Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 26:33: “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra”


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 26:33: ‘Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 26:33,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 26:33

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra”

Sary
vondron’olona

Tao anatin’ny fandalinanao ny 2 Nefia 26, dia nianatra ianao fa “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” (andininy 33) ary Andriamanitra dia manasa ireo zanany rehetra hanatona Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny soratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 26:33, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hery avy amin’ny fiomanana manokana. Ny Tompo dia niteny tamin’i Hyrum Smith mba “hahazo” ny teniny aloha, ary avy eo ny Fanahy dia hanome azy hery “ho fandresen-dahatra ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21). Manaova fandalinana amim-pahazotoana, mivavaha, ary manaova fisaintsainana alohan’ny hampianaranao. Izany dia afaka mamela ny Fanahy Masina hitari-dalana anao amin’ny fanomanana ny lesona sy famantarana ireo zavatra ilaina rehefa mampianatra ianao. Ny fahafahana mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy dia tonga avy amin’ny ezaka ataon’ny tena manokana sy ny fanomanana ny lesona.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’izany soratra masina izany ny mpianatra: 2 Nefia 26:33 “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.” Mety ho fomba iray azo anaovana izany ny application Maîtrise de la doctrine.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ity andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “2 Nefia 26,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 2 Nefia 26:33. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity any amina herinandro hafa dia ataovy izay hampianarana lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany koa amin’io herinandro io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Vakio ny 2 Nefia 26:33 ary avereno jerena ny fotopampianarana nianaranao tao amin’ny lesona teo aloha hoe ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.

  • Inona avy ireo toe-javatra ahafahan’ny fotopampianarana ao amin’io andininy io manampy? Hazavao hoe amin’ny fomba ahoana.

Omeo fahafahana hanao tsianjery ny toko sy ny andinin’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 2 Nefia 26:33 sy ny andian-teny manan-danja miaraka amin’izany ny mpianatra. Ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ity manaraka ity.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 26:33 hoe “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra”. Averimbereno ilay toko sy andininy ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina (tenenina mafy na atao an-tsoratra) mandra-pahavitanao tsianjery izany.

Safidy iray hafa azo atao ny fiarahan’ny antsasaky ny mpianatra milaza ilay toko sy andininy, arahin’ny antsasany hafa mamerina ny andian-teny manan-danja amin’ilay soratra masina. Avereno imbetsaka izany.

Fampiharana hanazaran-tena

Avereno jerena ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ampianarina ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Mba hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hiomanana amin’ny fampiharana hanazaran-tena manaraka, dia mamakia fehezanteny iray avy ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ho an’ny fitsipika tsirairay. Asao hamantatra ny fitsipika nasongadina ao amin’ilay fehezan-teny ny mpianatra. Hevero ny hamerimberina imbetsaka izany ao anaty fehezanteny samihafa.

Ity tantara manaraka ity, izay namboarina avy amin’ilay lahatsoratra hoe “I Will Take It in Faith (Horaisiko amim-pinoana izany)” nosoratan’i Elizabeth Maki (history.ChurchofJesusChrist.org), dia momba ny lehilahy iray izay niharan’ny famerana tsy hahazoana mihazona ny fisoronana. Mba hahafantarana momba ny ny famerana tsy hahazoana mihazona ny fisoronana, dia jereo ny sasin-tenin’ny Filazana Ôfisialy 2 any amin’ny fiafaran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Hevero ny hampiseho na hanome tahadika iray amin’ny taratasy zaraina ny “Tantaran’i George Rickford” etsy ambany.

Rehefa mamaky ny tantaran-drahalahy Rickford ianao, dia mitadiava porofo manokan’ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy tao anatin’ny dia nataony.

Tantaran’i George Rickford

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra—Fifehezana Fotopampianarana: 2 Nefia 26:33: “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra”

Tamin’ny 1969 dia nifanena tamin’ny misiôneran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i George Rickford, izay tanora iray nipetraka tany Leicester, Angleterre. Tsy nanaiky ny handray ny hafatr’izy ireo i George tamin’ny voalohany, saingy nanomboka nihaona tamin’ny misiônera ihany izy nony farany. Taorian’ny telo volana nanaovana fanadihadiana lalina, dia nifoha i George indray maraina niaraka tamin’ny faharesen-dahatra fa marina ny Fiangonana.

Efa dodona ny hizara izany fijoroana ho vavolombelona vao azony izany amin’ireo elders i George. Talohan’ny nahafahany nanao izany, dia nampahafantatra azy izy ireo fa tsy ho afaka ny handray ny fisoronana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy izy noho ny fandovany firazanana mifangaro, izay ahitana razambena taranaka afrikanina mainty.

Indray andro dia niresaka tamin’ny namana akaiky iray ny zavatra niainany niaraka tamin’ireo misiônera i George ka nanomboka nampianatra ny namany momba ny Mpaminany Joseph Smith. Nitantara izy hoe, “Raha nitantara an’izany tantara izany aho dia lasa velombelona tsotra izao, ary nisy zavatra nandrakotra ahy ka namirapiratra fotsiny aho.”

Nanamafy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i George ilay zavatra niainany saingy mbola nijanona ny ahiahiny mikasika ilay ny famerana tsy hahazoana mihazona ny fisoronana. Rehefa nivavaka mba hahazo fahatakarana bebe kokoa izy, dia tonga taminy ity hafatra ity: “Tsy mila mahatakatra ny zava-drehetra momba ny filazantsarako ianao alohan’ny hanoloranao tena amin’izany. Fa maninona ianao no tsy maneho ny finoanao amin’ny fanekena izay renao ary manolotra ny ambiny ho eo an-tanako?”

Nahazo fampiononana tamin’ilay hafatra i George ka namaly tamim-bavaka hoe: “Eny, Tompo, hataoko izany. Horaisiko amim-pinoana izany. Ary misaotra Anao, tena misaotra Anao.” Roa volana taty aoriana dia natao batisa i George ary lasa mpikamban’ny Fiangonana mahatoky.

Tamin’ny 1975, telo taona talohan’ny fanambarana mikasika ny fisoronana, i George dia naneho ny finoany Andriamanitra marina iray, ka nanoratra izy fa nekeny “tamim-pinoana, tsy nisy fepetra” ilay famerana. Nampiany izany hoe: “Feno fankasitrahana fotsiny aho fa eto an-tany indray ny fisoronan’ny Tompo, miaraka amin’ireo fitahiana sy ny fahefana ary ny andraikitra fonosin’izany. Tsy dia zava-dehibe amiko na iza na iza manana na tsy manana izany, fa ny fomba ampiasana izany no manan-danja kokoa.”

Tamin’ny 1978 i George dia naheno momba ilay fanambarana izay manolotra ny fisoronana ho an’ireo lehilahy mendrika rehetra (jereo ny Filazana Ôfisialy 2).

“Rehefa niverina tao an-trano i George dia niresaka nandritra ny alina momba ny dikan’ilay vaovao ho an’ny fianakavian’izy ireo izy sy i June [vadiny]. Tena goavana ilay fanovana. Ny ampitson’izany dia notendrena ho mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna i George Rickford. Roa volana taty aoriana dia notendrena ho Fitopololahy izy ary natao mpikambana zokiny tao amin’ny kôlejin’ny Fitopololahin’ny tsatòka. Ary roa volana taorian’izany dia nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Londres Angleterre niaraka tamin’ny zanak’izy ireo efatra i George sy i June Rickford” (“I Will Take It in Faith (Horaisiko amim-pinoana izany)”).

  • Ahoana araka ny eritreritrao no zavatra mety ho tsapan’i George rehefa naheno izy fa tsy afaka mandray ny fisoronana?

Hevero ny hamela ny mpianatra hizara ny hevitr’izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana aloha hoe: “Inona no porofo nahitanao fa nampiasa ny tsirairay tamin’reo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy rahalahy Rickford?” Raha tsy izany dia azon’ny mpianatra atao ny miasa tsiroaroa na ao anatina vondrona kely mba hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto na mba homena fitsipika iray hifantohana.

Manao asa amim-pinoana

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan-drahalahy Rickford asa tamim-pinoana? Ahoana no nanampian’izany azy?

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny foto-kevitra sy ny fanontaniana.

  • Ahoana no fomba nanampian’ny valiny nomen’ny Ray any An-danitra tamin’ny vavaka nataon-drahalahy Rickford azy hahita ny toe-javatra misy azy avy amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay? Ahoana no nanampian’izany an-drahalahy Rickford hanaraka ny Tompo?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra nanampy an-drahalahy Rickford ny Fanahy Masina?

  • Inona no loharanom-pahalalana hafa nofidin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao izay mety hanampy olona izay manana fanontaniana momba ny famerana tsy hahazoana mihazona ny fisoronana? Ahoana no mety hahafahan’ny Filazana Ôfisialy 2 sy ny 2 Nefia 26:33 manampy azy ireo?

Mba hahitana fampahalalana fanampiny hanampiana amina fanontaniana momba ny famerana tsy hahazoana mihazona ny fisoronana dia jereo ny fizarana hoe “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra” any amin’ny faran’ity lesona ity.

Mety hahasoa ny fametrahana fanontaniana fanampiny toy ireto manaraka ireto: Nahoana araka ny eritreritrao no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny 2 Nefia 26:33? Inona no zavatra nianaranao na tsapanao tamin’ny fandalinanao androany? Ahoana no ahafahanao mampihatra manokana ny ohatra nasehon-drahalahy Rickford sy io andinin-tsoratra masina io eo amin’ny fiainanao?

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany rehetra na fanasana ny mpianatra hizara ny zavatra tsapan’izy ireo sy ireo zavatra niainan’izy ireo momba ny hoe mitovy eo anatrehan’ Andriamanitra izany.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Ity sahanasa famerenana manaraka ity dia tokony hampiasaina amin’ny lesona izay hampianarina tsy ho ela aorian’ity iray ity.

Zarazarao ho ao anaty vondrona kely ny mpianatra. Asao ny mpianatra ao amin’ny vondrona tsirairay hifandimby hilaza teny na isa iray isaky ny mandeha mandra-pahavitan’ilay andian-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja iray manontolo “2 Nefia 26:33: ‘Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.’” Ohatra, ny mpianatra voalohany miteny ny hoe “Nefia”, ny mpianatra faharoa miteny ny hoe “faha-2”, dia toy izany ihany hatrany hatrany mandra-pitenin’ny mpianatra iray ilay teny hoe: “ny rehetra”. Avy eo, azon’ny mpianatra manaraka atao ny mamerina manomboka indray amin’ny alalan’ny fitenenana hoe “Nefia”.

Asao ny vondrona tsirairay hitanisa araka ny tokony ho izy imbetsaka araka izay vitan’izy ireo ny toko sy andininy ary ny andian-teny manan-danja ao anatina fotoana voafaritra.

Hamoaka printy