Seminera
2 Nefia 29: Mandraisa misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra


“2 Nefia 29: Mandraisa misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 29,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 29

Mandraisa misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra

Sary
zatovo mamaky soratra masina

Olona maro no mino fa tenin’ Andriamanitra ny Baiboly. Na izany aza, tsy ny rehetra amin’izy ireo no vonona handray misimisy kokoa noho izay efa ananany amin’ny tenin’ Andriamanitra. Naminany i Nefia fa amin’ny andro farany dia olona maro no handà ny Bokin’i Môrmôna satria efa manana ny Baiboly izy ireo. Tian’ny Tompo hahafantatra isika fa ho an’ny olona rehetra ny filazantsarany ary tsy voafetra amin’ny Baiboly ny teniny. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao ho vonona kokoa handray ny tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

Sady mianatra avy ao amin’ny Baiboly no mianatra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mpinamana ara-tsoratra masina ary mifanohana eo amin’ny fampianarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Ankoatra izany, mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy izay very tao amin’ny Baiboly ny Bokin’i Môrmôna. Ampio hahatakatra ny mpianatra fa rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna isika dia afaka manazava ny fahatakarantsika ny fotopampianaran’ny Baiboly izany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra ataon’izy ireo mba hahafahany mandray ny zavatra ampitain’ Andriamanitra.

Ireo sahanasa azo atao ao anatin’ny fianarana

Mivonòna handray fahatakarana lehibe kokoa

Alaivo sary an-tsaina hoe i Oliver, tamin’ny faha-15 taonany, dia nihevitra fa ny fampahalalana sy tekinôlôjia rehetra nisy teo aminy tamin’izany fotoana izany no hany zava-drehetra hilainy.

Raha ilaina, hevero ny hanamboatra ny taona ao amin’ity fanontaniana manaraka ity mba hitombina kokoa izany ho an’ny mpianatrao.

  • Inona no mety ho tsy ho hitan’i Oliver raha tamin’ny taona 1950 izy no nihevitra izany? Inona no fampahalalana na teknôlôjia efa nisy indray nanomboka tamin’izany?

  • Ahoana no ahafahan’izany toe-javatra izany mifandray amin’ny fianarana fahamarinana ara-panahy?

Asao hieritreritra momba ireo fitahiana tonga avy amin’ny fahavononana na fahazotoana hianatra avy amin’ Andriamanitra mihitsy aza ny mpianatra.

Rehefa mamaky ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity ianao, dia eritrereto ny mety ho dikan’izany aminao.

Eny, mbola maro ireo zavatra tian’ny Rainao any An-danitra ho fantatrao. Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Ho an’ireo izay manana maso hahitana sy sofina hihainoana, dia mazava fa ny Ray sy ny Zanaka dia mampahafantatra ny tsiambaratelon’izao tontolo rehetra izao!” [“Meek and Lowly” (Brigham Young University devotional, Oct. 21, 1986), 9, speeches.byu.edu]. (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95)

Mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny fandraisan’izy ireo ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo, dia hevero ny hizara ity taratasy zaraina manaraka ity sy hanasa ny mpianatra hameno izany isam-batan’olona.

Ny faniriako hianatra fahamarinana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra—2 Nefia 29: Mandraisa misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra

Makà fotoana hisaintsainana ny toe-tsainao manoloana ny fandraisana fahamarinana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra. Ezaho jerena ny zavatra vitanao tsara sy izay mety ho azonao hatsaraina.

  • Mahalana: 1

  • Indraindray: 2

  • Matetika: 3

  • Mandrakariva: 4

Samy omeko lanja sy halaliniko ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.

Mitady valiny amin’ireo fanontaniako amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina aho.

Mikatsaka ny hianatra avy amin’ Andriamanitra sy ny momba Azy amin’ny amin’ny alalan’ny soratra masina aho.

Mikatsaka sy manaraka fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina aho.

Mandalina ireo teny lazaina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho mba hianarana ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatro.

Rehefa mandalina ianao anio, dia tadiavo ny zavatra azonao atao mba hanohizana mianatra ny zavatra rehetra tian’ Andriamanitra hampianarina anao.

Toe-tsaina samihafa eo amin’ny fandraisana ny tenin’ Andriamanitra

Ao amin’ny 2 Nefia 28–29, i Nefia dia naminany momba ny toe-tsaina hananan’ny olona sasany amin’ny andro farany manoloana ny fandraisana misimisy kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra. Vakio ny 2 Nefia 28:29 sy ny 2 Nefia 29:3 mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia sy ny Tompo momba ny fihetsika hasehon’ny olona eo amin’ny fandraisana soratra masina fanampiny amin’ny andro farany.

  • Inona no hitanao?

  • Inona avy no ireo antony sasantsasany mety mahatonga ny olona hanana io fomba fijery io?

Hevero ny haneho ity manaraka ity ho lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Ifanakalozy hevitra ny zavatra tsy azon’ny kaopy mihohoka atao, ary ampio hampitaha izany amin’ireo izay mandà ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra.

Makà kaopy tsy misy na inona na inona ary eritrereto ny zavatra azo ampiasana izany. Avadiho amin’izay izany. Mbola azo ampiasaina amin’ny fomba natao hampiasana azy ve ilay izy? Ampitahao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny mety ho fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny olona iray izany.

  • Inona no fahalalana sy fitahiana heverinao fa tian’ Andriamanitra horaisintsika amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna?

Mandritra ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana etsy ambony, dia avadiho hitsangana ilay kaopy mba hanehoana fahavononana handray. Azonao atao ny manome tapa-taratasy ny mpianatra tsirairay. Asao hanoratra zavatra iray farafahakeliny tian’ Andriamanitra ho fantatsika na horaisintsika amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra tsirairay. Azon’ny mpianatra atao ny mameno ilay kaopy amin’ny valintenin’izy ireo. Hevero ny hamaky mafy izany mba hanampiana ny mpianatra hahalala ireo fitahiana lehibe misy ho an’ireo vonona handray izany.

Vakio ny 2 Nefia 29:7–11 mba hitadiavana ny zavatra tian’i Jesoa Kristy ho fantatr’ireo izay mandà ny Bokin’i Môrmôna.

Mety hahita misimisy kokoa ny mpianatra sasany raha miara-mamaky amin’ny hafa ao anatina vondrona kely izy ireo. Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona mba hamaky ny andininy 7–11 raha toa ka hamaly ny filan’izy ireo kokoa izany.

  • Inona ny fahamarinana iray nianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo?

Omeo fahafahana hizara fahamarinana samihafa ny mpianatra, ary asao hanazava ny mety ho fiantraikan’’ireo fahamarinana ireo ny mpianatra.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe mahatsiaro ny olona rehetra Andriamanitra ary miteny amin’izy ireo any amin’ny firenena rehetra.

  • Inona no sasany amin’ireo fomba samihafa itenenan’ Andriamanitra any amin’ny firenena rehetra?

  • Inona no zavatra niainana nanampy anao hahafantatra fa mahatsiaro sy miteny aminao Andriamanitra?

ChurchofJesusChrist.org

Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mandray tsara kokoa ny tenin’ Andriamanitra. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana ny mpianatra hamita ireto dingana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Rehefa avy omena fotoana ampy hamitana ireo dingana ny mpianatra, dia mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo.

  1. Ataovy lisitra ny fomba rehetra nanomezan’ Andriamanitra ny teniny ho anao.

  2. Saintsaino hoe manao ahoana ny fahavononanao handray ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny tsirairay amin’ireo fomba ireo. (Afaka manao sarina kaopy tsotra eo akaikin’ny fomba tsirairay izay tsapanao fa ahafahanao tena maheno tsara ny Tompo ianao.)

  3. Manorata fanovana iray na maromaro azonao atao mba ho vonona kokoa handray ny tenin’ Andriamanitra amin’ny fomba maro kokoa amin’ireo fomba ireo ianao.

Hamoaka printy