Seminera
2 Nefia 12–15: “Ny zavatra hitranga amin’ny andro farany”


“2 Nefia 12–15: ‘Ny zavatra hitranga amin’ny andro farany,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 12–15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 12–15

“Ny zavatra hitranga amin’ny andro farany”

Sary
tendrombohitra sy andry afo

Efa hitanao ve fa ny mpaminany sasany dia miteny sy mampianatra ary manoratra amina fomba mahakasika ny fanahinao? Ho an’i Nefia dia i Isaia izany. “Fa ny fanahiko dia finaritra amin’ny teniny,” hoy ny nosoratan’i Nefia (2 Nefia 11:2) Mety ho finaritra amin’ny zavatra nambaran’ny Tompo momba ny andro farany tamin’ny alalan’i Isaia ihany koa ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ireo faminaniana an’ohatra nataon’i Isaia sy hisaintsaina ny fomba ahafahan’izany manampy anao eo amin’ny fiainanao.

Fahatakarana ny fanoharana. Ny sariohatra ao amin’ny filazantsara dia mety ho zavatra, na tranga, na zavatra atao na fampianarana izay maneho fahamarinana ara-panahy. Ny sariohatra dia manampy antsika hahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampifantohana ny saintsika amin’ireo fahamarinana momba ny drafitry ny famonjena sy ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany Lahy. Afaka mianatra sy mahatakatra ny hevitr’ireo sariohatra amin’ny alalan’ny fandalinana ataontsika sy ny herin’ny Fanahy Masina isika.

Fanomanana ny mpianatra: Ampahafantaro ny mpianatra fa i Nefia dia nanoratra toko maro tamin’ny faminanian’i Isaia ho ao amin’ny rakitsoratra nataony manokana ary i Isaia dia nampiasa fanehoana an’ohatra maro be. Avy eo dia asao hamaky ny 2 Nefia 12:1–3 na ny 2 Nefia 14:5–6 ny mpianatra ary hisaintsaina izay mety ho hevitr’ireo andininy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny tsara indrindra sy ny ratsy indrindra

Manasà mpianatra maromaro hizara ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanambarana manaraka ireto:

  • Ny zavatra tsara indrindra mahakasika ny hoe miaina ao anatin’nyy andro farany dia

  • Ny zavatra ratsy indrindra mahakasika ny hoe miaina ao anatin’ny andro farany dia

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto. Hiverina amin’ireo fanontaniana ireo indray ianao any amin’ny fiafaran’ny lesona.

  • Inona no antony mety hanambaran’ny Tompo fitahiana sy fampitandremana momba ny andro farany amintsika?

  • Inona ny zavatra ampianarin’izany anao momba Azy?

  • Ahoana no mety hanampian’ny fahalalana ireo zavatra ireo anao?

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamaly ireo fanontaniana ireo mandritra ny lesona.

Ireo olana amin’izao androntsika izao

I Isaia dia nampitandrina antsika amina fitondrantena sy fisainana amin’ny andro farany. Vakio ireto andian’andininy manaraka ireto, hitadiavana ny zavatra naminanian’i Isaia.

  • Inona no zavatra nanaitra anao?

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ireo zavatra ireo eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

  • Nahoana no fitahiana ny nitenenan’ny Tompo antsika hitandrina amin’ireo zavatra ireo?

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia mitadiava fitahiana nomen’ny Tompo ho an’ny andro farany. Saintsaino ny fomba mety hanampian’izany fitahiana izany antsika rehefa miatrika ireo fanamby hitan’i Isaia mialoha.

Hevero ny hanao sary tsotsotra ana tendrombohitra iray eo amin’ny ilan’ny solaitrabe miaraka amin’ny toko sy andininy 2 Nefia 12:1–3 eo ambaniny. Eo amin’ny ilany hafa dia manaova sarina rahona sy andry afo iray miaraka amin’ny toko sy andininy 2 Nefia 14:5–6. Asao ny mpianatra hifantina iray amin’ireo sariohatra ary hamaky ireo andininy mifandray amin’izany. Avy eo dia angataho izy ireo hizara ny zavatra heverin’izy ireo ho dikan’ireo sariohatra sy ny fitsipika azon’izy ireo ianarana izay hanampy azy ireo amin’izao andro farany izao. Mety hanampy ity fampahalalana manaraka ity.

Ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo

Nampiasa sariohatra maro i Isaia tao amin’ny faminaniany. Ny fisaintsainana ny zavatra asehon’ireny sariohatra ireny dia afaka manampy anao hamoha heviny ho an’ny tena manokana avy ao amin’ny soratra masina.

Vakio ny 2 Nefia 12:1–3, hitadiavana ny sariohatra fototra nampiasain’i Isaia hampianarana ny “zavatra hitranga amin’ny andro farany” (2 Nefia 12:2).

  • Mety ho inona araka ny hevitrao no tondroin’ny hoe “tendrombohitry ny tranon’ny Tompo”? Nahoana?

Mety hanampy ny hisaintsainana raha toa ka nanan-danja tao amin’ny soratra masina hafa ny sariohatra iray, amin’ity tranga ity dia tendrombohitra. Ohatra, i Mosesy sy ny mpaminany hafa dia nandeha nankany an-tendrombohitra mba hahalala ny Tompo ary handray toromarika avy Aminy (jereo ny Eksodosy 320). Nisy fotoana ny tendrombohitra dia nampiasaina amin’ny tanjona mitovy amin’ny tempoly.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny tendrombohitra iray hitovy amin’ny tempoly?

Ny valiny sasany mety hiseho dia ahitana fa ny tendrombohitra sy ny tempoly dia samy afaka mampisaraka antsika amin’izao tontolo izao ary manome antsika fomba fijery tsara kokoa. Afaka ny ho samy tsara tarehy ihany koa izy ireo, mamporisika ny fandinihan-tena, mampitodika ny eritreritsika amin’ Andriamanitra ary mampisokatra ny fontsika amina fanambarana.

Rehefa fantatra ilay sariohatra, dia avereno vakina ireo andininy ireo ary tadiavo ny zavatra ataon’ny Tompo ho antsika ao an-tranony.

Iray amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra avy ao amin’ny 2 Nefia 12:3 ny hoe rehefa mivavaka ao amin’ny tempoly isika, dia hampianatra antsika ny lalany ny Tompo ary hanampy antsika handeha amin’ny lalany.

  • Ahoana no nanampian’ny fitsaohana any amin’ny tempoly (na fiomanana hiditra ny tempoly) anao hianatra ny lalan’ny Tompo na handeha amin’ny lalany?

  • Ahoana no ahafahan’ny tempoly manampy antsika rehefa miatrika ireo olan’ny andro farany isika?

Rahona sy afo

Nanome faminaniana iray hafa i Isaia. Vakio ny 2 Nefia 14:5–6, hitadiavana ny zavatra hataon’ny Tompo ho an’ny olony. Mety hilainao ity fampahalalana manaraka ity:

  • Ny fitoerana dia trano.

  • Ny fivorian’ny Tendrombohitra Ziona dia toerana ihaonan’ny vahoakan’ny Tompo, toy ny sampana, paroasy ary tsatòka.

  • Ny tabernakely tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia nanondro manokana ny lay iray azo nentina nandehandeha izay nampiasaina ho tempolin’ny Isiraelita an-jato taonany. Izany dia afaka maneho ny tempoly na toeram-pivavahana iray ankehitriny.

  • Ny fierena dia toeram-piarovana iray na fialofana.

  • Inona araka ny hevitrao no asehon’ny rahona mandritra ny andro sy ny afo midedadeda nony alina?

    Hevero ny hanontany raha afaka mieritreritra toerana iray ao amin’ny soratra masina isehoan’ny maha zava-dehibe ireo sary ireo ny mpianatra.

  • Nanao ahoana ny lanjan’ny rahona sy ny afo tamin’i Mosesy sy ny zanak’i Isiraely? (jereo ny Eksodosy 13:21).

  • Miaraka amin’izany fahatakarana izany, inona araka ny eritreritrao no nampanantenain’ny Tompo fa hataony ho an’ny olony ao amin’ny 2 Nefia 14:5–6?

Ny mpianatra dia mety hahita fitsipika mitovitovy amin’ny hoe: Hitarika sy hiaro antsika ny Tompo rehefa mivory ao amin’ny tranontsika, sy any amin’ny fivorian’ny Fiangonana ary any amin’ny tempoly isika.

Nanome fampanantenana mitovitovy amin’izany ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ho toera-mimanda ho an’ny tenantsika manokana ho fiarovana ny manodidina antsika sy hiaro antsika amin’ny herin’ilay ratsy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy, ny tokantranontsika, ny fianakaviantsika ary ny maha-mpikambana antsika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. (Ronald A. Rasband, “Manorina toera-mimanda misy fiainam-panahy sy fiarovana,” Liahona, mey 2019, 110)

  • Ahoana no naha toeram-piarovana ara-panahy sy fialofana ho anao ny trano, na ny paroasy, na ny sampana na ny tempoly misy anao?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampanantenana ireo manampy antsika rehefa miatrika ireo fanambin’ny andro farany isika?

Ny tenin’i Isaia eo amin’ny fiainanao

Makà fotoana hamaliana ireo fanontaniana telo nosaintsaininao tany am-piandohan’ny lesona. Hevero ny hanoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao momba ny Tompo sy ny fomba ahafahan’ireo faminaniana ireo manampy anao. Azonao ampidirina ao anatin’izany ny fitondrantena sy fisainana tianao hialana, eo ihany koa ireo fomba mety hahafahanao mikatsaka fanampiana ara-panahy avy amin’ny Tompo ao an-trano, na paroasy na sampana na ao amin’ny tempoly misy anao.

Hamoaka printy