Seminera
Môrônia 7:20–43: Mahita fanantenana ao amin’i Kristy


“Môrônia 7:20–43: Mahita fanantenana ao amin’i Kristy,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrônia 7:20–43,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrônia 7:20–43

Mahita fanantenana ao amin’i Kristy

Sary
I Kristy mitsiky amin’ny ankizy iray

Efa nisy fotoana nilanao nahatsapa fanantenana misimisy kokoa teo amin’ny fiainanao ve? I Môrônia izay nirenireny irery nandritra ny taona maro taorian’ny namongorana ny vahoakany, dia nirakitra an-tsoratra ny tenin’ny rainy momba ny fanantenana azontsika ananana ao amin’i Kristy amin’ny zavatra ho avy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa fanantenana mitombo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Mihazona ny zavatra tsara rehetra

Ao amin’ny Môrônia 7, i Môrmôna dia nilaza fa te hanampy ny vahoakany hahalala ny fomba ahafahan’izy ireo “mihazona ny zavatra tsara rehetra” (andininy 21).

  • Rehefa nampiasa ilay andianteny hoe “zavatra tsara” i Môrmôna, inona no heverinao fa notondroiny tamin’izany?

  • Inona avy no “zavatra tsara” ara-panahy sy mandrakizay tianao hohazonina na horaisina eto amin’ity fiainana ity na ilay fiainana manaraka?

Mety tsaroanao fa ao amin’ny Môrônia 7:12–19, i Môrmôna dia nampianatra fa ny zavatra tsara rehetra dia avy amin’i Jesoa Kristy. Vakio ny Môrônia 7:20–26, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba ny fomba andraisana ireo zavatra tsara avy amin’i Kristy ireo.

  • Inona no hitanao?

  • Inona avy no tantara tonga ao an-tsainao izay nandefasan’ny Ray any An-danitra anjely hanambara fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao?

Ny dikan’ny fanantenana

Mba hanampiana anao hiomana hianatra misimisy kokoa momba ireo fampianaran’i Môrmôna mikasika ny fanantenana, dia vakio ity tantara avy amin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Talohan’ny nahatratrarako ny faha-12 taonako dia indroa ny fianakaviako no voatery nitsoaka niala ny fonenanay ka namerina nanorim-ponenana teo anivon’ny korontana, ny tahotra ary ny ahiahy nateraky ny ady sy ny fizarazarana ara-pôlitika. Fotoana nampatahotra ahy izany. …

Nisy fiantraikany lehibe teo amin’izao tontolo izao io fotoan’ny fahaverezam-panantenana taorian’ny Ady Lehibe Faharoa io. Namela takaitra teo amiko izany.

Tamin’izany, dia tao anatin’ireo fotoana nahatsapako ho irery indrindra aho no matetika nanontany tena hoe: “Mba misy sombim-panantenana tavela ve eto amin’izao tontolo izao?” (Dieter F. Uchtdorf, “Eo anivontsika Andriamanitra,” Liahona, mey 2021, 8)

  • Inona avy no antony sasantsasany ahatsapan’ny olona ho tsy manana fanantenana ankehtriny?

Ny Loholona Uchtdorf dia nampahatsiahy fa “raha notambesaran’ny fiahiahiana, fahatezerana, sy fankahalana ary tahotra izao tontolo izao,” dia nahita zavatra izay “nameno fanantenana [azy]” izy (“Eo anivontsika Andriamanitra,” Liahona, mey 2021, 8).

Miaina tsy fisiam-panantenana eo amin’ny fiainanao ve ianao? Eritrereto ny zavatra mitondra fanantenana na dia amina toe-javatra sarotra indrindra aza. Rehefa manohy mandalina ity lesona ity ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao ho feno fanantenana.

Nampianatra momba ny fanantenana i Môrmôna

Vakio ny Môrônia 7:40–44, hitadiavana ny fomba ifandraisan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny fanantenana.

  • Ahoana no hamintinanao ny andininy 41 amin’ny teninao manokana?

Fahamarinana iray avy amin’ny fampianaran’i Môrmôna

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’i Môrmôna ny hoe raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka manana fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany fa hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manana fanantenana an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no mety mila manetry tena, na “malemy fanahy sy mietry am-po” isika (Môrônia 7:43), mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy hananana fanantenana?

Mba hahitana ohatra amin’ny olona iray izay nahita fanantenana tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia avereno jerena ny iray amin’ireto tantara manaraka ireto. Rehefa manao izany ianao, dia tadiavo ny fomba niainan’ilay olona fanantenana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Zava-dehibe ny manamarika fa na dia maneho finoana an’i Jesoa Kristy sy manana fanantenana ireo fitahiana atolony aza isika, dia mety mbola hisy fotoana sarotra sy feno fitsapana ihany eo amin’ny fiainantsika. Saingy rehefa manohy mampihatra finoana ny Mpamonjy isika ary mifantoka Aminy sy ny fiainana mandrakizay izay omeny antsika, dia hahazo ny fanantenana katsahintsika isika.

  1. Ataovy ity sahanasa manaraka ity ary valio ny fanontaniana telo farany:

Mahita fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)—“Môrônia 7:20–43: Mahita fanantenana ao amin’i Kristy”

Mba hanampy anao hieritreritra ny fomba ahafahan’ny fananana fanantenana noho i Kristy miantraika amin’ny fiainantsika amina toe-javatra samy hafa, dia mifantena iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto (na mamoròna anao manokana):

  • Tafalatsaka indray tamina fahazarana feno fahotana izay noeritreretiny fa efa navelany i James.

  • Nijanona tamin’ny fandehanana any am-piangonana ny rain’i Becca ary nanambara fa tsy mino an’ Andriamanitra intsony izy.

  • Sahirana i Analise amin’ny fiezahany mba haharaka hatrany manoloana ny adidiny rehetra any am-pianarana sy any am-piasana ary any an-trano.

Farano ireto andianteny roa ireto, ka lazao ny mety haha samy hafa ny fomba hijeren’ilay olona ny toe-javatra misy azy:

  • Raha tsy misy fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy,

  • Raha misy fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy,

  • Ahoana no ahafahan’i olona io mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy? Jereo raha afaka mahita soratra masina iray hampidirina ao amin’ny valinteninao.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fampiharana finoana amin’izany fomba izany manampy io olona io hanana fanantenana misimisy kokoa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?

  • Inona no mety holazainao amin’io olona io raha manontany anao ny antony anananao fanantenana an’i Jesoa Kristy izy? (Jereo ny 1 Petera 3:15.)

Hamoaka printy