Seminera
2 Nefia 21–24: Ny Arivotaona


“2 Nefia 21–24: Ny Arivotaona,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 21–24,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 21–24

Ny Arivotaona

Sary
liona iray sy ondry iray

Alaivo sary an-tsaina hoe hanao ahoana ny fiainana raha tsy nisy ratsy teto amin’izao tontolo izao. Indray andro any dia ho toy izany izao tontolo izao. Hitranga mandritra ny fanjakan’i Jesoa Kristy mandritra ny arivo taona izany. Mpaminany maro, anisan’izany i Nefia sy i Isaia, no naminany momba ny 1000 taona feno fiadanana antsoina hoe Arivotaona. Afaka manampy anao hahatakatra sy hiomana amin’ny fanjakana arivo taonan’i Jesoa Kristy ity lesona ity.

Mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa misafidy ireo fahamarinana na fitsipika hanampiana ny mpianatra mba ho hitany, dia tadiavo izay hanampy azy ireo hanatona an’i Jesoa Kristy. Ny Fanahy Masina dia afaka manampy anao sy ny mpianatra hamantatra ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy sy ny hery manavotra ananany ao amin’ny fitsipika tsirairay, ny didy tsirairay ary ny fampianarana ara-paminaniana tsirairay.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina izay zavatra fantatr’izy ireo momba ny Arivotaona ary ho tonga efa vonona hametraka ireo fanontaniana mety hananan’izy ireo momba izany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny hoavy

Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe na mifanakalo hevitra mikasika izany ao anatina vondrona kely.

  • Inona ireo zavatra manan-danja sasantsasany izay hitranga amin’ny ho avy andrandrainao? Nahoana?

  • Inona no zavatra tsapanao rehefa mieritreritra momba ireo zavatra hitranga ireo ianao?

  • Inona no ataonao mba hiomanana?

Ny Arivotaona

Zavatra hitranga iray manan-danja amin’ny ho avy ny Arivotaona.

Henoy tsara ny fomba hamalian’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto. Hevero ny hanao lisitra ny fanontanian’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Mba tsy hamaliana azy ireo mivantana, dia aleo mamporisika ny mpianatra hitady valiny rehefa mandalina izy ireo.

Ampifanaraho amin’ireo valinteny omen’izy ireo ny lesona. Ohatra, raha manana fanontaniana mitovy ny mpianatra maro, dia azon’ny iray kilasy atao ny miaraka mitady valiny. Ireo mpianatra manana fanontaniana mitovitovy dia azo apetraka ao anatina vondrona mba hiaraka hitady valiny.

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Arivotaona? Inona avy no fanontaniana anananao momba izany?

I Nefia mpaminany dia nanoratra momba ny andro farany ary nampiditra ny maro tamin’ireo faminanian’i Isaia momba ny andro farany. I Isaia dia naminany momba ny fandravana an’i Asyria sy i Babylona ho toy ny karazana fandravana amin’ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny 2 Nefia 2023). Naminany momba ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny izay hialoha lalana ny fanjakana arivo taonan’i Jesoa Kristy ihany koa izy. Ireo faminaniany dia feno tandindona sy fanoharana izay manampy lalindalina kokoa ny fahatakarantsika ny Arivotaona.

Vakio ireto faminaniana avy amin’i Nefia sy i Isaia manaraka ireto ary mitadiava famaritana ny Arivotaona.

Hevero ny hametraka taratasy misy ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto manerana ny efitrano ary ny hanasa ny mpianatra handehandeha hamaky ireo andinin-tsoratra masina samihafa. Safidy iray hafa azo atao ny manasa ny mpianatra hanao ny sarin’ny sasany amin’ireo famaritana ao amin’ireo andininy ireo ao amin’ny diary fandalinana iray na eny amin’ny solaitrabe.

Ampio araka izay ilaina hahatakatra ireo soratra masina ny mpianatra. Ohatra, azonao asongadina fa ny biby miara-mitoetra izay tsy miady dia maneho fandriampahalemana (jereo ny 2 Nefia 21:6–7) na ireo rano mandrakotra ny ranomasina dia maneho ny fahalalan’ny Tompo mandrakotra ny tany (jereo ny 2 Nefia 21:9).

  • Raha avy amin’ireo famaritana ireo dia ahoana araka ny hevitrao no haha-hafa ny fiainanao amin’ny Arivotaona?

  • Inona avy no famaritana momba ny Mpamonjy hitanao? Inona no ampianarin’izany anao momba Azy?

Iray amin’ireo fahamarinana ianarantsika avy amin’ireo soratra masina ireo ny hoe i Jesoa Kristy dia hanjaka eto an-tany ao anatin’ny fahamarinana sy fiadanana mandritra ny Arivotaona.

Alaivo sary ao an-tsainao hoe hanao ahoana izany hiaina mandritra ny Arivotaona izany, rehefa manjaka ao anatin’ny fahamarinana sy fiadanana ny Mpamonjy. Diniho ny fomba ahafahan’ny fiadanan’ny Mpamonjy mitahy ny fiainanao.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia namaritra fitahiana iray hafan’ny Arivotaona:

Manakantsakana ny zavatra tsara tokony hitranga sy manemotra ny fahatanterahan’ireo fitahiana nampanantenaina ny maha-tokan-tena, ny tsy fananan-janaka, ny fahafatesana, ary ny fisaraham-panambadiana. … Ny Tompo dia nampanantena fa any amin’ny mandrakizay dia tsy hisy fitahiana tsy homena ireo zanakalahy sy zanakavavy izay nitandrina ny didy, izay tsy nivadika tamin’ny fanekempihavanany, ary naniry ny hanao ny marina.

Maro amin’ireo zavatra tena manan-danja tsy afaka notanterahina teto amin’ny fiainana an-tany no hamboarina amin’ny Arivotaona, izay fotoan’ny fahatontosan’ny zava-drehetra tsy tò tao amin’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana ho an’ny zanaky ny Ray any an-danitra mendrika rehetra. Fantatsika fa marina izany raha ireo ôrdônansin’ny tempoly no lazaina. Inoako ihany koa fa ho marina izany eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana sy ireo zavatra iainan’ny fianakaviana. (Filoha Dallin H. Oaks, “The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1993, 75)

  • Inona no ampianarin’io teny nambara io anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona amin’ireo fitahian’ny Arivotaona no tena irinao indrindra? Nahoana?

  • Inona no valiny hitanao tamin’ireo fanontanianao momba ny Arivotaona nandritra ny lesona?

Raha toa ka mbola mitady valiny amin’ireo fanontanian’izy ireo ny mpianatra, dia tariho ho any amin’izay mety hahitan’izy ireo valiny izy ireo. Mety hanampy ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:11; 88:110; 101:26–34; Fanekem-pinoana 1:10. Jereo ihany koa ny “Arivotaona” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Fiomanana ho amin’ny Arivotaona

Sary
Tempolin’i Salt Lake eo am-pandalovana fanamboarana.

Tamin’ny 2020 dia nanomboka ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake. Niresaka momba ireo fanavaozana ireo ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tadiavo ny fomba nampitahany izany tamin’ny fiainantsika. Jereo ny horonan-tsary hoe “Fanorenana tsara hanoherana ny fotoana ho avy,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 14:51 hatramin’ny 15:26, na vakio ny fanambarana eo ambany.

Tena fanantenan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ny hoe ireo fanavaozana lehibe hatao amin’ny Tempolin’i Salt Lake dia hanatanteraka ilay fanirian’i Brigham Young “hahita ny tempoly hatsangana amin’ny fomba izay haharetany hatramin’ny arivotaona.” Mandritra ireo taona ho avy dia enga anie ka handrisika sy hanentana antsika, isam-batan’olona na fianakaviana, ireo fanatsarana hatao amin’ny Tempolin’i Salt Lake, ka hahatonga antsika ihany koa, raha atao an’ohatra, “hatsangana amin’ny fomba izay haharitra hatramin’ny arivotaona.” (Gary E. Stevenson, “Fanorenana tsara hanoherana ny fotoana ho avy,” Liahona, mey 2020, 51–52)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “hatsangana amin’ny fomba izay haharitra hatramin’ny arivotaona”?

Hevero ny hitodika indray any amin’ireo zavatra hitranga amin’ny ho avy izay andrandrain’ny mpianatra sy hifanakalo hevitra momba ny zavatra ataon’izy ireo mba hiomanana amin’izany. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ny fomba hiomanana amin’ny Arivotaona.

Mety hahazo tombony amin’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany ny mpianatra.

  • Rehefa mieritreritra momba ny fanjakana arivo taonan’ny Mpamonjy ianao dia inona no tsapanao?

  • Inona no azonao atao izao mba hiomanana amin’ny Arivotaona?

  • Inona no olana mety hatrehinao rehefa manao ireo fiomanana ireo ianao?

Hamoaka printy