Seminera
2 Nefia 26–30: Topimaso ankapobeny


“2 Nefia 26–30: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 26–30: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 26–30

Topimaso ankapobeny

I Jesoa Kristy dia nampanantena ny hanao ny asa mahatalanjon’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany ety an-tany amin’ny andro farany, ka tafiditra ao anatin’izany ny Bokin’i Môrmôna. Nahita ny sasany amin’ireo hevi-diso sy paikady hampiasain’i Satana eo amin’ny fiezahana hampiala ny olona amin’i Jesoa Kristy i Nefia. Nohazavainy fa ny fahalalana avy amin’ny Ray any An-danitra matetika dia tonga tsikelikely rehefa vonona ny hanohy handray ny zavatra ampianariny antsika isika. Naminany ihany koa i Nefia fa amin’ny andro farany dia olona maro no handà ny Bokin’i Môrmôna satria efa manana ny Baiboly izy ireo.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety ilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Nefia 27

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana lehibe kokoa ny famerenan’ny Tompo amin’ny laoniny ny Bokin’i Môrmôna ety an-tany ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara momba ny olona iray izay nanao zava-mahatalanjona ho azy ireo na ho an’olona iray fantatr’izy ireo ny mpianatra. Ohatra, angamba mety nisy olona iray nanavotra azy ireo tamina toe-javatra mampidi-doza na nanome fanomezana miavosa ho azy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hizarazara ny mpianatra ho ao anatina salles de répartition ary hanasa azy ireo hameno ny tabilao ao amin’ny lesona miaraka amin’ny vondrona misy azy ireo.

2 Nefia 28:1–26

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahafantatra ireo tetikadin’i Satana feno hafetsifetsena sy hikatsahana ny fanampian’ny Mpamonjy mba handresena izany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hijery ny “Hiambina amim-bavaka lalandava” (15:59) manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 1:27 hatramin’ny 5:00, hitadiavana ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny biby mpihaza mampianatra momba ireo fahamarinana mikasika ireo tetikadin’i Satana. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Mandritra ny ampahany ao amin’ny lesona izay itadiavan’ny mpianatra soratra masina na fampianarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy azy ireo handresy an’i Satana, dia hevero ny hanasa azy ireo hampiasa ny rafitra ao amin’ny chat mba hampisehoana ny zavatra hitan’izy ireo. Misafidiana andinin-tsoratra masina na teny nambara vitsivitsy mba hiarahan’ny iray kilasy mamaky.

2 Nefia 28:27–32

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fomba hanambaran’ny Ray any An-danitra fahamarinana amintsika ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny 2 Nefia 28:30 ny mpianatra ary ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara ohatra iray amin’ny fomba fampianaran’ Andriamanitra antsika tsikelikely ny filazantsarany.

  • Zavatra azo tsapain-tanana: Sakafo be dia be hozaraina amin’ny mpianatra

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 28:30

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 28:30, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’izany soratra masina izany “2 Nefia 28:30: ‘Hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika’ Andriamanitra.”

  • Votoatiny haseho: Ireo rafi-tantara sy fifanakalozan-kevitra ao amin’ny fizarana hoe “Fampiharana hanazaran-tena”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa avy mangataka ny mpianatra hanazava ny hevitry ny hoe “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra“ ianao, dia hevero ny hamporisika azy ireo hampiasa ny fakan-tsarin’izy ireo mba hanehoana zavatra iray izay tsy maintsy nianaran’izy ireo andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra na tsikelikely ny nanao azy.

2 Nefia 29

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra ho vonona kokoa handray ny tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra ataon’izy ireo mba hahafahany mandray ny zavatra ampitain’ Andriamanitra.

  • Taratasy zaraina: Ilay andiam-panontaniana hozaraina amin’ny mpianatra na haseho mba hahafahany mamaly izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo

  • Zavatra azo tsapain-tanana: Kaopy tsy misy na inona na inona

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa avy manontany ny hoe “Inona avy ireo fahalalana sy fitahiana heverinao fa tian’ Andriamanitra horaisintsika amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna?” ianao, dia azonao atao ny mampitodika ny mpianatra any amin’ilay hafatry ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny ôktôbra 2017 ao anatin’ny hoe “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” (Liahona, nôv. 2017, 60–63). Hevero ny handefa ilay horonan-tsary misy ny hafany manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 5:35 hatramin’ny 8:44 mba handrenesana ohatra maneho ny fomba namalian’ny olona io fanontaniana io.

Hamoaka printy