Seminera
2 Nefia 20–25: Topimaso ankapobeny


“2 Nefia 20–25: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 20–25: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 20–25

Topimaso ankapobeny

Mpaminany maro, anisan’izany i Nefia sy i Isaia, no naminany momba ny 1000 taonan’ny fiadanana antsoina hoe Arivotaona, ilay fanjakana arivo taonan’i Jesoa Kristy. Rehefa avy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ireo fampianarana ara-paminaniana i Nefia, dia nijoro ho vavolombelona izy fa i Jesoa Kristy irery ihany no manana ny hery hamonjena ny olona rehetra. Ao amin’ny 2 Nefia 26, dia nanazava momba ny fomba fijerin’ Andriamanitra izy, nanazava fa “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” (andininy 33).

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety ilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Nefia 21–24

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra sy hiomana amin’ny fanjakana arivo taonan’ny Mpamonjy ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina izay zavatra fantatr’izy ireo momba ny Arivotaona ary ho tonga efa vonona hametraka ireo fanontaniana mety hananan’izy ireo momba izany.

  • Votoatiny haseho: Sarin’ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake; Ny lisitr’ireo soratra masina aseho eny amin’ny solaitrabe na amina taratasy manodidina ny efitrano

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ireo endri-javatra ao amin’ny chat mba handefasana ireo fanontanian’izy ireo momba ny Arivotaona. Azo atao ihany koa ny mizara azy ireo ho vondrona araka ireo fanontaniana ananan’izy ireo ary mampiditra azy ireo any amin’ireo salles de répartition mba hitady ny valiny.

2 Nefia 25

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny famonjena azy ireo amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana efa vonona hiresaka mombana hafatra iray momba an’i Jesoa Kristy izay nisy fiantraikany teo amin’izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hampiasa solaitrabe fotsy iray na fitaovam-piasana mitovitovy amin’izany rehefa asaina hizara fanontaniana momba ny 2 Nefia 25:23 ny mpianatra. Azonao atao ny manao capture d’écran ny solaitrabe fotsy feno ary mandefa izany any amin’ny mpianatra hojereny rehefa mitady valiny izy ireo.

Tombano ny fianaranao 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tombantombana ny fivoarana tsapan’izy ireo nandritra ny fianarana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny sasany amin’ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny 1 Nefia 16 hatramin’ny 2 Nefia 25 ary ho tonga efa vonona hizara ireo soratra masina tiana indrindra na ireo fahamarinana manan-danja.

  • Zavatra azo tsapain-tanana: Fitaratra iray

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa manazava momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ny mpianatra, dia hevero ny hitarika filalaovana tantara iray an-tsehatra ka hilalao ny anjaran’ny naman’ny Fiangonana ianao ary misy mpianatra roa hilalao ny anjaran’ireo misiônera mampianatra. Amin’ny maha-mpanao fanadihadiana anao, dia mametraha fanontaniana izay afaka mamela azy ireo hanazava misimisy kokoa ny lohahevitra zarain’izy ireo.

2 Nefia 26

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hijery sy hitia ary hitondra ny hafa toy ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanontany ny ray aman-dreniny na namana itokiana iray momba ny fomba fiezahan’izy ireo mba hijery ny hafa tahaka ny ataon’ny Mpamonjy.

  • Votoatiny haseho: Solomaso isan-karazany (na sarin’izany)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa mandalina ny 2 Nefia 26:12–13, 23–33 ny mpianatra, dia hevero ny hamela azy ireo hiasa tsirairay ao anatin’ny fotoana fohy. Avy eo dia avereno miaraka izy ireo ary asao hanao tatitra momba ny zavatra hitan’izy ireo ka na manao izany tsiroaroa na ao anatina vondrona kely izy ireo. Ireo fanontaniana fanaraha-maso fanampiny izay aroso ao amin’ny lesona dia azo aseho mba hahafahan’ny mpianatra misafidy izay hovalina.

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 26:33

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 2•Nefia 26:33 sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’izany soratra masina izany ny mpianatra: 2 Nefia 26:33 “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.” Mety ho fomba iray azo anaovana izany ny application Maîtrise de la doctrine.

  • Taratasy zaraina: “Tantaran’i George Rickford”

Hamoaka printy