Seminera
2 Nefia 11: Vavolombelon’i Kristy


“2 Nefia 11: Vavolombelon’i Kristy,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 11,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 11

Vavolombelon’i Kristy

Sary
Jesoa Kristy amin’ny maha-mpiandry ondry Azy

Iza no tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ireo vavolombelon’i Jesoa Kristy? Tena tian’i Nefia ny fijoroana ho vavolombelon’i Jakôba rahalahiny sy i Isaia mpaminany ka noraketiny an-tsoratra niaraka tamin’ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izany. Afaka manampy amin’ny fanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha tena misy an’i Jesoa Kristy ity lesona ity.

Manasa ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mahafantatra sy tia an’i Jesoa Kristy ny mpianatra dia asao izy ireo mba hizara ny fahatsapan’izy ireo momba Azy. Amin’ny alalan’ny fanaovan’izy ireo izany, dia manasa ny Fanahy hijoro ho vavolombelona izy ireo fa marina ny zavatra nolazain’izy ireo. Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanasongadina fa “tsy azo fehezina ny Fanahy rehefa misy olona manao fijoroana ho vavolombelona madio momba an’i Kristy” (“Pure Testimony,” Liahona, nôv. 2004, 41).

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanontany namana iray na olona iray akaiky azy ireo hizara ny fomba nahazoan’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny maha zava-dehibe ny vavolombelona

Hevero ny hampiasa ity rafi-tantara tsotra manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahita ny maha zava-dehibe ny vavolombelona. Mba hampitomboana ny fahalianan’izy ireo, dia azonao atao ny mampiditra antsipiriany ao amin’ilay rafi-tantara. Ohatra, mety hisy namana iray te hahalala hoe taiza ireo mpianatra. Na mety nisy heloka bevava nataon’olona tamin’ilay fotoana ka mila manaporofo ny mpianatra fa tany amin’ny toeran-kafa izy ireo fa tsy tany amin’ilay nisehoan’izany.

Safidy iray hafa ny manontany fotsiny ny mpianatra raha efa nisy fotoana nianteheran’izy ireo tamina vavolombelona hilaza fa marina ny zavatra nolazain’izy ireo.

Alaivo sary an-tsaina hoe mila manazava ianao hoe taiza omaly tamin’ny 6:00 hatramin’ny 7:00 hariva.

  • Ahoana no ahafahanao manamarina ny zavatra nataonao tamin’izany fotoana izany?

  • Misy vavolombelona ve afaka manamarina hoe taiza ianao?

  • Nahoana no zava-dehibe ny vavolombelona rehefa mitady ny marina isika?

Vakio ny 2 Nefia 11:2–3, hitadiavana ireo vavolombelona noresahin’i Nefia sy ny traikefa nananan’izy ireo.

Asao hizara ny zavatra hitan’izy ireo sy ny eritreritr’izy ireo momba izany ny mpianatra. Raha ilaina, dia hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no vavolombelona mahery vaika ireo olona telo ireo?

  • Inona no tianao hianarana avy amin’izy ireo?

  • Inona avy no fahamarinana ianaranao momba an’ Andriamanitra ao amin’ny andininy 3?

Rehefa mamaly ny mpianatra, dia hevero ny hanoratra ity fehezan-teny tapany ity eny amin’ny solaitrabe: Nandefa vavolombelona ny Ray any An-danitra mba … Azonao atao ny mameno ilay fehezan-teny amin’ny zavatra lazain’ny mpianatra.

Vakio ny 2 Nefia 11:4, 6, hitadiavana ny zavatra manokana tian’i Nefia ho fantatry ny olony.

Raha tsy efa nofenoin’ny mpianatra tamina zavatra mitovitovy amin’ny fitsipika eo ambany ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe, dia hevero ny hampidirana izany.

Iray amin’ireo fahamarinana ianarantsika avy amin’ny 2 Nefia 11 ny hoe Nandefa vavolombelona mba hijoro ho vavolombelona momba ny maha misy marina ny Zanany Lahy ny Ray any An-danitra.

  • Nahoana araka ny hevitrao no nampiasa vavolombelona hijoro ho vavolombelona momba ny Zanany Lahy ny Ray any An-danitra?

Makà fotoana hisaintsainana ny finoanao sy fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Mieritrereta vavolombelon’ny Mpamonjy aryeritrereto ny fomba fiantraikan’ny fisian’izy ireo eo aminao sy ny finoanao momba Azy. Rehefa manohy ity lesona ity ianao, dia mitadiava fomba ahafahan’ny vavolombelona manampy sy manatanjaka anao eo amin’ny fiainanao.

Talohan’ny 2 Nefia 11, i Nefia dia nampiditra ireo fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jakôba zandriny lahy. Taorian’ny 2 Nefia 11, i Nefia dia nampiditra ireo fampianarana sy fijoroana ho vavolombelon’i Isaia mpaminany. Azonao atao ny manoratra hoe “Ny 2 Nefia 9–10 dia fijoroana ho vavolombelon’i Jakôba” eo akaikin’ny anaran’i Jakôba ao amin’ny andininy 3 sy hoe “ny 2 Nefia 12–24 dia fijoroana ho vavolombelon’i Isaia” eo akaikin’ny anaran’i Isaia ao amin’ny andininy 2.

Vavolombelon’i Jesoa Kristy

Sary
Ireo apôstôly manodidina ny Christus any Roma

Afaka manampy anao hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy ity lesona ity. Na efa fantatrao fa velona Izy na mbola manontany tena ianao raha tena misy marina Izy, dia afaka manampy anao ho tonga amin’ny fahalalana Azy tsara kokoa amin’ny alalan’ireo vavolombelon’ Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny halalin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy amin’izao fotoana izao dia tsy manan-danja tahaka ny fanirianao hahalala Azy tsara kokoa izay mandroso hatrany.

Ho an’ity soso-kevitra enti-mandalina manaraka ity dia hevero ny hametraka tsitelotelo ny mpianatra ka ny mpianatra tsirairay dia handinika vavolombelona iray hafa. Rehefa avy nahazo fotoana ampy tsara ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo niaraka tamin’ny vondrona nisy azy avy.

  1. Jakôba—Mitadiava fampianarana na fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy izay manan-danja aminao nozarain’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9–10. (Ny andininy mety ho hitanao dia ny 2 Nefia 9:10–12, 20–23, 41; 10:25.)

  2. Isaia—Mitadiava fampianarana na fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy izay manan-danja aminao nozarain’i Isaia ao amin’ny 2 Nefia 12–24. (Ny andininy mety ho hitanao dia ny 2 Nefia 16:1–3; 17:14; 19:6–7; 22:2; 24:3.)

  3. Nefia—Mitadiava fampianarana na fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy izay manan-danja aminao tamin’ny zavatra nosoratan’i Nefia manokana. (Ny andininy mety ho hitanao dia ny 1 Nefia 11:31–33; 19:8–10; 2 Nefia 4:18–21; 25:26, 29.

Vavolombelona maoderin’i Kristy

Tsarovy fa i Nefia dia nijoro ho vavolombelona fa “nandefa vavolombelona misimisy Andriamanitra” (2 Nefia 11:3). Ny sasany amin’ireo vavolombelona ireo dia ireo Apôstôlin’ny andro farany. Jereo ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny roa farafahakeliny amin’ireto vavolombelona maoderin’i Jesoa Kristy manaraka ireto. Henoy tsara ireo fahatsapana sy eritreritra mety horaisinareo avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mijery ianareo. Ny horonan-tsary feno dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hevero ny hamela ny mpianatra hisafidy izay horonan-tsary tian’izy ireo hojerena raha tsy misy fotoana ho an’izy dimy. Azonao atao ny manome fotoana azy ireo eo anelanelan’ny horonan-tsary tsirairay mba hiraketany an-tsoratra ny zavatra nianarany na tsapany momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Témoins spéciaux du Christ : Russell M. Nelson, président de l’Église” (jereo manomboka amin’ny mari-potoana 4:32 hatramin’ny 5:47)

Témoins spéciaux du Christ - Président M. Russell Ballard” (jereo manomboka amin’ny mari-potoana 2:22 hatramin’ny 3:45)

Témoins spéciaux du Christ - Elder Quentin L. Cook” (jereo manomboka amin’ny mari-potoana 3:53 hatramin’ny 4:57)

Témoins spéciaux du Christ - Elder Neil L. Andersen” (jereo manomboka amin’ny mari-potoana 4:20 hatramin’ny 5:24)

Témoins spéciaux du Christ - Elder D. Todd Christofferson” (jereo manomboka amin’ny mari-potoana 4:30 hatramin’ny 5:51)

Ny tenivavolombelonao momba an’i Jesoa Kristy

Mariho fa i Nefia dia nisafidy mpaminany iray noderainy (i Isaia), olona iray fantany manokana (i Jakoba rahalahiny), ary ny fijoroan’ny tenany manokana ho vavolombelona mba ho vavolombelona telo hanamarina ny maha tena misy marina an’i Jesoa Kristy.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo momba ity fanazaran-tena ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Mety hanampy ny hampisehoana ireto teboka manaraka ireto eo am-panoratan’ny mpianatra. Alohan’ny hanombohana dia hevero ny hampahatsiahy azy ireo ny zavatra nianaran’izy ireo nandritra ny fanomanana ny mpianatra.

  • Raketo an-tsoratra ny fampianarana iray momba ny Mpamonjy izay manan-danja aminao avy amin’i Nefia, na i Jakôba, na i Isaia na mpaminany maoderina iray.

  • Raketo an-tsoratra ny anaran’ny olona iray fantatrao manokana izay raisinao ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Ampidiro amin’izany ny zavatra nianaranao avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo. (Azonao atao ny miresaka na mandefa hafatra an-tsoratra amin’izany olona izany mba hanontaniana ny fomba nahazoany ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Kristy.)

  • Raketo an-tsoratra ny fahatsapanao momba ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Izany dia mety hahitana ireo zavatra niainanao na zavatra nianaranao momba Azy. Na mety azonao atao ny misafidy ny hirakitra an-tsoratra ny fanirianao hahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra anananao fahavononana hatao mba hampitomboana izany fijoroana ho vavolombelona izany.

Manasà mpianatra manolo-tena maromaro hizara ny ampahany amin’ny zavatra nosoratany.

Hevero ny hihira na hihaino hira ao anaty fihirana momba an’i Jesoa Kristy mba hamaranana ny fotoam-pianarana.

Hamoaka printy