Seminera
2 Nefia 31:1–13: “Manaraka ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona”


“2 Nefia 31:1–13: ‘Manaraka ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 31:1–13,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 31:1–13

“Manaraka ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona”

Sary
I Jaona nanao batisa an’i Jesoa Kristy

Ahoana avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika manaraka ny ohatry ny Mpamonjy? Nampianatra i Nefia fa ny fanarahana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy fandraisana ny Fanahy Masina dia tena ilaina amin’ny fahazoana famonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa sy hanazava ny maha-zava-dehibe ny batisa sy ireo fitahiana izay tonga avy amin’izany ity lesona ity.

Mijoro ho vavolombelona matetika. Ny fijoroanao ho vavolombelona dia afaka mampitombo ny finoan’ny mpianatrao sy manampy azy ireo hampivelatra ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Mitadiava lala-misokatra hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy hiresahana momba Azy amim-panajana, amim-pankasitrahana ary amim-pitsaohana. Mizarà zavatra niainana manokana izay nanampy anao hanatona an’i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho hieritreritra ny fomba hanazavan’izy ireo ny antony tokony hanaovana batisa ny olona iray ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany olona iray na roa ao amin’ny fianakaviana na namana ny antony nisafidianan’izy ireo ny hatao batisa.

Ireo sahanasa azo atao ao anatin’ny fianarana

Manaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra momba ny tanjon’ny batisa sy ny fomba anampian’izany antsika.

Alaivo sary an-tsaina hoe i Ada namanao dia nihaona tamina misiôneran’ny Fiangonana ary tena mankafy ny zavatra iainany. Mamaky ny Bokin’i Môrmôna izy ary mankafy ny zavatra ianarany. Vao haingana no nanasa azy hatao batisa ireo misiônera. Ny ampitson’ilay fanasana, dia milaza aminao momba izany i Ada ary miteny hoe: “Ohatra ny te hatao batisa aho, saingy manontany tena aho hoe nahoana no tena zava-dehibe izany raha miezaka ny ho olona tsara aho. Inona no tena maha-zava-dehibe ny batisa?”

  • Mahatsapa ve ianao fa afaka mamaly ny fanontanian’i Ada amina fomba iray izay hanampiana azy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny batisa? Nahoana, na nahoana no tsia?

Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay manampy anao hahatakatra misimisy kokoa momba ny Mpamonjy sy ny antony maha-zava-dehibe ny fanarahana ny ohatra nasehony mahakasika ny batisany. Saintsaino ny fomba fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao sy teo amin’ireo olona fantatrao. Any amin’ny fiafaran’ny lesona, dia hanana fahafahana hamaly ny fanontaniana manan-danjan’i Ada ianao.

Rehefa nanakaiky ny famaranana ny zavatra nosoratany tamin’ireo takelaka i Nefia, dia naniry ny hiresaka momba “ny fotopampianaran’i Kristy” izy. Hevero ny hanisy marika io andian-teny io ao amin’ny 2 Nefia 31:2 sy ny 2 Nefia 31:21.

Ny batisa dia singa tena ilaina ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy.

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny batisan’ny Mpamonjy?

Henoy tsara ny zavatra lazain’ny mpianatra. Raha toa ka manampy dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao ny iray amin’ireto manaraka ireto mba handinihana ny batisan’ny Mpamonjy.

  • Vakio ny Matio 3:13–17.

  • ChurchofJesusChrist.org

  • ChurchofJesusChrist.org

Tsy nanota i Jesoa Kristy, nefa natao batisa ihany. Vakio ny 2 Nefia 31:5–11 ary tadiavo ny antony nanaovana batisa ny Mpamonjy sy ny zavatra ianarantsika momba Azy.

  • Inona no hitanao?

    Mety ho afaka hizara hevi-baovao samihafa momba ny Mpamonjy sy ny batisa ny mpianatra. Ny sasany amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’izy ireo dia ny hoe: Na dia tsy nanota aza i Jesoa Kristy, dia natao batisa izy mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra, ary i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny fankatoavana. Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika zarain’ny mpianatra. Ampiasao daholo ireto fanontaniana manaraka ireto mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra:

    Asao hizara ny zavatra hitan’izy ireo ny mpianatra. Raha manampy amin’ny fifanakalozan-kevitra dia hevero ny hampiasa ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe manara-dia ny Mpamonjy “amin’ny finiavan’ny fo manontolo, [ary tsy misy] fihatsarambelatsihy” (2 Nefia 31:13)?

  • Inona avy ireo fitahiana omen’ny Ray any An-danitra ireo izay manaraka amin-kitsim-po ny ohatry ny Mpamonjy momba ny batisa?

    Raha ilaina, dia hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny fitsipika rehetra hitan’ny mpianatra. Ity misy ohatra iray: Raha manaraka amin-kitsim-po ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa isika, dia handray ny Fanahy Masina.

  • Inona no fitahiana azonao teo amin’ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana?

    Raha toa ka hanampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ireo anjara asan’ny Fanahy Masina izany, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hijery ny 2 Nefia 31:13, 17 sy hamaky ny 2 Nefia 31:18; 32:3, 5, 8; ary ny 33:1. Azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina ireo anjara asa isan-karazan’ny Fanahy Masina sy mizara ny fomba nitahian’ny Fanahy Masina ny fiainan’izy ireo tamin’ny fanaovana izany anjara asa izany.

  • Inona no hevi-baovao hafa hitanao?

  • Inona no nanan-danja taminao tao amin’ny andininy 5?

  • Inona no nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona na nampanantenainy fa hataony tamin’ny alalan’ny firotsahany amin’ny batisa? (jereo ny 2 Nefia 31:7).

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy amin’ny didin’ny Ray sy amintsika?

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka hamporisika anao hanaraka ny ohatra nasehony?

ChurchofJesusChrist.org

Nanohy nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahian’ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy momba ny batisa tao amin’ny rakitsorany i Nefia. Mba hanampiana anao hahita ireo fitahiana ireo dia vakio ny 2 Nefia 31:12–13, 17. Mba hahitana hevi-baovao hafa momba ny batisa, dia hevero ny handalina ny sasany amin’ireto manaraka ireto: Jaona 3:3, 5; Asan’ny Apostoly 2:38; Almà 7:14; 3 Nefia 11:33–34, 37.

Manorata andiam-pehezan-teny iray ho an’i Ada, miainga amin’ny zavatra nianaranao. Ampio izy hahatakatra ny batisa sy ny antony tokony hanarahany ny ohatry ny Mpamonjy sy hanaovany batisa tahaka Azy. Ampidiro ao anatin’izany ireto zavatra manaraka ireto:

  • soratra masina roa farafahakeliny heverinao fa afaka manampy azy

  • ny fomba itondran’ny batisa antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjintsika

    Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny andiam-pehezan-tenin’izy ireo tsiroaroa, na ao anatin’ny vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy. Mety hahomby ihany koa raha manasa mpianatra iray ho eny alohan’ny efitrano mba hilalao an-tsehatra ny anjara toeran’i Ada. Manasà mpianatra iray hafa hizara zavatra iray nomanin’izy ireo hanampiana an’i Ada. Avy eo dia anontanio izay te hanampy zavatra hafa. Manasà mpianatra maromaro hizara. Mitadiava fomba hamporisihana ny mpianatra hifantoka amin’ny Mpamonjy sy hizara ny zavatra niainan’izy ireo sy ny eritreritr’izy ireo manokana. Eo am-pitohizan’ny sahanasa, dia asao ny mpianatra milalao an-tsehatra ny anjara toeran’i Ada mba hizara izay mety ho zavatra tsapany ary hametraka izay fanontaniana mety hananany. Tohizo mandra-pahatsapan’ny mpianatra fa nanampy an’i Ada izy ireo.

  • Hevero ny haneho fiderana ny safidy mety ho nataon’ny mpianatra mba hatao batisa. Azonao atao koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny batisa.

  • ireo eritreritrao, na ireo zavatra niainanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny batisa sy ny fananana ny Fanahy Masina ho namana

Hamaranana ity lesona ity, dia eritrereto ny zavatra nohalalininao androany. Inona no zavatra tsapanao momba ny batisanao? Inona no mety ho azonao atao mba hanohizana ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy? Ahoana no mety hahafahanao manampy ny hafa hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ka hatao batisa? Hevero ny hanoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo eritreritrao.

Hamoaka printy