Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 7:45–48—“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy”


“Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 7:45–48—‘Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 7:45–48,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 7:45–48

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy”

Sary
vehivavy anankiroa mifamihina

Tamin’ny fandalinanao ny Môrônia 7:44–48, dia nianatra ny fomba ikatsahana ny hampivelatra fiantrana, ilay fitiavana madion’i Jesoa Kristy, ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja ao amin’ny Môrônia 7:45–48, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Hevero ny hampiasa ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana anao hizatra manazava ny toetra masin’ny fiantrana.

Alaovy sary an-tsaina hoe mandritra ny fifanakalozan-kevitra Avia, hanaraka Ahy miaraka amin’ny fianakavianao, eo am-piresahana momba ny hevitry ny fiantrana, ny zandrilahinao dia milaza zavatra toy ny hoe “Tsy manao zavatra mahafinaritra ho an’ny olona fotsiny ve no atao hoe fiantrana?” Milaza amin’ny rahalahinao ianao fa ao anatin’ny fiantrana ny fanaovana zavatra mahafinaritra saingy nianatra misimisy kokoa momba izany ianao tany amin’ny seminera.

  • Inona no antsipiriany hafa momba ny fiantrana holazainao amin’ny rahalahinao?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Ao anatina fehezanteny roa na telo, hazavao amin’ny alalan’ny fampiasana ny teninao manokana sy ireo fampianarana hita ao amin’ny Môrônia 7:45–48 ny hevitry ny hoe fiantrana.

Ampiasao ity hevitra manaraka ity hanampy anao hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andianteny manan-danja. Na misafidiana fomba fiasa hafa izay manampy anao indrindra hanao tsianjery.

Manaova sarina fo lehibe ao amin’ny diary fandalinanao. Jereo ity sary manaraka ity, ary soraty araka ny tokony ho izy ao anatin’ny sary fo nataonao ny toko sy andinin-tsoratra masina sy andianteny manan-danja.

Sary
Ilay sarina fo tsotsotra misy toko sy andinin-tsoratra masina sy andianteny manan-danja ao amin’ny Môrônia 7:45–48 manodidina ilay fo amina filaharana anjoanjo

Avereno tsy ankijery imbetsabetsaka ilay toko sy andinin-tsoratra masina ary andianteny manan-danja mandra-pahavitanao tsianjery izany. Hevero ny hanety ilay sary ary hametraka izany amin’izay toerana hahitanao azy matetika.

Fampiharana hanazaran-tena

Mba hanampiana anao hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy, dia ahitsio ireto andianteny telo manaraka ireto ary hazavao ny dikan’izy ireo. Raha mila fanampiana ianao dia halalino ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

  1. Mamakafakà amim-pinoana.

  2. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ny fomba fijery nofidin’ Andriamanitra.

  3. Omeo miaraka amina loharano mandrakizay ny hevi-dehibe sy fanontaniana.

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto:

  • Mora tezitra amin’ireo zandriny iray tam-po aminy i Oskar. Matetika izy ireo no miangavy an’i Oskar mba hiara-milalao amin’izy ireo na hanampy azy ireo amin’ny enti-modin’izy ireo. Tian’i Oskar tsy hanelingelina azy ny iray tam-po aminy mba hahafahany manao zavatra.

  • Fantatr’i Hae-Won fa nisy ankizivavy iray nanely tsaho momba azy tao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy nisy azy. Mahatsapa ho sahiran-tsaina sy maratra noho izany i Hae-Won ary tsy azony antoka ny fomba hamaliana.

  • Te halaza ao an-tsekoly sy hiseho ho tsy matahotra eo imason’ny namany i Kapo. Matetika izy no manambany ny mpiara-mianatra hafa sy maka ny zavatr’izy ireo tsy mangataka akory.

  1.  Misafidiana iray farafahakeliny amin’ireo rafi-tantara teo aloha. Alaovy sary an-tsaina hoe miezaka manampy ilay olona ao amin’izany rafi-tantara izany ianao. Mamalia farafahakeliny fanontaniana iray avy amin’ny tsirairay amin’ireto lohateny manaraka ireto:

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no mety ho azonao zaraina avy amin’ny Môrônia 7:45–48 ka afaka mandrisika io olona io hamaly amina fiantrana misimisy kokoa amin’ny toe-javatra misy azy?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina hafa na teny hafa nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka mety ho afaka manampy?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy no zava-tsarotra mety hatrehin’io olona io rehefa miezaka mampihatra ny zavatra zarainao aminy izy?

  • Ahoana no mety hahafahan’izy ireo manao asa amim-pinoana na dia eo aza ireo zava-tsarotra ireo?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fijerena ilay zava-misy atrehiny amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy azy hahatsapa fiantrana misimisy kokoa ny hafa?

  • Afaka manampy io olona io hiantra kokoa amin’ny fomba ahoana ny famakafakana ny fomba itondran’i Jesoa Kristy ny hafa?

Hamoaka printy