Seminera
Môrônia 10:26–34: “Manatòna an’i Kristy”


“Môrônia 10:26–34: ‘Manatòna an’i Kristy,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrônia 10:26–34,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrônia 10:26–34

“Manatòna an’i Kristy”

Sary
Ny Mpamonjy manatsotra ny tanany

Nalefa tetỳ an-tany hianatra sy hitombo isika mba hahafahantsika mahazo fiainana mandrakizay. Mba hanampiana antsika, dia nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany ny Ray any An-danitra. Niantso mpaminany ihany koa Izy mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Tao amin’ireo andininy farany amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Môrônia dia nanasa ny rehetra hanaraka ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao “hanatona an’i Kristy, ary hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32).

Ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna

Efa noeritreretinao ve hoe nahoana no nanome antsika ny Bokin’i Môrmôna Andriamanitra?

Anio ianao dia handalina ireo andininy farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa mandalina ianao, dia eritrereto ny tanjona sy fitahian’ny Bokin’i Môrmôna.

Ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna, i Môrônia dia nanambara fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana handresy lahatra antsika fa “i Jesoa no Kristy.” Ny teny hoe “Kristy” no teny Grika mitovy dika amin’ny hoe Mesia. Izy io dia midika hoe ilay Mpaminany, Mpisorona, Mpanjaka ary Mpanafaka voahosotra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ahoana no nanamafisan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

  • Nanampy anao hanaraka an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna?

  • Aiza ho aiza ny fahitanao ny ezaka ataonao hanarahana Azy amin’izao fotoana izao?

Ny fanasana farany nataon’i Môrônia

Rehefa avy nampianatra momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy sy nampitandrina momba ny vokatry ny tsy finoana i Môrônia, dia niresaka momba ny Bokin’i Môrmôna.

Vakio ny Môrônia 10:27–29, hitadiavana ny zavatra naminanian’i Môrônia fa hiseho.

  • Ahoana ny eritreritrao momba ny hoe hihaona amin’i Môrônia eo anoloan’ny toeram-pitsarana?

Avy eo i Môrônia dia nanome ny famporisihany na fanasany farany.

Vakio ny Môrônia 10:30–34, hitadiavana ny zavatra nasain’i Môrônia hataontsika sy ireo fitahiana ampanantenaina nozarainy

Mandalìna farafahakeliny fanasana roa sy fampanantenana roa avy ao amin’ny Môrônia 10:30–34. Afaka manampy ity tabilao manaraka ity. Mety hanampy raha atao lisitra ny soratra masina hafa sy fanampiana amin’ny fandalinana ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andinteny avy ao amin’ny Môrônia 10:30–34. Azonao atao ihany koa ny mandalina fanasana na fampanantenana hafa hitanao ao amin’ny Môrônia 10:30–34 izay tsy voatanisa ao amin’ilay tabilao.

Ny zavatra tsy maintsy ataontsika (fanasan’i Môrônia)

Ny zavatra ampanantenain’ny Ray any An-danitra

Ny zavatra tsy maintsy ataontsika (fanasan’i Môrônia)

Hihazonana ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra. (Jereo ny Môrônia 7:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:7.)

Halaviro ny fanomezana ratsy sy ny zavatra tsy madio. (Jereo ny 2 Nefia 4:27–28; Môrmôna 9:28.)

Holavin’ny tenantsika ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra. (Jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:25–29 [ao amin’ny Matio 16:24, fanamarihana ambanim-pejy a]; Môzià 3:19.)

Tia an’ Andriamanitra amin’ny herintsika, ny saintsika ary ny tanjatsika rehetra. (Jereo ny Matio 22:36–38; Ômnia 1:26.)

Ny zavatra ampanantenain’ny Ray any An-danitra

Ampy ho antsika ny fahasoavany ary afaka mahatonga antsika ho tanteraka. (Jereo ny 2 Nefia 10:24; 25:23; Etera 12:27; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

Hohamasinina isika ary handray famelana ny fahotantsika. (Jereo ny 3 Nefia 27:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:41; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamasinana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

Ho tonga masina tsy misy pentina isika. (Jereo ny Levitikosy 19:2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Masina,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no fanasana na fampanantenana manan-danja indrindra aminao ary nahoana?

    • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa amin’ireny fanasana ireny manampy anao hanatona an’i Jesoa Kristy?

    • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Môrônia 10:30–34?

Fitsipika iray ianarantsika ny hoe rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka ny hatao tanteraka ao Aminy.

“Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy”

Azonao atao ny mijery ilay horonantsary hoe “Manatòna an’i Kristy: Hira faneva 2014” (4:48), hita ao amin’ny . Saintsaino ny fomba nanampian’ny fahasoavan’ny Mpamonjy anao tao anatin’ny fotoan-tsarotra nandalovanao.

  1. Valio farafahakeliny ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hahafahantsika mandray ireo fampanantenana ao amin’ny Môrônia 10:30–34 sy hatao tanteraka ao Aminy?

    • Ahoana no nahitanao ny fahasoavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (fanampiana na hery avy amin’ Andriamanitra) niasa teo amin’ny fiainanao?

Mieritrereta zavatra iray azonao atao mba hanatonana an’i Kristy sy hatao tanteraka ao Aminy. Raha tsy azonao antoka ny zavatra tokony hatao, dia mety hanampy ny fisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha misy zavatra tsapanao fa azonao atao izao dia izao, dia ataovy izany. Mety ho efa ny fanampiana anao hanatona an’i Jesoa Kristy no iray amin’ireo tanjonao amin’ny fampivoarana ny zatovo. Afaka manohy miasa amin’izany tanjona izany ianao.

  • Misy zavatra tsy araka an’ Andriamanitra ve eo amin’ny fiainako ka ilaiko handavana ny tenako (ohatra, fitaoman’ny haino aman-jery na fahazaran-dratsy)?

  • Ahoana no ahafahako mitia an’ Andriamanitra tsara kokoa amin’ny heriko, ny saiko ary ny tanjako rehetra?

  • Ahoana no hanampian’ny fanaovana ireo zavatra ireo ahy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy