Seminera
Tombano ny fianaranao 10: Ny Bokin’i Môrmôna: 1 Nefia–Môrônia


“Tombano ny fianaranao 10: Ny Bokin’i Môrmôna; 1 Nefia–Môrônia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Tombano ny fianaranao 10,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tombano ny fianaranao 10

Ny Bokin’i Môrmôna; 1 Nefia–Môrônia

Sary
olona mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianaranao ara-panahy dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy hanamafy orina ny fiovam-ponao. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ny fandrosoana sy fitomboana niainanao nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity.

Ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna

Nandritra ny taona lasa tao amin’ny seminera, ianao dia nandalina ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Ao amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hanazava ny sasany amin’ny zavatra nianaranao sy tsapanao ary hanombana ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao ho tonga miova fo kokoa ao amin’i Jesoa Kristy.

Ahoana ny fahatsapanao momba ny Bokin’i Môrmôna?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanasa antsika hieritreritra fanontaniana telo mifandray amin’ny Bokin’i Môrmôna:

Voalohany, hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna? Faharoa, inona ny zavatra mety tsy ho fantatrao? Ary ny fahatelo dia, inona ny zavatra tsy ho nanananao? (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 61)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no hamalianao ny tsirairay amin’ireo fanontanian’ny Filoha Nelson?

    • Inona no fiantraikany tamin’ny fihetseham-ponao momba ny Bokin’i Môrmôna rehefa nandalina izany ianao tamin’ity taona ity?

Inona no takatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilazalaza ny iray amin’ireo anjara asa manan-danjan’ny Bokin’i Môrmôna:

Misy zavatra mahery vaika mitranga rehefa mikatsaka ny hahafantatra misimisy kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny Zanakalahiny Malalany ny zanak’ Andriamanitra iray. Tsy misy fampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba mazava sy mahery vaika kokoa mihoatra noho ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 61)

Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa avy nandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao tamin’ity taona ity. Azonao atao ny mamerina mijery ny soratra masinao sy ny diary fandalinanao mba hahitana fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay mety ho nasianao marika na fanamarihana kely nandritra ny taona. Mitanisà fahamarinana telo na efatra izay tena nanan-danja taminao ao anatin’ny diary fandalinanao.

Mitadiava andinin-tsoratra masina iray farafahakeliny izay manohana ny fahamarinana tsirairay voatanisa ao amin’ny diary fandalinanao. Soraty eo akaikin’ny fahamarinana tsirairay ny toko sy andinin-tsoratra masina, ary hazavao ny fomba ahafahanao mampiasa ilay andinin-tsoratra masina mba hampianarana izany fahamarinana izany.

Raha ilaina dia azonao atao ny mamerina mijery ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no fahamarinana roa farafahakeliny nianaranao momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy avy amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna?

    • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra ireo fahamarinana ireo?

Ahoana no niantraikan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fomba iainanao ny fiainanao?

Vakio ity teny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) manaraka ity, hitadiavana ny zavatra nampianariny momba ny herin’ny Bokin’i Môrmôna:

Sary
ny Mpaminany Joseph Smith

© 1998 David Lindsley

Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa. (Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna; jereo ihany koa ny History of the Church, 4:461)

Ny hoe “manaja ny fitsipiny” dia midika hoe miaina amin’ireo fitsipika sy fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Saintsaino fotoana fohy ny fiantraikany teo amin’ny eritreritrao, toe-tsainao, na ny zavatra ataonao, noho ny zavatra nianaranao tamin’ny Bokin’i Môrmôna.

  1. Valio farafahakeliny ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no nanampian’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

    • Inona avy no fampianarana manokana azonao nampiharina avy amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna?

    • Inona avy no fitahiana niainanao rehefa nandalina tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna ianao?

Hamoaka printy