Seminera
2 Nefia 27: “Asa mahatalanjona sy mahagaga iray”


“2 Nefia 27: ‘Asa mahatalanjona sy mahagaga iray,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 27,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 27

“Asa mahatalanjona sy mahagaga iray”

Sary
tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samihafa

Mieritrereta trangan-javatra izay heverinao ho mahatalanjona sy ny fomba fiantraikan’izany tranga izany teo aminao sy ireo manodidina anao. I Jesoa Kristy dia nampanantena ny hanao ny asa mahatalanjon’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany ety an-tany amin’ny andro farany, ka tafiditra ao anatin’izany ny Bokin’i Môrmôna. Afaka manampy anao hahatsapa fankasitrahana lehibe kokoa ny famerenan’ny Tompo amin’ny laoniny ny Bokin’i Môrmôna ety an-tany ity lesona ity.

Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Tsy misy olombelona mpampianatra afaka manolo ny Fanahy na manam-pahaizana sy manan-traikefa toy ny inona aza izy. Saingy afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika mba hanampy ny zanany hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Tsy afaka mahalala an’ Andriamanitra sy mitia araka ny tokony ho izy ny mpianatra, raha tsy ampianarin’ny Fanahy Masina” (“Ny maha-zava-dehibe ny Fanahy Masina,” Testamenta Taloha: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra seminera [2018], ChurchofJesusChrist.org).

Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara momba ny olona iray izay nanao zava-mahatalanjona ho azy ireo na ho an’olona iray fantatr’izy ireo ny mpianatra. Ohatra, angamba mety nisy olona iray nanavotra azy ireo tamina toe-javatra mampidi-doza na nanome fanomezana miavosa ho azy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Zava-mahatalanjona iray

Mba hanomanana ny mpianatra hizara ity manaraka ity, dia hevero ny hizara momba ny olona iray izay nanao zavatra ho anao izay heverinao fa mahatalanjona na manan-danja.

Mieritrereta olona iray nanao zavatra mahatalanjona ho anao na ho an’olona iray fantatrao.

  • Inona no nataon’io olona io?

  • Inona no tsapanao momba ilay olona nanao izany? Nahoana?

Ao amin’ny 2 Nefia 27, ny Tompo dia nijoro ho vavolombelona momba ny zava-mahatalanjona iray hataony mba hanampiana antsika eo anatrehan’ny faharatsiana sy ny apôstazian’ny andro farany. Rehefa mandalina ianao, dia saintsaino ny fiantraikan’ny zavatra ianaranao eo amin’ny zavatra tsapanao momba ny Tompo.

Vakio ny 2 Nefia 27:25–26 mba hitadiavana ny zavatra nampanantenain’ny Tompo fa hataony.

Asao hizara izay zavatra eritreretiny ho tondroin’ny hoe “asa mahatalanjona sy mahagaga iray” ny mpianatra. Raha ilaina dia zarao ity fanazavana avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza fa io “asa mahatalanjona io dia ahitana ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara” (“Scriptural Witnesses,” Liahona, Nov. 2007, 46).

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io faminaniana io ny hoe ny Tompo dia nanao asa mahatalanjona sy mahagaga iray tamin’ny alalan’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany.

  • Inona no fantatrao momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ka mety hahatonga anao hiantso azy ireo hoe “mahatalanjona”?

Ny Bokin’i Môrmôna: Asa mahatalanjona sy mahagaga iray

Ny ankabeazan’ny 2 Nefia 27 dia mifantoka amin’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Alohan’ny handalinana kokoa io toko io, dia makà fotoana hisaintsainana ny fahatsapanao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna. Mahatalanjona ve izy io ho anao manokana? Nahoana, na nahoana no tsia? Inona avy ireo fanontaniana anananao? Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahita mazava kokoa ny Bokin’i Môrmôna ho “asa mahatalanjona sy mahagaga iray”.

Mety hanampy ny famakiana ireo andininy voatanisa ato amin’ity famintinana manaraka ity ny iray kilasy.

Naminany i Nefia fa ho tonga hanampy amin’ireo olan’ny andro farany ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 2 Nefia 27:6). Nanoratra ihany koa izy fa Andriamanitra dia hamela vavolombelona telo hahita ireo takelaka nandikana ny Bokin’i Môrmôna sy hijoro ho vavolombelona momba ilay boky amin’izao tontolo izao (jereo ny 2 Nefia 27:12–14). Avy eo i Nefia dia nizara faminaniana iray momba ny sasany amin’ny antsipiriany mifandray amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.

Hevero ny hanome ny mpianatra ity tabilao manaraka ity na hampiseho izany. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ireo andininy sy mameno ilay tabilao tsiroaroa na ao anatina vondrona kely.

Faminaniana momba ny zavatra hataon’ilay olona (2 Nefia 27:15–19)

Ny anaran’ny olona nanatanteraka ilay faminaniana (Joseph Smith—Tantara 1:63–65)

Olona voalohany (“tsy mahavaky teny”)

Olona faharoa (“olon-kafa”)

Olona fahatelo (“olo-mahay”)

Rehefa nomena fotoana ampy handalinana ny mpianatra dia asao izy ireo mba hizara ny zavatra nianarany. Hevero ny hametraka ity fanontaniana manaraka ity ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io.

  • Nahoana araka ny hevitrao no i Joseph Smith izay olona tsy nandia fianarana no nampiasain’ny Tompo mba hitondra ny Bokin’i Môrmôna?

Vakio ny 2 Nefia 27:20–23 mba hitadiavana ireo antony nahatonga an’ Andriamanitra hisafidy olona tsy nandia fianarana handika ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no nianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo andininy ireo? Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo zavatra momba Azy ireo hisy fiantraikany eo aminao?

  • Ahoana no maha-porofon’ny teny nambaran’ny Tompo hoe “mahavita ny asako ihany Aho” ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna? (andininy 21).

Ankoatra ity fanambarana manaraka ity, hevero ny hizara ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana hoe “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra”.

I Emma Smith (1804–1879), vadin’ny Mpaminany, dia nijoro ho vavolombelona momba ny fanampiana avy amin’ Andriamanitra noraisin’i Joseph tamin’ny fandikany ny Bokin’i Môrmôna:

Tsy hain’i Joseph na ny manoratra na ny manonona taratasy iray mirindra sy voarafitra tsara; mainka fa hoe manonona boky iray toy ny Bokin’i Mormôna. Ary na dia mpandray anjara mavitrika aza aho teo amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, … dia mahatalanjona ahy izany, “mahagaga sy mahatalanjona”. …

Izaho dia mino fa ny Bokin’i Môrmôna dia avy amin’ Andriamanitra marina. Tsy manana ahiahy ny amin’izany aho na dia kely aza. … Tsy ho mitombina hoe olona avara-pianarana iray no afaka nanao izany; ary ho an’ny olona tsy manam-pahalalana sy tsy nandia fianarana toa azy aza dia tsy ho azo heverina tsotra izao izany. (Emma Smith, in “Last Testimony of Sister Emma,” The Saints’ Herald, Oct. 1, 1879, 290)

  • Miainga amin’ny zavatra nianaranao androany, ahoana no maha “asa mahatalanjona sy mahagaga iray” ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no fiantraikan’ny fahafantarana fa ny Tompo dia nanome antsika io fitahiana io eo amin’ny fahatsapanao ny momba Azy?

  • Inona no zavatra niainanao na ny niainan’ny hafa ka maneho ny maha-mahatalanjona ny Bokin’i Môrmôna?

Hevero ny hizara zavatra niainana manokana ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ireo fanontaniana teo aloha.

ChurchofJesusChrist.org

Tany alohaloha tao amin’ny lesona, dia nangatahina ianao hieritreritra momba ireo zavatra tsapanao mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Diniho raha nisy tamin’ireo fahamarinana nianaranao androany niantraika tamin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba io boky masina io. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao izay eritreritra na fahatsapana voarainao rehetra, ary koa ireo zavatra hatao amin’ny ho avy izay nahazoanao bitsika fa tokony hatao.

Hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara eritreritra manan-danja na hevi-baovao tonga teo amin’izy ireo nandritra ny lesona. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany.

Hamoaka printy