Seminera
2 Nefia 31:14–21: “Tsy maintsy mibosesika handroso ianareo”


“2 Nefia 31:14–21: ‘Tsy maintsy mibosesika handroso ianareo,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 31:14–21,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 31:14–21

“Tsy maintsy mibosesika handroso ianareo”

Sary
zatovo mandeha an-tongotra lavitra

Indraindray dia mety ho sarotra ny fahitana ny dia mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia tsy namela antsika ho irery amin’izany dia izany. Te hanampy antsika eny an-dalana Izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fanirianao hibosesika handroso sy haharitra hatramin’ny farany mba hahatongavanao amin’ilay tanjonao farany: fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainao any An-danitra.

Mahita ny mpianatra amin’ny fomba ahitan’ny Tompo azy ireo. Rehefa miezaka mitia tahaka ny itiavan’ny Mpamonjy ny mpampianatra, dia manomboka mahita ny hafa toy ny ahitan’ny Mpamonjy azy ireny izy ireo. Ny fitiavana toy ny an’i Kristy dia manosika ny mpampianatra hanana faharetana eo amin’ny fanampiana ny mpianatra tsirairay ho tonga olona niova fo marina. Ny Fanahy Masina dia afaka manampy anao hahafantatra ny lanja masin’ny mpianatra tsirairay ary manampy azy ireo eo amin’ny fanatraran’izy ireo ilay hery anaty ananan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ny fomba mety hahafahan’izy ireo manampy olona iray sahirana mafy te hanohy handroso amin’ny fahamarinana eo amin’ilay diany miverina any amin’ny Ray any An-danitra.

Ireo sahanasa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ilay dia lavitra ezaka ataontsika

Hevero ny hampiseho sarina mpihazakazaka iray na ny hazakazaka iray, toy ilay anankiray a amin’ny fiandohan’ity lesona ity. Anontanio raha efa nisy nanao hazakazaka lavitra ezaka ny mpianatra ary asao hanazava ny zavatra niainany izy ireo.

Raha ilaina dia ampifanaraho amina asa hafa mety hitaky faharetana izay mety misy ifandraisany amin’ny mpianatrao io ohatra io.

  • Amina hazakazaka lavitra ezaka iray, inona no zavatra mety hahatonga ny mpihazakazaka iray hiala an-daharana?

  • Inona no mety hamporisika ny mpihazakazaka iray hamarana ny hazakazaka rehefa mihamafy izany?

ChurchofJesusChrist.org

Saintsaino ireto manaraka ireto:

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny valintenin’izy ireo.

  • Inona no mandrisika anao, na afaka mandrisika anao, hibosesika handroso eo amin’ilay dianao hiverina any amin’ny Ray any An-danitra?

  • Inona avy olana atrehinao?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mitadiava fahamarinana na hevi-baovao izay mety hanampy anao handresy ireo olana atrehinao sy hiezaka hiverina any amin’ny Rainao any An-danitra.

Fanasana avy amin’ Andriamanitra

Sary
I Nefia nampianatra vondron’olona

Rehefa avy nampianatra momba ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina i Nefia, dia nampianatra lafiny manan-danja iray hafa eo amin’ny fotopampianaran’i Kristy ka nampiasa teny nolazain’ny Ray any An-danitra mivantana izy. Vakio ny 2 Nefia 31:15 mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Ray any An-danitra.

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe maharitra hatramin’ny farany?

  • Inona araka ny eritreritrao no tsy mampitovy ny maharitra fotsiny sy ny maharitra amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy?

Nampiasa fanoharana i Nefia mba hanampiana antsika haka sary an-tsaina ny diantsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra. Vakio ny 2 Nefia 31:17–20 ary manaova sary tsotsotran’ilay lalana nofaritan’i Nefia. Asio soratra ny zavatra asehon’ireo lafin-javatra samihafa hita eny amin’ilay lalana.

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianaranao?

Zavatra iray ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika ary maharitra hatramin’ny farany, dia hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra isika.

  • Nahoana ianao no te hahazo fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainao any An-danitra?

Mibosesika handroso

Ao amin’ny andininy 19–20, i Nefia dia nitanisa toe-tsaina sy fihetsika takina mba hibosesehana handroso eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Avereno jerena ireo andininy ireo ary tanisao manaraka ilay lalana nataonao sary ireo toe-tsaina sy fihetsika hitanao. ChurchofJesusChrist.org

Makà fotoana hanomezana naoty ny tenanao amina maridrefy 1–5 (ka ny 1 dia ambany; ny 5 dia ambony) eo amin’ny fahatakaranao tsara sy fiezahanao miaina ireo toe-tsaina sy fihetsika ireo.

Misafidiana iray amin’ireo andian-teny tianao ho takatra na hiainana tsara kokoa. Mitadiava soratra masina na teny nindramina izay manampy amin’ny fampitomboana ny fahatakaranao. Hevero ny hampiasa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ny application Médiathèque de l’Évangile, ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na loharanom-pitaovana azo antoka hafa.

Hevero ny hamela ny mpianatra hizara ao anatina vondrona kely, na hizara tsiroaroa ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny sahanasa niarahana tamin’ny iray kilasy. Mety ho azonao heverina ny hanontany ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra sy ny fanirian’izy ireo hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo.

Azo ampifanoloina amin’izany, ny fampisehoana ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo na izy rehetra ary ny fanasana ny mpianatra hamaly izany rehefa mandalina izy ireo. Avy eo dia manasà mpianatra hizara.

Fanamarihana: Ny lesona manaraka dia hifantoka kokoa amin’ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy.

  • Inona no nianaranao momba ny toe-tsaina sy ny fihetsika nosafidinao?

  • Mety hanao ahoana raha maneho ny toe-tsaina sy fihetsika nosafidinao ny olona iray?

  • Oviana no nahatsapanao ny Ray any An-danitra nitahy anao na ny olona iray fantatrao noho ny iray amin’ireo toe-tsaina na fihetsika ireo?

Ny dianao manokana

Eritrereto ny fiainanao sy ny dianao miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra amin’izao fotoana izao. Saintsaino hoe aiza ho aiza ianao eo amin’ny faharetana hatramin’ny farany.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ny valintenin’izy ireo amin’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo amin’ilay sary nataon’izy ireo na eo akaikin’izany. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny mitondra izany mody ary mametraka izany amina toerana mety hahitan’izy ireo azy indray.

  • Inona no nianaranao androany ka manampy anao ho te hibosesika handroso mankany amin’ny Ray any An-danitra?

  • Ahoana no tianao hampiharana ny zavatra nianaranao androany? (Mety ho ohatra amin’izany ny hoe miaina tsara kokoa ny iray amin’ireo andian-teny nohalalininao.)

Vakio ity manaraka avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ka saintsaino ny zavatra nosoratanao. ChurchofJesusChrist.org

Raha atolotsika an’ Andriamanitra ny fontsika, raha tiantsika i Jesoa Kristy Tompo, raha manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hiainana ny filazantsara, dia ho tena hahafinaritra ny rahampitso, sy ireo andro rehetra hafa, amin’ny farany, na dia tsy tsapantsika ho tena mahafinaritra foana aza izany. Nahoana? Satria izay no itiavan’ny Ray any An-danitra azy! Te hitahy antsika Izy. Fiainana mitondra soa, fiainana feno, ary fiainana mandrakizay no tena tanjon’ilay drafiny feno famindrampo ho an’ny zanany! Izany dia drafitra mifototra amin’ilay fahamarinana hoe “ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.” Noho izany dia mitiava hatrany. Miezaha hatrany. Matokia hatrany. Minoa hatrany. Mivoara hatrany. Manohana anao ny lanitra androany sy rahampitso ary mandrakizay. (Jeffrey R. Holland, “Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo,” Liahona, mey 2016, 127)

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Azonao asaina hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo na ny eritreritr’izy ireo koa ny mpianatra.

Hamoaka printy