Seminera
Tombano ny fianaranao 9: Môrmôna 7–Etera 15


“Tombano ny fianaranao 9: Môrmôna 7–Etera 15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 9,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 9

Môrmôna 7Etera 15

Sary
Zatovolahy iray miankina amina hazo

Ny fisaintsainana sy fanombanana ny fianaranao ara-panahy dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsiaro sy hanombana ny fomba nanampian’ny zavatra tsapanao tamin’ny Môrmôna 7Etera 15 anao hitombo ara-panahy.

Masontonony

Sary
Vodihazo misy masontonony

Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:

Tena mahatalanjona ny zavatra azontsika hianarana mikasika ny fiainana amin’ny alalan’ny fandinihana ny zava-boahary. Ohatra, ny mpahay siansa dia afaka mijery ny faribolana eo amin’ny hazo ary avy eo dia manao tombana voadinika mikasika ny toetr’andro sy ny tontolon’ ny zava-maniry tamin’ny taon-jato na arivo taona maro lasa. Isan’ny zavatra hianarantsika amin’ny alalan’ny fandinihina ny fanirin’ny hazo dia ny hoe mitombo araka ny tokony ho izy ny hazo mandritra ny vaninandro hisian’ny fepetra tsara indrindra. Mandritra ny vaninandro tsy mahavory ny fepetra tsara indrindra kosa anefa dia mihamiadana ny fanirin’ny hazo ary dia atokan’izy ireo amin’ireo ampahany fototra ilaina hahavelomana sisa ny angovo ananan’izy ireo. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra,” Liahona, nôv. 2010, 19)

Tahaka ny hazo, isika dia manana vanim-potoana itomboana sy fotoana ahatsapantsika hoe miezaka ny ho velona fotsiny isika. Samy hafa ny fitomboantsika sy ny taha pitomboantsika tsirairay avy. Mieritrereta fotoana teo amin’ny fiainanao izay mety ho niainanao fitomboana ara-panahy.

  • Inona no sasantsasany tamin’ireo fepetra izay nanampy anao hitombo ara-panahy? Inona no karazana fitomboana niainanao?

  • Inona no fomba sasantsasany azontsika anombanana matetika ny fitomboantsika ara-panahy?

Ato amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hanazava ny sasany amin’ny zavatra nianaranao sy hanombana tanjona izay mety ho napetrakao nandritra ny fandalinana ny Môrmôna 7Etera 15.

Hazavao ny maha zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna

Alaovy sary an-tsaina hoe ianao dia misiônera izay manazava ny maha zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Eo am-piomanana ny hanome olona iray ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna mba hovakiny ianao.

Omano ny zavatra holazainao amin’ny alalan’ny fampiasana andinin-tsoratra masina iray na mihoatra ao amin’ny Môrmôna 8. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna. Mitadiava hirika hanazavana ny fomba anampian’ny Bokin’i Môrmôna antsika hino an’i Jesoa Kristy.

Azonao atao ny mijery ny andinin-tsoratra masina nasianao marika tao amin’ny Môrmôna 8 sy ny fanamarihana nataonao tao amin’ny diary fandalinanao. Raha mila fanampiana ianao, dia azonao atao ny mijery ny Môrmôna 8:14–16, 25–26, 34–35. Mety ho azonao atao ihany koa ny mampiasa andinin-tsoratra masina hafa hitanao tao amin’ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny fandalinanao tamin’ity taona ity.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Soraty ny zavatra holazainao raha hoe ianao no manazava ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny alalan’ny fampiasana ny Môrmôna 8 sy ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna.

Misaintsaina drafitra hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy

Sary
mofo
  • Inona avy no fangaro ao amina mofo iray?

  • Ankoatra ny fampitambarana ny fangaro dia inona ihany koa no ilainao atao mba hanaovana mofo?

Ny fangaro ao amin’ny mofo iray dia mety hahitana lafarinina, lalivay, sira ary rano. Mety hila fotoana ahafahan’ilay mofo miakatra ihany koa ianao ary mila mahandro izany.

Ny fanaovana mofo dia azo ampitahaina amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy. Ny vokany, ny fijoroana ho vavolombelona, na ny fahagagana katsahinao dia mitovy amin’ilay mofo dipaina vita. Ny ezaka ataonao hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy dia azo ampitahaina amin’ny fangaro, fotoana iakarana, ary ny fandrahoana ilay mofo dipaina. Tao amin’ny lesona teo aloha ianao dia nandalina tantaran’olona izay nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Etera 3:1–16; 12:6–22). Nohalalininao ihany koa ny tenin’ny mpaminany manasa anao hampihatra finoana ny Tompo sy hikatsaka fahagagana (jereo ny Môrmôna 9:15–27; Etera 12:6–9).

Vakio ny Môrmôna 9:19–21; Etera 3:9; 12:6–9 mba hanampy anao hahatsiaro ny zavatra nohalalininao momba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ireo drafitra mety nataonao.

  1. Eritrereto ny vokany, ny fijoroana ho vavolombelona, na ny fahagagana katsahinao, ary valio ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no nataonao mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?

    • Raha mitovy amin’ny fanaovana mofo ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, dia aiza ho aiza amin’ilay dingana arahina ianao amin’izao fotoana izao? Mbola vao manangona na manafangaro ny fangaro ve ianao? Eo am-piandrasana izany hiakatra ve anao? Eo am-pandrahoana azy ve ilay mofo? Sa efa nohaninao ve ilay mofo? Hazavao hoe nahoana.

    • Inona avy no zava-tsarotra natrehinao na mbola mila resena? Inona no nanampy na afaka manampy anao handresy izany?

    • Ahoana ny fahatsapanao ho voatahy noho ny ezaka nataonao mba hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy