“Etera 12:28–41: I Jesoa Kristy: -Ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra,-” Bokin’i Môrmôna; Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Etera 12:28–41,” Bokin’i Môrmôna; Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Etera 12:28–41
I Jesoa Kristy: “Ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra”
Miankina amin’izay katsahintsika, no ahafahantsika mahita tsara be dia be na ratsy be dia be eo amin’izao tontolo izao. Rehefa nahafantatra ny faharavan’ny Jaredita sy nanatri-maso ny faharavan’ny Nefita i Môrônia, dia niangavy ny mpamaky ny asa sorany rehetra izy mba hikatsaka an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana azony omena. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao.
Loharano
Ny loharano dia faritana ho “fivoahana na famatsiana ny zavatra iray”—ohatra, “loharano mivoaka avy ao amin’ny tany” (Merriam-Webster.com Dictionary, “fountain”).
-
Raha toa ianao ka afaka mahita loharano mahagaga iray izay mampikoriana tsy tapaka izay zavatra rehetra nosafidìnao, dia ho inona no tianao havoakan’izany?
Manaova sary maimaika mampiseho loharano mamoaka ny zavatra nosafidinao, ary hazavao fohifohy ny antony ilanao izany.
Vakio ny Etera 12:28, hitadiavana ny loharano notondroin’ny Tompo taorian’ny nampianarany an’i Môrônia momba ny fahafahany mamadika ny fahalemena ho tanjaka.
-
Inona ilay loharano notondroin’ny Tompo?
-
Inona no ampianarin’io andininy io momba ny fanatonantsika an’i Jesoa Kristy?
Fahamarinana iray ampianarin’io andininy io ny hoe ny finoana, fanantenana ary ny fiantrana dia mitondra antsika ho ao amin’i Jesoa Kristy, ilay Loharanon’ny fahamarinana rehetra.
Mitanisà ohatra sasantsasany izay maneho ny maha Loharanon’ny fahamarinana rehetra ny Mpamonjy. Mety ho avy amin’ny soratra masina, na avy amin’ny fiainanao, na avy amin’ny fiainan’ny olona fantatrao izany ohatra izany. Raha mila fanampiana amin’ny fieritreretana ohatra iray ianao, dia azonao atao ny mamaky ny tantaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 2:1–12 na mijery ny “Jésus pardonne les péchés d’un paralytique et le guérit” (2:57).
Saintsaino ny fiantraikan’ireo ohatra ireo amin’ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy. Eritrereto ny fanirianao amin’izao fotoana izao hanatona an’i Jesoa Kristy sy handray anjara amin’ny fahamarinana izay avy Aminy. Matanjaka tahaka ny anirianao azy ve ny fanirianao? Nahoana, na nahoana no tsia?
Rehefa manohy mandalina ianao, dia mikatsaha fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay afaka ny hisy fiantraikany tsara eo amin’ny fanirianao sy ny fahafahanao manatona Azy ary mandray anjara amin’ny fahamarinana atolony.
Fanomezana izay mikoriana avy eo amin’i Kristy
Vakio ny Etera 12:29–37, hitadiavana ireo fitahiana izay atolotr’i Jesoa Kristy ireo izay manatona Azy amim-pinoana, fanantenana ary fiantrana.
Katsaho i Jesoa
Any amin’ny fiafaran’ny Etera 12, i Môrônia dia nizara zava-masina niainany. Vakio ny andininy 39, ary miezaha maka sary an-tsaina ny hoe mety ho toy ny ahoana tokoa izany zavatra niainana izany tamin’i Môrônia.
Vakio ary hevero ny hanisy marika ny fanasan’i Môrônia ao amin’ny andininy 41.
-
Rehefa avy niaina ny zavatra nolazalazainy ao amin’ny andininy 39 izy, dia inona araka ny eritreritrao no antony anolorany antsika io fanasana io?
Tahaka an’i Môrônia, ny Loholona Melvin J. Ballard (1873–1939) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niaina zava-masina niaraka tamin’ny Mpamonjy. Vakio ny fanoritsoritany io zavatra niainana io, ary miezaha indray maka sary an-tsaina ny hoe mety ho nanao ahoana izany.
Hitako tanaty nofin’ny alina ny tenako indray hariva, tao amin’izany trano masina izany, dia ny tempoly. Taorian’ny fotoana elaela nanaovana vavaka sy nisian’ny fifaliana, dia nampahafantarina aho fa tokony hanana tombontsoa manokana amin’ny fidirana amin’ny iray tamin’ireo efitrano aho mba hihaona amin’ny olona iray be voninahitra, ary rehefa niditra ny varavaravana aho, dia hitako teo amina toerana avoavo ny zava-mananaina be voninahitra indrindra hitan’ny masoko hatramin’izay, izay tsy noeritreretiko mihitsy hoe misy any amin’ny tontolon’ny mandrakizay rehetra.
Rehefa nanatona mba hampahafantarina aho, dia nitsangana Izy ary nanatona ahy niaraka tamin’ny sandriny nitolotra, ary nitsiky Izy rehefa niteny tamin’ny feo malefaka ny anarako. Raha hiaina an-tapitrisan-taona aho, dia tsy ho hadinoko na oviana na oviana izany tsiky izany. Nandray ahy teny an-tsandriny Izy ary nanoroka ahy, namihina mafy ahy teo an-tratrany ary nitahy ahy, mandra-pahatonga ny tsokan-taolako ho toy ireny mitsonika ireny! Rehefa vitany izany, dia niankohoka teo an-tongony aho ary rehefa nosasako tamin’ny ranomasoko sy ny oroka nataoko izany, dia hitako ny dian’ny fantsika teo amin’ny tongotr’ilay Mpanavotra izao tontolo izao. Ny fahatsapana izay niainako teo anatrehan’Ilay , mahefa ny zava-drehetra mba hianoka tamin’ny fitiavany, sy ny fitahiany dia lehibe tokoa ka raha afaka mandray ny zavatra izay nandramako fotsiny aho, dia homeko ny momba ahy rehetra, ny zavatra rehetra antenaiko, mba hahatsapako ny zavatra tsapako tamin’izany!
… Hitako i Jesoa tsy eo ambonin’ny hazofijaliana amin’izao fotoana izao. Tsy mahita ny handriny voatsindrona tsilo na ny tanany rovitry ny fantsika aho, fa mahita Azy mitsiky, miaraka amin’ny sandry mitolotra, miteny amintsika rehetra hoe: “Manatòna ahy!” (Melvin J. Ballard, “I Know That He Lives,” Ensign, Dec. 2014, 80)
Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany. Inona no tena nanaitra ny fanirianao hikatsaka an’i Jesoa eo amin’ny fiainanao? Manolora tena hanao asa mifanaraka amin’izay bitsika na fahatsapana rehetra azonao.