Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 4


“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 4,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 4,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 4

Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna

Mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ao anatiny mba hanampiana antsika ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra ny fotopampianarana ampianarina amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Mamporisika ny mpianatra hampihatra ny fiainana ny filazantsara. Rehefa mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro ny mpianatra, dia azo inoana kokoa ny hananan’izy ireo fitomboana maharitra sy ara-panahy lalina. Mizarà ohatra maneho ny fomba nampiharanao fahamarinana ara-pilazantsara sy ireo fitahiana vokatr’izany. Asao tsy tapaka hampihatra fahamarinana eo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hiomana hizara andinin-tsoratra masina iray tena tian’izy ireo ary hilaza ny antony mahatonga izany ho iray amin’ireo tian’izy ireo indrindra. Azonao atao ny mangataka azy ireo hampiditra ny fomba fiantefan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety hanampy ny mangataka mpianatra vitsivitsy ho tonga efa vonona hizara.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mety ho tokony hampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandrindrana ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Manova zavatra ve izany?

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina tianao indrindra. Avy eo dia apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Misy andinin-tsoratra masina tena tianao indrindra ve? Nahoana no lasa tianao indrindra izany?

Matetika ireo andinin-tsoratra masina manan-danja indrindra amintsika dia ireo izay miantefa amin’ny fiainantsika manokana. Ohatra, izy ireny dia afaka mamaly fanontaniana sarotra, mitondra fiadanana ho antsika ao anatina fotoan-tsarotra, na manampy amin’ny fananganana ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity ChurchofJesusChrist.org

Afaka mitodika any amin’ny soratra masina isika. Ny soratra masina dia mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ny halehiben’ny Sorompanavotany, ary ny drafitra lehiben’ny fahasambarana sy ny fanavotan’ny Raintsika. Ny filomanosana isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ho an’ny fiavotana ara-panahy, indrindra fa ao anatin’izao andro isian’ny fiovana sarotra tsy mitsaha-mitombo izao. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana. (President Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89)

  • Inona no nisarika ny sainao tao amin’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson?

Toko sy andininy ary andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Ny hoe mampihatra ny soratra masina dia midika hoe mahafantatra ny andinin-tsoratra masina izay mifanaraka amin’ny filantsika, ary avy eo dia mandray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra ampianarin’ireny andininy ireny antsika. Mba hanampiana anao hahatakatra io dingana io, dia vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto:

Hevero ny hametraka ny mpianatra ho ao anatina vondrona kely toy izay hampiasa ireto rafi-tantara manaraka ireto. Angataho hanoratra olana na fanamby roa hatramin’ny telo iraisan’ny zatovo amina taratasy izy ireo. Avy eo dia asao hanakalo ny taratasin’izy ireo amin’ny vondrona hafa ny mpianatra.

  • Misy fanapahan-kevitra sarotra horaisin’i Guillermo ary matahotra ny mety hanaovany safidy diso izy.

  • Sahirana mafy amin’ny fitandremana didy iray izy.

Vakio ireto toko sy andininy ary andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto. Tadiavo ireo heverinao fa afaka miantefa amin’i Guillermo na i Maggie. Raha heverinao fa misy andinin-tsoratra masina iray afaka manampy, dia ataovy izay hamakiana ilay andininy iray manontolo fa tsy ny andian-teny manan-danja voatanisa etsy ambany ihany.

Raha mifanakalo taratasy amina vondrona hafa ny mpianatra, dia azon’izy ireo karohina ny ao anatin’ity tabilao manaraka ity mba hahitana andinin-tsoratra masina izay hanampy olona iray miatrika ny olana na fanamby azon’izy ireo. Hevero ny hampiseho ilay tabilao rehefa miasa amin’ity sahanasa ity ny mpianatra.

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Ahoana no ahafahan’ny soratra masina manampy?

Raha nifanakalo taratasy ny mpianatra, dia aleo asaina mizara ireo andinin-tsoratra masina hitan’izy ireo avy tamin’ny vondrona nifanakalozany taratasy izy ireo, toy izay hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana afaka manampy an’i Guillermo na i Maggie? Nahoana?

  • Inona no mety ho azon’i Guillermo sy i Maggie atao noho ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo?

Rehefa mizara ny mpianatra, dia hamafiso fa tsy valiny iray ihany no marina; soratra masina maro no afaka manampy amin’ny fomba samihafa.

Mampihatra soratra masina eo amin’ny fiainantsika

Saintsaino hoe inona ireo zavatra ilainao na olana anananao. Angamba mila fanampiana amin’ny fianarana, fifandraisana amin’ny ray aman-dreninao na ny iray tampo aminao mihatsara, finoana bebe kokoa an’i Kristy mba hibebahana, na faharetana ianao. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ireo zava-tsarotra na olana atrehanao. Ezaho ampidirina ny zavatra rehetra tonga ao an-tsaina.

Misafidiana iray amin’ireo zavatra ilainao na olana anananao izay nosoratanao.

Vakio ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina fifehezana fotopampianarana ary tadiavo ireo izay mety hisahana ireo zavatra ilainao, na ireo zava-tsarotra atrehanao, na olana atrehanao. Mety hanampy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maro. Katsaho ny fitarihan’ny Ray any An-danitra rehefa mandalina ianao.

Ireto torolalana na teny nambara mitovitovy manaraka ireto dia mety hanampy ny mpianatra. Azonao atao ny manoratra ny torolalana eny amin’ny solaitrabe mba hahafahan’ny mpianatra maka izay azon’izy ireo ampiasaina.

  • Inona no andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana nosafidinao?

    1. Ity andininy ity dia afaka manampy ahy amin’ireo olana atrehako amin’ny alalan’ny …

    2. Ity andininy ity dia manampy ahy hahatakatra sy hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny …

    3. Mino aho fa ny fiainana ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo dia afaka mitondra fahasambarana ho ahy satria …

Farano amin’ny alalan’ny fisaorana ny mpianatra noho ny resaka nataon’izy ireo, indrindra fa ireo izay nizara ireo andininy izay manan-danja amin’izy ireo tany am-piantombohan’ny fotoam-pianarana.

Hamoaka printy