Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 28:30—“Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika”


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 28:30—‘Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 28:30,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 28:30

“Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika”

Sary
zatovo mandalina ny soratra masina

Tao amin’ny lesona iray tany aloha, “2 Nefia 28:27–32,” dia nandalina ny 2 Nefia 28:30 ianareo ary nianatra fa Andriamanitra dia manambara fahamarinana, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra amin’ireo izay vonona handray izany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 28:30, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Manampy ny mpianatra hifehy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ataovy izay ahafantaran’ny mpianatra ireo loharanom-pitaovana izay afaka manampy azy ireo hifehy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ireny loharanom-pitaovana ireny dia ahitana ny application ho an’ny finday Maîtrise de la doctrine sy ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022), izay ahitana ny lisitr’ireo toko sy andininy ary andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “2 Nefia 28:30: -Hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika’ Andriamanitra.-”

Ireo sahanasa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “2 Nefia 28:27–32,” izay lesona mifandray amin’ny sahan-kevitra ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 2 Nefia 28:30. Raha ohatra ka ilaina ny hamindrana ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Ampiasao ireto sahanasa manaraka ireto na fomba fiasa mahomby iray hafa mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 28:30 ary hanazava ny fahamarinana hita ao amin’io andininy io.

Manaova tsipika marindrano efatra toy ny tohatra eny amin’ny solaitrabe.

Sary
tsipika tsy mifanitsy fiaingana

Manasà mpianatra efatra mba hanoratra ampahany amin’ilay andian-teny ao amin’ny soratra masina eny amin’ny solaitrabe, tahaka ny ahitana izany etsy ambany, ny tsirairay amin’izy ireo. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny tohatra dia afaka mampahatsiahy antsika ny fomba ampianaran’ Andriamanitra antsika “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra.”

Sary
tsipika tsy mifanitsy fiaingana izay ahitana soratra

Asao ny mpianatra mba hamerina andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja miaraka amina namana iray, mandra-pahavitan’izy ireo mitanisa izany tsy an-kijery. Rehefa manao fanazaran-tena ny mpianatra, dia hevero ny hamafa andian-teny eny amin’ny solaitrabe mba hanampiana azy ireo hitadidy izany.

Tao amin’ny lesona iray tany aloha, “2 Nefia 28:27–32,” dia nianatra ianareo fa Andriamanitra dia manambara fahamarinana, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra amin’ireo izay vonona handray izany. Mba hanampiana anao hiomana hanazava io fahamarinana io, dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto ary avy eo dia vitao ity asa atao an-tsoratra manaraka ity:

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra”?

  • Ahoana ny eritreritrao amin’ny hoe ny fandraisana ny fahamarinana efa nomen’ Andriamanitra antsika dia manomana antsika handray misimisy kokoa?

Misafidiana iray amin’ireto toe-javatra ireto izay ahitana ny mety ilan’ny olona iray fanampiana avy amin’ Andriamanitra:

  1. Filana torohevitra momba ny olana iray atrehin’izy ireo.

  2. Faniriana mba hanana fifandraisana matanjaka kokoa amin’ny Mpamonjy.

  3. Te hahatakatra ny tsodranon’ny patriarik’izy ireo.

Manorata fanazavana fohifohy momba ny zavatra ianaranao avy amin’ny 2 Nefia 28:30 izay mety hanampy ao amin’ilay toe-javatra nosafidinao.

Asao hiasa tsiroaroa na anatina vondrona kely ny mpianatra ary hifanakalo hevitra momba ny fanazavan’izy ireo ny toe-javatra nosafidin’izy ireo.

Mandehandehana ao an-dakilasy ary manomeza fanampiana raha ilaina. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fanazavan’izy ireo amin’ny mpianatra rehetra.

Fampiharana hanazaran-tena

Ampio hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo ny fitsipika voalohany (manao asa amim-pinoana) ary mangataka mpianatra maro hizara teny na andian-teny izay mamaritra ny zavatra ianarantsika avy amin’izany fitsipika izany. Avereno amin’ireo fitsipika roa hafa izany. Raha ilaina dia avereno jerena ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Fahazoana fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Vakio ireto rafi-tantara roa mombana zatovo samy avy ao amina paroasy iray izay manatrika fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona manaraka ireto. Samy manana ny eritreriny ny tsirairay mandritra ny fivoriana.

Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona roa ary hampiandraikitra rafi-tantara iray isaky ny vondrona tsirairay. Asehoy ireo rafi-tantara sy ireo fanontaniana eo ambanin’ny tsirairay amin’ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto, na omeo tahadikan’izany ny vondrona tsirairay mba hampiasaina mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo.

Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hamorona rafi-tantara hafa izay mifandray amin’ny 2 Nefia 28:30. Asaivo mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana avy ao amin’ny 2 Nefia 28:30 izy ireo mba hanampy amin’ny rafi-tantara noforonin’izy ireo.

  1. Manomboka manontany tena momba izay zavatra mahazo azy i Thomas. Mino an’ Andriamanitra izy ary mino fa marina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Saingy toa tsapany ho marefo ny fijoroana ho vavolombelona ananany raha oharina amin’ny an’ny mpikambana hafa ao amin’ilay paroasy. Manontany tena izy raha ho azony hatao ny mba hahafantatra manokana ireo zavatra rehetra izay ijoroan’ny hafa ho vavolombelona.

  2. Teny antenantenan’ny fivoriana, dia tsy nifantoka intsony tamin’ireo fijoroana ho vavolombelona i Liz. Niteny tamin’ny tenany izy hoe “Efa henoko daholo ny zavatra rehetra lazain’izy ireo, ary efa fantatro fa marina daholo izany.” Tsapany ho nihena ihany koa ny faniriany hamaky ny soratra masina sy hanatrika seminera satria tsapany fa efa matanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Fariparito ny fomba hampiasanao ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana an’i Thomas na i Liz eo amin’ny toerana misy azy ireo. Raha ilaina dia afaka manampy anao ireto fanontaniana manaraka ireto.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ny andiam-pehezan-teny 7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Inona no azonao zaraina avy amin’io andiam-pehezan-teny io hanampiana an’i Thomas na i Liz hanao asa amim-pinoana?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana avy ao amin’ny 2 Nefia 28:30 manampy an’i Thomas na i Liz hanao asa amim-pinoana?

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo foto-kevitra sy fanontaniana.

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny 2 Nefia 28:30, inona no azonao zaraina mba hanampiana an’i Thomas na i Liz hahita kokoa ny toerana misy azy ireo toy ny ahitan’ny Tompo izany?

  • Inona avy ireo fahamarinana hafa azonao zaraina mba hanampiana azy ireo hijery ny olan’izy ireo amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona no zavatra fantatrao momba an’ Andriamanitra ka afaka manampy azy ireo hahita ny tenan’izy ireo amin’ny fomba ahitany azy ireo?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Nahoana no mety hanampy an’i Thomas na i Liz ny firesahana amin’ny ray aman-drenin’izy ireo na mpitarika ao amin’ny fiangonana momba ny eritreritr’izy ireo?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na tantara azonao eritreretina fa afaka manampy azy ireo?

Rehefa afaka fotoana kelikely, dia asao handehandeha ao am-pianarana ny mpianatra ka hitady olona iray nandinika rafi-tantara hafa ary hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Avy eo dia manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona ho avy manaraka, dia ampio hamerina hijery fohifohy ny andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 28:30 ny mpianatra. Fomba iray anaovana izany ny mamerina ny sahanasa avy ao amin’ity lesona ity ka manao tsipika marindrano eny amin’ny solaitrabe ary mangataka ny mpianatra hameno ny toko sy andininy ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina tsy an-kijery. Ampio ny mpianatra raha ilaina. Avy eo dia asao ny mpianatra mba hamerina imbetsaka ny andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja mandra-pahatadidin’izy ireo izany.

Hamoaka printy