Seminera
Môzià 27:1–24: “Efa nivavaka tamim-pinoana be momba anao izy”


“Môzià 27:1–24: -Efa nivavaka tamim-pinoana be momba anao izy,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 27:1–24,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 27:1–24

“Efa nivavaka tamim-pinoana be momba anao izy”

Sary
anjely iray nanakana an’i Almà zanany

Fantatrao ve hoe manao ahoana izany mahita ny olona akaiky anao mandà ny fahamarinana izany? I Almà sy i Môzià Mpanjaka dia samy niaina ratram-po tamin’ny fahitana olona ao amin’ny fianakaviana mikomy amin’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Tamin’ny alalan’ny famindram-pon’i Kristy, izy ireo dia voatahy hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fahitana ireny olona akaiky ireny nibebaka tamin’ny farany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahita fomba hanampiana ireo izay mandà ireo fampianaran’i Jesoa Kristy mba hiverina Aminy.

Manasa ny mpianatra handinika ny fihetseham-pon’izy ireo. Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hisaintsaina zavatra niainana ara-panahy sy hahatsiaro ny fotoana nahatsapan’izy ireo ny maha-marina ny fitsipiky ny filazantsara iray. Ny fahatsiarovana ireny fahatsapana ireny dia afaka manampy ny mpianatra hanam-paniriana hiaina ny filazantsara sy hampiditra izany ao am-pon’izy ireo. Omeo toky ny mpianatra fa tsy maninona raha toa izy ireo ka tsy mbola niaina na nahatsikaritra zavatra mahakasika ny fitsipika iray.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiomana hizara tantara avy ao amin’ny soratra masina izay nanampian’ny Tompo ny olona iray very na nikomy mba hiova.

Sahanasa fianarana azo atao

Misy fanantenana amin’ny alalan’i Kristy

Asao hisaintsaina mangina izao manaraka izao ny mpianatra:

Misy olona mampanahy anao ve ny momba azy satria miady ara-panahy izy ireo na mikomy amin’ Andriamanitra mihitsy aza? Raha izay no izy dia erirereto foana izany olona izany rehefa mandalina ianao anio. Tahaka izany ihany, raha manana ady ara-panahy ianao, dia azonao eritreretina foana mandritra ny lesona ny toe-javatra misy anao.

Asehoy ity fanombanan-tena manaraka ity. Asao hizara ny eritreritr’izy ireo ny mpianatra, ao anatin’izany ireo ohatra avy amin’ny fanomanana ny mpianatra.

Saintsaino hoe hatraiza ny fahamarinan’ireto teny nambara manaraka ireto raha hamaritana anao:

  1. Mino aho fa tsy mbola tara ny hanasitranan’i Jesoa Kristy ireo izay manana ady na mikomy ara-panahy.

  2. Izaho dia nahita ohatra tao amin’ny soratra masina sy tamin’ny olona manodidina ahy izay manome fanantenana ahy ny amin’ireo olona izay miady na mikomy ara-panahy.

  3. Fantatro ny zavatra azoko atao mba hanampina ny olona izay manana ady ara-panahy na mikomy.

Rehefa mandalina ny Môzià 27 ianao anio, dia tadiavo ireo antony hananana fanantenana sy ny zavatra azonao atao mba hanampiana ireo izay manana ady na mikomy ara-panahy.

Manampy ireo very ara-panahy

Vakio ny Môzià 27:1, 8–10 mba hahitana hoe iza no olona nananan’i Almà mpaminany sy i Môzià Mpanjaka fanahiana ny momba azy.

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny safidin’ireny zatovolahy ireny tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo, ny iray tam-po amin’izy ireo ary ny naman’izy ireo?

Vakio ny Môzià 27:11–16, 19 mba hahitana ny zavatra nataon’ny Tompo hanampiana an’i Almà zanany hanova ny fiainany sy ny anton’izany. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonantsary hoe “Alma le jeune est converti au Seigneur” manomboka eo amin’ny fe-potoana 3:06 hatramin’ny 6:59.

  • Andian-teny inona tamin’ny hafatr’ilay anjely no heverinao fa mety ho nisy fiantraikany indrindra tamin’ireny zatovolahy ireny?

  • Ahoana no ahafahan’io zavatra niainana io maneho ny fitiavana sy ny fanirian’ Andriamanitra hamonjy ireny zatovolahy ireny (eo ihany koa ireo hafa izay very ara-panahy)?

  • Araka ny voalazan’ny Môzià 27:14, dia inona no antony nolazain’ilay anjely fa nahatongavany tany amin’i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià? (Hevero ny hanisy marika ny valin’io fanontaniana io ao amin’ny soratra masinao.)

Makà fotoana hisaintsainana hoe inona avy no fitsipika azonao ianarana avy amin’ireo andininy ireo.

Asao hizara fitsipika samihafa ny mpianatra. Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika lazain’izy ireo. Raha tsy mandeha ho azy amin’ny mpianatra ny fanombohana miresaka izany, dia hevero ny hanoratra ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe:

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe ny fivavahana amim-pinoana lehibe ho an’ireo izay manana ady na mikomy ara-panahy dia manasa ny Tompo hanampy azy ireo ho tonga amin’ny fahalalana ny fahamarinana.

Tsarovy fa ny Tompo dia tsy hifehy ny fahafaha-misafidy ara-pitondrantenan’ireo izay entintsika am-bavaka. Na dia efa notsidihin’ny anjely iray aza i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià, dia mbola afaka nampiasa ny fahafahan’izy ireo misafidy ny tsy hibebaka izy ireo. Na dia mety tsy handefa anjely amin’ireo olona akaiky antsika aza ny Tompo, dia hamaly ny vavaka ataontsika amin’ny fombany sy ny fotoanany Izy. Afaka matoky Azy hanampy isika. Hianatra misimisy kokoa momba ny anjara asan’ny Tompo tamin’ny fanovana an’i Almà ianao ao amin’ny lesona manaraka.

  • Mety ho toy ny ahoana raha alainao sary an-tsaina ny vavaka nataon’i Almà rainy? Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mivavaka “tamim-pinoana be” (Môzia 27:14)?

    Indreto misy fanontaniana fanaraha-maso ny fivoarana hafa azo apetraka: Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manana finoana isika fa hanao izay tsara indrindra ho an’ireo izay miady mafy ny Tompo? Inona no antony mety hahatsara ny hoe mivavaka mba hahafahan’izy ireo “hoentina mankamin’ny fahalalana ny marina;” (Môzià 27:14)?

  • Nahoana araka ny hevitrao no tian’ny Tompo hivavaka ho an’ireo izay manana ady na mikomy ara-panahy isika?

    Amporisiho ny mpianatra manolo-tena mba hizara zavatra niainana hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto. Mety haniry hizara zavatra niainanao manokana ihany koa ianao.

  • Oviana no nahatsapanao fa nanova zavatra teo amin’ny fiainan’ny olona iray hafa ny vavaka nataonao? Oviana araka ny eritreritrao no nanampy anao ny vavaka nataon’ny olona iray hafa?

Mieritrereta zavatra manokana azonao entina am-bavaka rehefa mangataka ny Ray any An-danitra hanampy olona iray izay manana ady ara-panahy ianao. Azonao atao mihitsy aza ny mampiato kely ny fandalinanao mba hivavaka ho azy ireny amin’izao fotoana izao.

Inona koa no mbola azoko atao?

Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa, ka ny mpinamana tsirairay dia mandalina ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto. Asao izy ireo mba hifampizara ny zavatra nianaran’izy ireo.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny zavatra nataon’i Almà sy ny hafa, ankoatra ny hoe nivavaka, mba hanampiana ny zanany lahy hiverina amin’ny Tompo.

Môzià 27:20–24

Almà 36:17–19 (Famaritana nataon’i Almà zanany taty aoriana momba ny zavatra nampianarin’ny rainy sy ny fomba nanampian’izany azy)

  • Inona no nataon’i Almà, ankoatra ny hoe nivavaka, mba hanampiana ny zanany lahy?

Hevero ny hamela ireo mpinamana hisafidy izay tian’izy ireo hiaraha-mandalina amin’ireto manaraka ireto.

Halalino ny iray amin’ireto zavatra nataon’i Almà manaraka ireto ary raketo an-tsoratra ny eritreritrao. Rehefa mandalina ianao, dia azonao atao ny mieritreritra olona iray akaiky anao izay manana ady ara-panahy na mikomy mihitsy aza:

  1. Fifadian-kanina—Mianara bebe kokoa momba ny fifadian-kanina amin’ny alalan’ny fanaovana fikarohana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ny application Médiathèque de l’Évangile, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na andalan-tsoratra masina hafa toy ny Marka 9:17–18, 25–29. Ahoana no ahafahan’ny fifadian-kanina manampy anao na ny olona akaiky anao? Misy olon-kafa azonao asaina hiaraka hifady hanina aminao ve?

  2. Fijoroana ho vavolombelona—Ampitahao ny zavatra niainan’i Almà voalaza ao amin’ny Almà 36:17–19 sy ny zavatra niainan’i Enosa ao amin’ny Enôsa 1:1–5. Saintsaino ny fahaizan’ny Fanahy Masina mampahatsiahy ny olona ny zavatra efa henon’izy ireo rehefa ilain’izy ireo izany (jereo ny Jaona 14:26). Izany dia afaka manome antsika risi-po hizara ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy eny fa na dia amin’ireo izay toa tsy mandray aza. Afaka manampy antsika hahatsiaro ny zavatra fantatsika sy inoantsika momba ny Mpamonjy amin’ny fotoana mety ho tena ilantsika azy ihany koa izany. Ahoana no mety hahafahanao mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy?

Asao hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo ireo mpiara-miasa ary hizara zavatra niainan’izy ireo tamina fifadian-kanina na tamin’ny Fanahy Masina nampahatsiahy azy ireo zavatra tamin’ny fotoana nilan’izy ireo izany.

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanome ny mpianatra fotoana hamaliana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no zavatra nianaranao tamin’io tantara io momba ny fomba anampiana ireo izay manana ady ara-panahy?

  • Inona no torohevitra hozarainao amin’ny olona iray izay tsy miova haingana ny olona akaiky azy?

  • Inona no anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana ireo olona akaiky antsika? Nahoana ianao no afaka matoky Azy hanampy azy ireo?

  • Inona no zavatra manokana tsapanao fa aneren’ny Fanahy anao mba hatao na holazaina mba hanampiana ny olona iray hiverina amin’ny Mpamonjy?

Hamoaka printy