Seminera
2 Nefia 31–33: Topimaso ankapobeny


“2 Nefia 31–33: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 31–33: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 31–33

Topimaso ankapobeny

Nampianatra i Nefia fa tena ilaina ny fanarahana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina mba hahazoana famonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Rehefa avy nampianatra ny olony momba ny fanarahana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana i Nefia, dia tsapany fa mbola tsy nahazo antoka ny zavatra tokony hatao aorian’ny batisa izy ireo. Namaly tamin’ny alalan’ny famporisihana azy ireo “hivoky amin’ny tenin’i Kristy” izy ary nanome toky fa ny tenin’ny Tompo no hitarika ny fandrosoan’izy ireo (2 Nefia 32:3). Nampahatsiahiviny azy ireo koa ny maha-zava-dehibe ny vavaka sy ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fifandraisana tsy tapaka amin’ny Raintsika any An-danitra.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Nefia 31:1–13

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa sy hanazava ny maha-zava-dehibe ny batisa sy ireo fitahiana izay tonga avy amin’izany ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho hieritreritra ny fomba hanazavan’izy ireo ny antony tokony hanaovana batisa ny olona iray ny mpianatra. Raha tian’izy ireo, dia azon’izy ireo atao ny manontany olona iray na roa ao amin’ny fianakaviana na namana ny antony nisafidianan’izy ireo ny hatao batisa.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa avy mamaky ny 2 Nefia 31:5–11 ny mpianatra, dia hevero ny hampiseho ny iray na maromaro amin’ireo andininy tianao hifanakalozan-kevitra. Raha misy dia asao hampiasa ny fitaovana fanaovana fanamarihana ny mpianatra mba hanasongadinana ampahan’ny andininy rehetra izay nanan-danja tamin’izy ireo ary hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ireo teny na andian-teny ireo.

2 Nefia 31:14–21

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hibosesika handroso sy haharitra hatramin’ny farany mba hahatongavan’izy ireo amin’ny tanjon’izy ireo faratampony: fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ny fomba mety hahafahan’izy ireo manampy olona iray sahirana mafy te hanohy handroso amin’ny fahamarinana eo amin’ilay diany miverina any amin’ny Ray any An-danitra.

  • Votoatiny haseho: Ireo fanontaniana roa any am-piandohan’ny lesona hovalin’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa angatahina hanao sary sy hanisy soratra ilay lalana voalaza ao amin’ny 2 Nefia 31:17–20 ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hanao sary amina taratasy na hampiasa ny solosain’izy ireo na ny fitaovana elektrônikan’izy ireo fitondra mandehandeha. Azonao atao mihitsy aza ny manasa mpianatra iray hanao sary ka hampiasa ny solaitrabe fotsy.

2 Nefia 32:1–7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hivoky amin’ny tenin’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hampitaha ny fandalinana soratra masina ataon’izy ireo manokana amin’ny fihinanana sakafo ary amporisiho izy ireo ho tonga efa vonona hizara ny hevitr’izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana.

  • Votoatiny haseho: Sarin-tsakafo toy ny tsakitsaky, sakafo tsotra mahazatra, ary sakafo be

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ny hevitry ny hoe mivoky amin’ny tenin’i Kristy, dia mety ho tian’ny mpianatra ny hitady ny sarin’izy ireo manokana izay maneho ny sakafo tian’izy ireo indrindra. Asao izy ireo hampiasa ny solosain’izy ireo na ny fitaovana elektrônikan’izy ireo fitondra mandehandeha mba hitadiavana sarin-tsakafo izay ankafizin’izy ireo ny mivoky aminy, ary angataho hizara ilay sary eo amin’ny efijery izy ireo.

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 32:3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana ary andian-teny manan-danja ao amin’ny 2•Nefia 32:3 sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Mety nanana fahafahana nampihatra ny “mivoky amin’ny tenin’i Kristy” ny mpianatra tamin’ny fiafaran’ny lesona teo aloha. Asao hanohy ny fanaovana fampiharana ao amin’ny fandalinana soratra masina ataon’izy ireo manokana izy ireo ary ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara momba ny zavatra niainan’izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Sarina latabatra misy fitaovana fihinanana sy fisotroana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondron’olona miisa telo ka hametraka azy ireo amina salles d’atelier mba hifanome fanazavana mikasika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Raha misy olona tsy mahatakatra ny iray amin’ireo fitsipika, dia asao hanampy azy ny hafa ao amin’ilay vondrona.

2 Nefia 32:8–9

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hifandray amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanamarika ny hoe impiry izy ireo no mivavaka ary nahoana.

  • Taratasy zaraina: “Mianatra bebe kokoa momba ny vavaka”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa avy mahavita roa farafahakeliny amin’ireo sahanasa telo any akaikin’ny fiafaran’ny lesona ny mpianatra, dia asao izy ireo hanoratra fehezan-teny iray ao amin’ireo endri-javatra fampiasa ao amin’ny chat izay mamintina ny zavatra iray nianaran’izy ireo na nanan-danja tamin’izy ireo. Mifantena mpianatra vitsivitsy hizara misimisy kokoa momba ny zavatra nosoratan’izy ireo.

Hamoaka printy