Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:27—Mandresy ny fahalementsika


“Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:27—Mandresy ny fahalementsika,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:27,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:27

Mandresy ny fahalementsika

Sary
Zatovovavy manao bokona hozatra

Tamin’ny fandalinanareo ny Etera 12:23–27, ianareo dia nianatra fa raha manetry tena isika ary mampihatra finoana ny Tompo, dia afaka mamadika ny fahalementsika ho tanjaka Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anareo hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Etera 12:27, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Tadidio sy hazavao

Tsy ankijery ny Etera 12:27, zahao raha afaka mameno ny banga amin’ity fehezanteny ity miainga amin’ny fampianaran’ny Tompo tamin’i Môrônia ianareo:

  • Raha toa aho ka , , sy , dia hataon’i Jesoa Kristy tonga matanjaka ho ahy ny zavatra malemy.

  • Inona momba io fehezan-teny io no heverinareo fa zava-dehibe ho an’ny olona iray ny hahatsiarovany azy?

Mba hanampiana anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ao amin’ny soratra masina dia avereno imbetsaka izany ary avy eo dia miezaha manoratra izany tsy ankijery ao amin’ny diary fandalinanao.

Etera 12:27: “Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Ampitahao amin’ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina etsy ambony ny zavatra nosoratanao tsy ankijery, ary ataovy izay fanitsiana ilaina rehetra. Ezaho soratana intelo na inefatra fanampiny na mandra-pahavitanao manoratra izany tsy ankijery manoratra ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja.

Fizàrana mampihatra

Ezaho tadidiana an-kandrina ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy, ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao izany. Raha azo atao dia ampio fanazavana fohy ny fitsipika tsirairay. Raha ilaina dia avereno jerena ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

  • Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ny sasany amin’ireo fahalemena izay mety hahatonga ny zatovo hahatsapa ho tsy mahavita azy na tsy sahaza.

  • Misafidiana iray amin’ireo fahalemena ireo izay tsapanao fa mifandray amin’ny zatovo maro, ary raketo an-tsoratra ny fomba ahafahan’ny zatovo iray mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba handresena io fahalemena io.

  • Mety ho fomba iray hanaovana izany ny fanoratana ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny diary fandalinanao eo ambanin’ny fahalemena izay nosafidìnao hifantohana. Avy eo dia azonao soratana eo ambanin’ny fitsipika tsirairay ny fomba azo ampiharana izany amin’ilay fahalemena, na azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny fanontaniana mety hapetraky ny olona iray momba ilay fitsipika.

Ohatra, raha misafidy fahalemena na ahiahy iray toy ny hoe “Mandany fotoana be loatra eo amin’ny findain’izy ireo ny zatovo” ianao, dia mety ho toy ity manaraka ity ny endriky ny teny iditra ao amin’ny diarinao:

Mandany fotoana be loatra eo amin’ny findainy ny zatovo

Manao asa amim-pinoana

  • Angamba ireo izay sahirana amin’izany dia mivavaka manokana kokoa mba hahazo fanampiana amin’io olana io. Alohan’ny hivavahana, dia azon’izy ireo atao ny misaintsaina ny fanampiana mety hilain’izy ireo amin’izany andro izany. Angamba mety ho azon’izy ireo atao mihitsy aza ny mivavaka alohan’ny hampiasana ny findain’izy ireo.

  • Nomen’ Andriamanitra tekinôlôjia isika mba hitahiana ny fiainantsika sy hanampy antsika sy ny hafa ho akaiky Azy kokoa; ahoana no ahafahantsika mampiasa izany ho amin’izany fomba izany?

  • Etera 12:27: Ahoana no ahafahantsika mampiseho amin’ny Tompo fa isika dia manetry tena, matoky Azy ary mila ny fanampiany mba hihatsarana kokoa amin’izany?

Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Raha tsy maharesy izany ny olona iray dia ahoana no hiantraikan’izany amin’ny fifandraisany, ny asany, ny mandrakizainy sy ny sisa any amin’ny hoavy?

  • Inona no fantatro momba an’ Andriamanitra sy ny feniny? Nahoana no mikaonty Aminy ny fampiasantsika tekinôlôjia?

Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Fantatro fa niresaka momba izany ny evekako, ary tsaroako izy niresaka mombana zavatra nataony. Hanontaniako azy ireo loharano nampiasainy sy ny zavatra nanampy azy.

Rehefa vitanao izany, dia vitao indray ilay sahanasa teo aloha. Amin’ity indray mandeha ity dia mifantoha amina fahalemena tianao hanampiana. Tsy hasaina mizara izany amin’ny hafa akory ianao.

Hamoaka printy