Seminera
Tombano ny fianaranao 2: 1 Nefia 16–2 Nefia 25


“Tombano ny fianaranao 2: 1 Nefia 16–2 Nefia 25,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 2

1 Nefia 162 Nefia 25

Sary
olona mijery ny tandindony

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ny fivoarana niainanao nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.

Mampahatsiahy ny mpianatra ireo tanjon’ny tenan’izy ireo manokana: Ao anatin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo, ny mpianatra dia mety ho nahaforona tanjona ara-panahy, ara-piarahamonina, sy ara-batana ary ara-tsaina hanampiana azy ireo ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa. Asao tsy tapaka ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ianaran’izy ireo ao amin’ny seminera manampy azy ireo hahatratra ny tanjon’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny sasany amin’ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny 1 Nefia 16 hatramin’ny 2 Nefia 25 ary ho tonga efa vonona hizara soratra masina na fahamarinana manan-danja tiana indrindra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Misaintsaina ny fianarana ny filazantsara

Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanombana (1) ireo tanjona napetrak’izy ireo, (2) ny fahafahany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, na (3) ny fiovan’ny fihetsik’izy ireo, ny fanirian’izy ireo, ary ny fahafahan’izy ireo miaina ny filazantsara. Ny fandalinan’ny iray kilasy ny 1 Nefia 16 hatramin’ny 2 Nefia 25 dia mety efa nanamafy fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao anatin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azo amboarina ny sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny lanjan’ny fisaintsainana ny fivoaran’izy ireo ara-panahy rehefa avy nandalina ny Bokin’i Môrmôna izy ireo, dia mitondrà fitaratra iray. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny maha-zavatra ilaina ny fahitan’izy ireo ny tenany (mahita ny zavatra ao aorian’izy ireo, mahita ny sarin’ny tenan’izy ireo, sy ny sisa). Avy eo dia asao izy ireo hihevitra ny lanjan’ny fieritreretana sy fanombanana ny fandalinana filazantsara ataon’izy ireo sy ny safidin’izy ireo. Hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fananana fitaratra?

  • Ahoana no ahafahan’ny fijerena ny tenantsika amina fitaratra iray hitovitovy amin’ny fieritreretana na fanombanana ny fianarantsika ny filazantsara?

Misaintsaina ny fivoarana ara-panahy

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny traikefan’izy ireo amin’ny fikatsahana sy fanaovana asa amina fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra rehefa nandalina ny Bokin’i Môrmôna izy ireo.

Saintsaino ireo bitsika sy fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina mety voarainao tamin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna. Misy fomba maro mety ho nifandraisan’ny Fanahy Masina taminao. Ohatra, mety nisarika ny sainao ny andininy sasany ary nahatsapa faniriana hanisy marika azy ireo ianao. Mety nahatsapa fiadanana na fitiavana ianao. Mety namaky ianao ary nahatsapa ho entanim-panahy hanao asa amina fomba iray na nahita valiny amin’ny fanontaniana nanananao.

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto mba hahafahan’ny mpianatra misaintsaina azy ireo amin’ny hafainganam-pandehan’izy ireo manokana. Mety hanampy ihany koa ny fanasana ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana roa na telo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no tantara na andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nanampy anao hahita ny fomba ifandraisan’ny Ray any An-danitra amin’ireo zanany?

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana tonga teo aminao tao amin’ny seminera na tao anatin’ny fandalinanao manokana tamin’ity taona ity?

  • Inona no nataonao mba hikatsahana fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra?

  • Inona no azonao atao mba hikatsahana fanambarana sy ho vonona hahafantatra fanambarana rehefa tonga izany?

  • Ahoana no fomba nandraisanao andraikitra teo anatrehan’ireo fahatsapana noraisinao?

Asao hizara ny sasany amin’ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy, araka izay mety, ny mpianatra vonona hanao izany. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mizara izany tsiroaroa na ao anatina vondrona kely.

Hazavao ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ho an’ity sahanasa manaraka ity, hevero ny hanasa ny mpianatra hiaraka hiasa amina mpiara-mianatra iray ka ny mpiara-miasa tsirairay dia misafidy iray amin’ireo lohahevitra natao soramandry ao amin’ny andiam-pehezanteny manaraka.

Sary
Nandao ny Saha Edena i Adama sy i Eva

Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera ianao ary ianao sy ny mpiara-mitory aminao dia miomana hampianatra olona iray momba ny Fahalavoana. Nanapa-kevitra ianareo fa ny iray aminareo no tokony hampianatra momba ny Fahalavoana sy ireo vokany eo amin’ny olombelona ary ny iray no tokony hampianatra momba ny fomba anampian’ny Mpamonjy antsika handresy ireo vokatry ny Fahalavoana.

Ampiasao ny soratra masina mba hanampy anao amin’ny fanazavana ilay lohahevitra nosafidinao. Mety mahasoa ny hamerenana hijery ny 2 Nefia 2:17–27; 9:6–12; 10:23–25, na ny fanamarihana fohy ao amin’ny diary fandalinanao, na ny “Chute d’Adam et Ève” ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org) mba hanampy anao hiomana hizara.

Asao hizara ny zavatra nomanin’izy ireo niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy na niaraka tamin’ny iray kilasy ny mpianatra. Na, hevero ny hanasa ny mpianatra handefa ny fanazavan’izy ireo any amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavian’izy ireo, na namana iray, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Ireo fahatsapako momba an’i Jesoa Kristy

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hamelana ny mpianatra hisaintsaina ny fahatsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Omeo fotoana hamakiana sy hisaintsainana araka ny sosokevitra ao amin’ity andiam-pehezanteny manaraka ity ny mpianatra. Azonao heverina ny hitendry moramora hira maneho fanjana ao anaty fihirana izay momba ny Mpamonjy toy ny “Merveilleux l’amour” (Cantiques, n° 193) na ny “Divin amour” (Cantiques, n° 113).

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Saintsaino ny zavatra nianaranao na nohalalininao momba ny Mpamonjy. Avereno jerena ireo toko nohalalininao toy ny 1 Nefia 19, 2 Nefia 9, ary ny 2 Nefia 25. Azonao atao ihany koa ny mitady ireo andinin-tsoratra masina nasianao marika. Mety hanampy ny hamerenana mijery ny zavatra nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao, indrindra fa ireo zavatra nampidirina ahitana ny fahatsapanao momba Azy.

  • Manorata tononkalo iray na taratasy iray halefa any amin’ny Mpamonjy, izay maneho ny zavatra tsapanao momba Azy. Hevero ny hampiasa teny na andian-teny avy ao amin’ny soratra masina na manondro andinin-tsoratra masina.

  • Manangòna lisitrana teny izay mamaritra ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy. Ampidiro ao anatin’izany ny famaritana sasany avy amin’ny soratra masina. Manakambàna teny maro izay atao miendrika rahona, na soraty amina tapa-taratasy ireo teny ary hevero ny hanantona azy ireo ao amin’ny efitranonao na any amina toerana hafa izay hahitanao azy ireo matetika.

  • Makà zavatra izay manampy anao haneho ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy.

Raha misy ny fotoana, dia avelao hizara ny zavatra noforoniny ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo maneho ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy. Hevero ihany koa ny hanasa ny mpianatra hizara ny famoronana nataon’izy ireo amin’ny fianakavian’izy ireo na amin’ny hafa. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fankasitrahanao ny Mpamonjy.

Hamoaka printy