Seminera
2 Nefia 26: Mijery sy mitia ary mitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany


“2 Nefia 26: Mijery sy mitia ary mitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 26,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 26

Mijery sy mitia ary mitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany

Sary
I Jesoa Kristy voahodidin’olona

Isan’andro, isika dia miatrika hafatra sy fampahalalana natao hitarika ireo fahatsapantsika sy ireo fomba fijerintsika. Ao amin’ny 2 Nefia 26 dia nampianatra momba ny fomba fijerin’ Andriamanitra i Nefia. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hijery sy hitia ary hitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany.

Manampy ny mpianatra hahatsapa fa omen-danja ny fandraisan’izy ireo anjara. Asehoy ny mpianatra amin’ny alalan’ny fihainoana tsara sy fanaovana ezaka amin-kitsim-po hahatakatra fa omenao lanja ny fanontaniana sy ny fanamarihana ataon’izy ireo. Ampitao amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny zavatra lazain’ny mpianatra fa tsy amin’ny zavatra hoteneninao manaraka ny fahaliananao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanontany ny ray aman-dreniny na namana itokiana iray momba ny fomba fiezahan’izy ireo mba hijery ny hafa tahaka ny ataon’ny Mpamonjy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fomba fijerintsika

Azonao atao, toy izay hampiseho ireto sary manaraka ireto, ny mitondra solomaso isan-karazany mba handraman’ny mpianatra ary avy eo dia hifanakalo hevitra amin’ny fomba anovan’ny tsirairay amin’izany ny fahitan’izy ireo sy ny fomba fijerin’izy ireo. Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana tamin’ny fanaovana solomaso samy hafa na vera manify samy hafa apetaka amin’ny maso mba hanatsarana ny fahitana sy ny fahasamihafana entin’izany.

Diniho ireto sary manaraka ireto ary eritrereto ny fomba fiantraikan’ireo solomaso samy hafa eo amin’ny fahitantsika.

Sary
ankizivavy manao solomaso 3D
Sary
zatovovavy manao solomaso miaro amin’ny masoandro
Sary
zatovolahy manao solomaso fiarovana
Sary
zatovovavy manao solomaso hijerena zava-misy virtoaly
  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo solomaso isan-karazany ireo amin’ny fomba fahitan’ny olona iray?

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay misy fiantraikany eo amin’ny fahitantsika sy ny fitondrantsika ny hafa?

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba fiheveranao ny hafa. Eritrereto ny zavatra mety hamolavola ny fomba fijerinao sy ny fomba ahafahan’izany hisy fiantraikany eo amin’ny fahatsapanao sy fitondranao ny hafa. Rehefa mandalina ianao dia mikatsaha fitaomam-panahy mba hahafantarana ny zavatra azonao atao hijerena sy hitondrana ny hafa amin’ny fomba anaovan’ny Mpamonjy izany.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hijery sy hitia ary hitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany.

Ny toetran’ Andriamanitra

Ao amin’ny 2 Nefia 26, i Nefia dia nahita ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita, ary koa ny faharatsian’ny olony sy ny famongorana farany azy ireo. Hitany ihany koa ny faharatsian’ny Jentilisa amin’ny andro farany. Mifanohitra amin’izany, nasongadiny avy eo ny fikarakaran’ Andriamanitra ny zanany rehetra.

Diniho ireto fanontaniana telo manaraka ireto rehefa mamaky ny 2 Nefia 26:12–13, 23–33 ianao:

Omeo fotoana betsaka handalinana ny 2 Nefia 26:12–13, 23–33 ny mpianatra, ary hevero ny hanasa azy ireo hanisy marika ireo teny sy andian-teny izay mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto. Mamoròna tontolo feno fanajana izay ahafahan’ny Fanahy Masina mampianatra. Azonao atao ny mandefa mozika malefaka mandritra ny fandehandehananao eran’ny trano, manontany mangingina ny mpianatra ny zavatra ianaran’izy ireo, na tsapan’izy ireo na ny zavatra nasian’izy ireo marika.

Mety hanampy raha aseho ireo fanontaniana rehefa mamaky ny mpianatra.

  • Ahoana no fomba fijerin’ Andriamanitra ireo zanany sy fahatsapany momba azy ireo?

  • Ahoana no anehoany izany?

  • Ahoana no fomba tiany mba hijerentsika sy hitondrantsika ny hafa?

Rehefa avy mandalina ireo fampianaran’i Nefia momba ny toetran’ Andriamanitra ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Ireto fanontaniana manaraka ireto, miaraka amina fanontaniana fanaraha-maso fanampiny, dia mety hanampy amin’ny famporisihana hizara. Raha tsy izany dia azon’ny mpianatra atao ny mitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana momba an’ Andriamanitra izay nianaran’izy ireo ary avy eo dia mifanakalo hevitra mikasika ny hevitra fonosin’izy ireo sy ny lanjan’izy ireo.

  • Teny, na andian-teny, na fahamarinana inona no nasianao marika ka afaka mamaly ireo fanontaniana? Nahoana?

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba ny toetran’ Andriamanitra?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatsiarovana ireo fahamarinana momba an’ Andriamanitra ireo eo amin’ny fifandraisanao Aminy? Inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fomba itondranao ny hafa?

Mety nahatsikaritra fahamarinana isan-karazany momba ny toetran’ Andriamanitra ny mpianatra. Hevero ny hanontany ny mpianatra ny antony mahatonga ireo fahamarinana hitan’izy ireo ho manan-danja sy hidera azy ireo noho ny hevi-baovao avy amin’izy ireo. Ny ampahany manaraka amin’ity lesona ity dia hifantoka amin’ny fahamarinana ao amin’ny andininy 33 hoe “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.” Izany dia hanampy ny mpianatra hiomana hampiasa io andalan-tsoratra masina io ao amin’ny fampiharana ny famerimberenana fifehezana fotopampianarana ao amin’ny lesona manaraka.

Mariho fa ao amin’ny 2 Nefia 26:33, i Nefia dia nanasongadina olona samihafa maro tamin’ny alalan’ny fanaovana fampiarahana azy ireo tsiroaroa ao anatina vondron’olona mifanohitra. Mety hanampy anao hahatakatra tsara kokoa izany ireto famaritana manaraka ireto. Mety ho azonao heverina ihany koa ny hanoratra ireo famaritana ireo ao amin’ny soratra masinao amin’ny alalan’ity andininy ity.

  • Hafa firenena: Olona iray tsy mino an’ Andriamanitra.

  • Jiosy sy Jentilisa: Andian-teny manondro ireo rehetra izay ao anatin’ny mpianakavin’i Isiraely sy ireo izay tsy ao anatiny.

Ny 2 Nefia 26:33 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra iray.

  • Inona no mety ho fiovana nisy raha nanaiky sy nampihatra ireo fampianarana ao amin’ny andininy 33 izao tontolo izao?

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba fijerinao, ao anatin’izany ny fahatsapanao sy ny fitondranao ny hafa, raha mitaha amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra sy ny fahatsapany sy fitondrany ny hafa.

Fomba iray hanampiana ny mpianatra hampitaha ny fomba itondrany ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany ny fanasana ny mpianatra hiteny amin’ny fomba hafa ireo fanontaniana zarain’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 26:25–28 mba hiantefan’izany amin’ny tenan’izy ireo. Ohatra, “Ataoko mahatsapa ve ny olona hoe tiako hiala amiko izy ireo? na tiako tsy hiaraka hivavaka amiko? Na mihevitra ve aho fa tsy tokony hahazo anjara amin’ny fahatsaran’i Jesoa Kristy izy ireo?”

ChurchofJesusChrist.org, 

Ireto fanontaniana sy andiam-pehezanteny manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hanombantombana ny fahatsapan’izy ireo ny hafa sy ny fihetsika ataon’izy ireo amin’ny hafa ary avy eo hampihatra ny zavatra ianaran’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mirakitra an-tsoratra ao amin’ny diarin’izy ireo ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana.

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatsiarovanao ny fomba fijerin’ Andriamanitra ny olona rehetra sy ny zavatra tsapany momba azy ireo eo aminao?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahombiazanao eo amin’ny fijerena sy fitondrana ny hafa tahaka ny itondran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireny?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo fampianarana momba ny Tompo ao amin’ny 2 Nefia 26:33 manampy anao hijery, hitia, ary hitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany?

Mandritra ny andro vitsy manaraka, dia ezaho dinihina ny fomba fijerinao ny hafa, sy ny fahatsapanao momba ny hafa ary ny fitondranao ny hafa. Mihainoa ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina ary mikatsaha fanampiana avy amin’ny Tompo mba hanaovana izay fanovana rehetra ilaina mba hitiavana sy hitondrana ny hafa mitovy kokoa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany.

Hamoaka printy