo anoloana ny renibeko ary tsy navelany niditra aho. Hoy izy tamiko hoe raha avelany miditra aho dia hamela fotaka eraky ny trano izay vao avy nodioviny. Noho izany dia nataoko izay ho nataon’ny zaza sivy taona rehetra anatin’ny toe-javatra toy izany ka dia lasa aho nihazakazaka tany amin’ny varavarana ambadika, saingy kinga kokoa noho ny noeritreretiko izy. Tezitra aho, ka natontontontoko ny tongotro, ary nangataka ny hiditra tao an-trano aho saingy mbola nihidy ihany ny varavarana.

Hotsaka aho, nihosom-potaka, nangatsiaka, ary ny eritreritro tamin’ny maha-zaza ahy, dia nihevitra aho fa ho faty teo an-tokontany teo. Noho ny farany dia nanontaniako azy izay tokony hataoko mba hahafahako miditra ao an-trano. Tsy tonga saina akory aho fa raha izaho mbola nijoro teo an-tokotany iny dia notifirin’ny renibeko rano tamin’ny fantson-drano. Taorian’ny fotoana izay toa ela dia ela tokoa, dia nilaza ny renibeko fa efa madio amin’izay aho ka navelany hiditra ao an-trano. Nafana ery tao an-trano, ary afaka nampiditra akanjo maina sy madio aho. (Allen D. Haynie, “Mahatsiaro ilay nametrahantsika fitokiana,” Liahona, nôv. 2015, 121)

  • Inona no fampitahana ara-panahy azonao atao eo amin’ny tantaran’ny Loholona Haynie sy ny fiainantsika?

Ao amin’ny 3 Nefia 27, ao anatin’ny lahateny nataon’ny Mpamonjy tamin’ny mpianany Nefita momba ny filazantsarany, Izy dia nampianatra momba ny vokatry ny fahotana sy ny fomba ahafahantsika mandresy azy ireny sy tonga madio ara-panahy.

Vakio ny 3 Nefia 27:19, hitadiavana ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

  • Inona no ampianarin’io andininy io anao momba ny filanao an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

Afaka manadio anao amin’ny loton’ny ota sy manampy anao ho tonga masina i Jesoa Kristy. Eritrereto ny filanao diovina amin’ny fahotana sy ny hoe mety hanao ahoana na hoe manao ahoana izany hoe madio ara-panahy izany. Rehefa manohy mandalina ianao anio, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahanao mahazo ny hery manasitran’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao.

I Jesoa Kristy dia namaritra ny fomba ahafahantsika hamasinina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Ao amin’ny 3 Nefia 27:20–22, ny Mpamonjy dia nampianatra ny zavatra azontsika atao mba handraisana ny hery manasitrany sy hahafenoana ireo fepetra amin’ny fiainana mandrakizay. Mba hanampiana anao handalina ireo andininy ireo, dia adikao ao amin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity.

Didy

Fitahiana

Vakio ny 3 Nefia 27:20–22 ary fenoy miainga avy amin’ny zavatra hitanao ilay tabilao.

Ny 3 Nefia 27:20 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 20 amin’ny maha-fanambarana fahamarinana izany?

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe raha mibebaka isika ary manatona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa, dia afaka ny hohamasinina amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanahy Masina sy mijoro ho tsy misy pentina eo anoloany amin’ny andro farany isika.

Ny hoe hamasinina dia midika ho “fahafahana amin’ny fahotana, ho madio, ho tsisy pentina ary ho masina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamasinana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no anampian’ny fibebahana sy ny batisa antsika hiaina fanamasinana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?

    • Ahoana no mety hamalianao ny olona iray izay manontany tena momba ny fomba iharan’ireo didy ireo amin’izy ireo rehefa avy mandray ny ôrdônasin’ny batisa izy ireo?

Hamasinina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Ny tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy 20 dia mampianatra antsika fa ny fomba anampiany antsika ho tonga hamasinina dia amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanahy Masina.

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra momba ny fifandraisan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fitarihana manamasin’ny Fanahy Masina.

Raha nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao androany dia azonao raisina ho toy ny porofo izany fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotana. Noho izany antony izany sy ny maro hafa, dia tena ilaina ny hoe mijanona amin’ny toerana sy asa izay manasa ny bitsiky ny Fanahy Masina. Ny fahatsapana ny Fanahy Masina dia miasa amin’ireto fomba roa ireto: tsy mitoetra afa-tsy ao anatin’ny tempoly madio ny Fanahy Masina ary ny fandraisana ny Fanahy Masina dia manadio antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. (Henry B. Eyring, “Gifts of the Spirit for Hard Times,” Ensign, June 2007, 23)

  1. Valio farafahakeliny ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

    • Ahoana no nahitanao ny fitaomana manadion’ny Fanahy teo amin’ny fiainanao?

    • Inona avy no fomba sasantsasany azontsika anasana ny fiarahana tsy tapaka amin’ny Fanahy Masina mba hahafahantsika hotahiana tsy tapaka amin’ilay fitaomany manamasina?

Mampihatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao

Ireo fahamarinana nohalalininao androany dia tsotra saingy tena ilaina ny hanarahana azy tsy tapaka mba hahafahanao miverina amim-pahamendrehana eo anatrehan’ Andriamanitra. Eritrereto ny fomba hampiharanao amin’ny fiainanao ny zavatra nianaranao sy tsapanao. Azonao atao ny misafidy iray na mihoatra amin’ireto safidy manaraka ireto na misafidy fomba hafa hampiharana ireo fampianarana ireo.

  1. Manàna finiavana kokoa momba ny fibebahana isan’andro ary manapaha hevitra hanaraka feno kokoa ny Mpamonjy.

  2. Ataovy ampahany manan-danja kokoa amin’ny fitsaohanao isaky ny alahady ny fandraisanao anjara amin’ny ôrdônasin’ny fanasan’ny Tompo.

  3. Fantaro ny fahotana na fanelingelenana izay mametra ny fiarahanao amin’ny Fanahy Masina. Ataovy ny zavatra tsy maintsy atao mba hanesorana izany fahotana na fanelingelenana izany eo amin’ny fiainanao.

  4. Manomboha manao zavatra izay hanome anao fahafahana miaraka misimisy kokoa amin’ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy