Seminera
Môrônia 8: “Velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika”


“Môrônia 8: ‘Velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 8,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 8

“Velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika”

Sary
zazalahy kely milalao famantaranandro

Tao amin’ny zavatra nosoratany, i Môrônia mpaminany dia nizara taratasy nosoratan’i Môrmôna rainy ho azy, momba ny batisan’ny ankizy madinika. Ny asa soratr’i Môrmôna momba ilay lohahevitra dia avy amina fanambarana noraisiny tamin’i Jesoa Kristy. Ilay fanambarana dia maneho ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fiantraikan’izany amin’ny ankizy madinika. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ny antony tsy ilan’ny ankizy kely batisa sy ny zavatra ampianarin’izany antsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ahoana no ho fihetsikao?

Vakio ity tantara manaraka nozarain’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, na jereo ny “Ary hisy ankizy madinika hitarika azy ireo” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:42 hatramin’ny 5:59, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Alaovy sary an-tsaina hoe iray amin’ireo misiônera ao amin’ilay toe-java-misy ianao.

Nisy misiônera roa niasa tany amin’ny tendrombohitra tany amin’ny faritra atsimon’i Etazonia. Indray andro, avy eny an-tampon-kavoana izy ireo no nahatazana olona nitangorona tery ambany lavitra tery tao anatin’ny ala maozatra kely. Tsy dia matetika ireo mpitory no mba mahita olona maro azo hitoriana ka dia nidina nankeny amin’izany ala maozatra kely izany izy ireo.

Nisy zazalahy kely maty an-drano tamin’ izay ary dia efa ho atao ny fandevenana. Nampaka ny mpitandrina ireo ray aman-dreniny mba “hitondra teny” amin’ izany fandevenana ny zanakalahin’ izy ireo izany. Nijoro tery aoriana ireo misiônera raha nanomboka ny toriteniny ilay mpitandrina mandehandeha izay nanatrika an’ilay ray sy reny vonton’alahelo. Raha mba nanantena teny fampiononana avy tamin’ity lehilahy mpitandrina ity ireo ray aman-dreny dia diso fanantenana tokoa izy ireo.

Nandatsa mafy azy ireo izy tamin’ny tsy nanaovany batisa izany zazalahy kely izany. Tsy nahavita izany batisa izany izy ireo noho ny antony maro, ary ankehitriny dia tara loatra izany. Nilaza tsy tamim-pihambahambana tamin’izy ireo izy hoe lasa any amin’ny helo ilay zazalahikely. Ary hadisoan’izy ireo izany. Tsinin’izy ireo ny fijaliana tsy misy fiafarana hihatra aminy.

Rehefa vita ny toriteny sy voatototra ny fasana dia nanatona ireto ray aman-dreny vonton’ alahelo ireo misiônera lehilahy. “Mpanompon’ny Tompo izahay,” hoy izy ireo tamin’ ilay reny, “ary manana hafatra ho anareo.” (Boyd K. Packer, “Ary ny Zazakely no Hiroaka Azy,” Liahona, mey 2012, 7)

Omeo naoty amina ambaratonga 1 hatramin’ny 4 ny valinteninao amin’ity fanontaniana manaraka ity, ka ny (1) dia tsy matoky tena mihitsy, (2) somary matoky tena, (3) matoky tena, ary ny (4) tena matoky tena.

  • Ahoana no fahatsapanao ny fatokian-tenanao amin’ny fampianarana sy fampiononana ireo ray aman-dreny vonton’alahelo ireo ary ny fanampiana azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo?

Rehefa mandalina ny Môrônia 8 ianao, dia hevero ny fomba mety hahafahanao manampy ireo ray aman-dreny ireo hahatakatra tsara kokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mifandray amin’ny ankizy madinika. Any amin’ny fiafaran’ny lesona ianao dia hangatahina hamorona valiny amin’io rafi-tantara io. Eritrereto ihany koa ny fomba mety hanampian’ny fahamarinana avy ao amin’ny Môrônia 8 anao hahatakatra tsara kokoa ny fahatsarana sy famindram-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ny ankizy madinika dia salama

Raha nantsoina vao haingana ho amin’ny asa fanompoana an’i Jesoa Kristy i Môrônia dia naharay taratasy iray avy tamin’i Môrmôna rainy. Nanoratra tamin’ny “zanany malalany” (Môrônia 8:2) i Môrmôna fa izy dia “nahatsiaro [azy] mandrakariva tao amin’ny vava[ny]” (Môrônia 8:3). Nanoro hevitra an’i Môrônia momba ny fifanjihirana izay nitranga teo amin’ny Nefita momba ny batisan’ny ankizy madinika izy. Tatỳ aoriana teo amin’ny fiainany, dia nampiditra io taratasy io tao amin’ny rakitsorany tao amin’ireo takelaka volamena i Môrônia.

Vakio ny Môrônia 8:4–8, hitadiavana ny fihetsika navalin’i Môrmôna rehefa nandre momba ilay fifanjihirana izy.

Adikao ao amin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity ary raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao amin’ireo andininy ireo. Hanampy zavatra ao amin’io tabilao io ianao ao aoriana kely ao amin’ny lesona.

Nahoana no tsy mila batisa ny ankizy madinika

Ny zavatra ianarantsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’ireo andininy ireo ny hoe ny ankizy madinika dia natao salama tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Fitaovana fandalinana soratra masina manampy ny fampiasana fanamarihana ambanim-pejy. Mariho ilay fanamarihana ambanim-pejy d eo akaikin’ny teny hoe “salama” ao amin’ny andininy 8.

Mamakia iray farafahakeliny amin’ireto andininy manaraka avy ao amin’ny fanamarihana ambanim-pejy ireto, hitadiavana ny antony maha salama ny ankizy madinika.

  • Inona no dikan’ny hoe “ny ankizy madinika dia salama” ao amin’ny Môrônia 8:8?

Tsy mila batisa ny ankizy madinika

I Môrmôna dia nanome fahatakarana hafa izay manampy antsika hianatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’io fotopampianarana io mikasika ny ankizy. Vakio ireto andininy manaraka ireto, hitadiavana zavatra azonao ampidirina eo amin’ny andaniny roa amin’ny tabilaonao.

Makà fotoana hijerena ireo fahamarinana nosoratanao ao amin’ny tsanganana faharoan’ilay tabilao. Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao:

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo manampy antsika amin’ny fiainantsika ankehitriny?

Eritrereto indray ilay tantarana misiônera roa tany am-piandohan’ny lesona.

  1. Manoràta andiam-pehezanteny iray (fehezanteny dimy farafahakeliny) hamaliana ity fanontaniana manaraka ity:

    • Miainga amin’ny zavatra nianaranao androany, inona no holazainao amin’ny ray aman-drenin’io ankizy io mba hanampiana azy ireo hahita fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy?

    Ao amin’ny valinteninao, mampidìra soratra masina roa farafahakeliny avy amin’ity lesona ity.

Hamoaka printy