Seminera
2 Nefia 11–19: Topimaso ankapobeny


“2 Nefia 11–19: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 11–19: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 11–19

Topimaso ankapobeny

Tena tian’i Nefia ny fijoroana ho vavolombelon’i Jakôba rahalahiny sy i Isaia mpaminany ka noraketiny an-tsoratra niaraka tamin’ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izany. Nilaza momba an’i Isaia toy izao izy: “Ny fanahiko dia finaritra amin’ny teniny” (2 Nefia 11:2). Nampiasa teny an’ohatra i Isaia mba hamaritana ny hery sy ny fahamasinan’ny Tompo. Naminany momba ny Mpamonjy ihany koa izy, nitanisa ny maro tamin’ireo anarana iantsoana Azy sy ny toetrany.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Nefia 11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpianatra momba ny maha tena misy an’i Jesoa Kristy.

2 Nefia 12–15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ireo faminaniana an’ohatra nataon’i Isaia sy hisaintsaina ny fomba ahafahan’ireo faminaniana ireo manampy azy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Ampahafantaro ny mpianatra fa i Nefia dia nanoratra toko maro tamin’ny faminanian’i Isaia ho ao amin’ny rakitsoratra nataony manokana ary i Isaia dia nampiasa fanehoana an’ohatra be dia be. Vakio ny 2 Nefia 12:1–3 na ny 2 Nefia 14:5–6 ary saintsaino ny mety ho hevitr’ireo andininy ireo.

  • Votoatiny haseho: Eo amin’ny ilan’ny solaitrabe, sarina tendrombohitra iray, asiana andinin-tsoratra masina hoe 2 Nefia 12:1–3; eo amin’ny ilany hafa amin’ny solaitrabe, sarina rahona sy andry afo, asiana andinin-tsoratra masina hoe 2 Nefia 14:5–6

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa mandinika ny fanehoana an’ohatry ny tendrombohitra, ny rahona ary ny andry afo ny mpianatra, dia azonao na ny mpianatra iray atao ny maneho ireny sariohatra ireny amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana solaitrabe fotsy. Rehefa mifanakalo hevitra amin’ny hevitr’ireo sariohatra ireo ny mpianatra, dia azo atao ny mampiditra fanamarihana eo akaikin’ny sary fanehoana.

2 Nefia 16

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny fahafahan’ny Tompo mamela sy manadio azy ireo ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra tian’ny Andriamanitra be fitiavana iray ho takatsika rehefa mahatsapa isika fa tsy dia tsara loatra?

  • Sary haseho: Sary maro misy ny Mpamonjy niseho tamin’olona teto an-tany

2 Nefia 17–19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hatoky an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny toetrany sy ny anarana iantsoana Azy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra amin’ny fandalinan’izy ireo isan’andro mba hitady izay mety ho anarana iantsoana ny Mpamonjy ary hisaintsaina izay mety ho dikan’ireo anarana iantsoana ireo sy ny fomba mety hanampian’izany azy ireo hatoky sy hitia kokoa ny Mpamonjy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitr’ireo toko ireo, dia hevero ny hanasa ny sasany amin’izy ireo hisolo tena an’i Ahaza mpanjakan’i Joda; ny zanakalahiny, i Hezekia mpanjaka; i Rezina mpanjakan’i Syria; i Peka mpanjakan’i Isiraely; ary ny mpanjakan’i Asyria. Azon’ny mpianatra atao ny manomana karatra fasiana anarana alohan’ny fotoam-pianarana na manova vonjimaika ny anarana eo amin’ny profile azy ireo ho ilay olona soloin’izy ireo tena. Hevero ny hanasa ilay mpianatra misolo tena an’i Ahaza mpanjaka hamaky ny tenin’ny Tompo aminy ao amin’ny 2 Nefia 17:3–4, 7 ary ilay mpianatra maneho an’i Hezekia hamaky ny 2 Nefia 18:11–13, 17.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampihatra ny fotopampianarana ampianarina amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hiomana hizara andinin-tsoratra masina iray tena tiany ary hilaza ny antony mahatonga izany ho iray amin’ireo tian’izy ireo indrindra. Azonao atao ny mangataka azy ireo hampiditra ny fomba iharan’izany amin’ny fiainan’izy ireo. Mety hanampy ny mangataka mpianatra vitsivitsy ho tonga efa vonona hizara.

  • Taratasy zaraina: Ny tabilaon’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Hamoaka printy