Seminera
Môrônia 10:8–25: “Ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra dia avy amin’i Kristy”


“Môrônia 10:8–25: ‘Ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra dia avy amin’i Kristy,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 10:8–25,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 10:8–25

“Ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra dia avy amin’i Kristy”

Sary
mandray fanomezam-pahasoavana

Inona no fanomezana iray noraisinao ka nahatonga fahasamihafana lehibe teo amin’ny fiainanao? Inona no lazain’io fanomezana io aminao momba ilay olona nanome azy? I Môrônia dia nijoro ho vavolombelona mombana fanomezana izay nomen’ Andriamanitra ny zanany tamin’ny alalan’ny Fanahy mba hanomezana tombontsoa azy ireo. Avy eo i Môrônia dia namporisika ny mpamaky hanaiky sy handray ireny fanomezana ara-panahy ireny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy.

Fanomezam-pahasoavana

Mieritrereta mpanome fanomezana mendrika indrindra sasantsasany fantatrao.

  • Inona avy no toetra ananan’ireny olona ireny ka mahatonga azy ireny ho mpanome fanomezana mahay?

I Jesoa Kristy dia nampianatra ny mpianany ao amin’ny Matio 7:9–11 momba ny iray amin’ireo toetran’ny Ray any An-danitra. Vakio ireo andininy ireo, hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny Ray.

Anio ianao dia hanana fahafahana hianatra mombana fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra izay antsoina hoe fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina. Rehefa mandalina ianao, dia eritrereto ny maha porofon’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao sy ny hafa ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Eritrereto ihany koa ny fomba ahafahan’ny hoe voatahy amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo miantraika amin’ny fankasitrahanao sy fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fanomezam-pahasoavana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra

Ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia azo faritana ho “fitahiana na fahaizana omen’ Andriamanitra ny zanany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia omena mba hitahiana sy hanomezana tombontsoa ireo izay tia ny Tompo sy mikatsaka ny hitandrina ny didiny. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:9.)” (Gospel Topics, “Fanomezam-pahasoavana ara-panahy,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Vakio ny Môrônia 10:8, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy tamin’io andininy io?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io andininy io ny hoe Andriamanitra dia manome ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny zanany mba hanomezana tombontsoa azy ireo.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahantsika mampiasa ireo fitahiana na fahaizana omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampiana ny tenantsika na ny hafa?

Mieritrereta fanontaniana mbola anananao momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ireo fanontaniana ireo. Rehefa manohy mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay manampy amin’ny famaliana ny fanontanianao.

Inona avy no ohatra amin’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy?

Nizara ohatra vitsivitsy amin’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy azon’ Andriamanitra omena antsika i Môrônia. Vakio ny Môrônia 10:9–16, hitadiavana izany ohatra izany.

Mety hanampy ny fahalalana fa ny fampianarana “ny tenin’ny fahendrena” (andininy 9) dia mety hanondro ny fahaizana manampy ny hafa hampiasa fahaiza-mitsara na hampihatra ny fahalalany; ny fampianarana ny “tenin’ny fahalalana” (andininy 10) dia mety hanondro ny fahaizana manampy ny hafa ho tonga amin’ny fahalalana an’ Andriamanitra sy ny lalàny; ary ny “karazany rehetra amin’ny fiteny” (andininy 15) dia mety hanondro ny fahaiza-miteny amin’ny teny vahiny na tsy fantatra.

  • Inona avy no fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy voaresaka ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no ohatra sasantsasany amin’ny fomba nahitanao ireo fanomezam-pahasoavana ireo naseho?

Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia tsy misy fiafarany amin’ny isa ary tsy manam-petra amin’ny karazany” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 371).

Andriamanitra dia afaka mitahy antsika amina fanomezam-pahasoavana ara-panahy tsy tambo isaina, ao anatin’izany ny finoana an’i Jesoa Kristy, fanambarana ho an’ny tena manokana, fahafahana mitandrina ny didy tsy mitsaha-mitombo, ary fahatsapana fitiavana ny hafa tahaka ny an’i Kristy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Mieritrereta fomba sasantsasany nitahian’ Andriamanitra anao tamina fanomezam-pahasoavana ara-panahy teo amin’ny fiainanao. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no ianaranao momba ny Ray any An-danitra rehefa mihevitra ireo fanomezam-pahasoavana irìny omena antsika?

    • Ahoana no ahafahan’ny fanomezam-pahasoavana manampy antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra?

Ahoana no ahafahantsika mandray fanomezam-pahasoavana ara-panahy?

Vakio ny Môrônia 10:24–25, 30, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Morônia momba ny fandraisana fanomezam-pahasoavana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny fomba ahafahantsika ho voatahy amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy?

Ny Filoha George Q. Cannon (1827–1901) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara fomba iray azontsika ikatsahana fanomezam-pahasoavana ara-panahy:

Raha misy manana tsy fahalavorariana amintsika dia andraikitsika ny mivavaka mba hahazo izay fanomezam-pahasoavana hahatonga antsika ho tonga lafatra. … Tsy misy olona afaka miteny hoe, “Tsy vitako ny mifehy tena tsy manao izany satria efa toetra voajanahary ato amiko izany.” Tsy voamarina ny amin’izany izy. Izany no antony nampanantenain’ Andriamanitra ny … hanome fanomezam-pahasoavana izay hanaisotra |ireny fahalementsika ireny]. (George Q. Cannon, “Mikatsaka ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy,” Liahona, apr. 2016, 80)

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara fomba iray hafa ahafahantsika mahafeno fepetra hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy:

Mikolokolo ireo zava-panahy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy sy fiezahana miaina fiainana tsy misy hadisoana. Mitaky finoana an’i Jesoa Kristy mba hibebaka sy ho diovina amin’ny Sorompanavotany izany. (Henry B. Eyring, “Manompo miaraka amin’ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2010, 59)

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no nianaranao tamin’ireo fanambarana ireo momba ny fomba ahafahantsika ho voatahy amin’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy?

    • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy maintsy ilaina mba hahafenoana fepetra hahazoana fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny asa voaresaka?

Eritrereto ny zavatra nianaranao androany momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay tianao hotsaroana, ao anatin’izany ny fomba ahafahan’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy miantraika amin’ny fiainanao. Fantaro ny zavatra hataonao mba hahazoanao kokoa ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy irìn’ny Ray any An-danitra hitahiana anao. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Hamoaka printy