Seminera
Môzià 25–28: Topimaso ankapobeny


“Môzià 25–28: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 25–28,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 25–28

Topimaso ankapobeny

Amin’ny maha-mpisorona avo azy tao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, i Almà dia nahazo toromarika avy amin’ny Tompo hanampiana ireo izay nanao fahotana goavana. Izy sy i Môzià Mpanjaka dia samy niaina ratram-po tamin’ny fahitana olona ao amin’ny fianakaviana mikomy amin’ny Mpamonjy. Tamin’ny alalan’ny famindram-pon’i Kristy, izy ireo dia voatahy hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fahitana ireny olona akaiky ireny nibebaka tamin’ny farany. Ny Mpamonjy dia nanampy an’i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià izay voalaza fa “faraidiny indrindra tamin’ny fahotana” (Môzià 28:4), hovana “ho amin’ny toetry ny fahamarinana” (Môzià 27:25). Taorian’ny fiovam-pon’izy ireo, ireo zanakalahin’i Môzià dia nandeha nitory ny filazantsara tamin’ny Lamanita.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môzià 26

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny toetra be fitiavana sy mamela heloka ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny antony tokony hibebahantsika amin’ny fahotantsika.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina ireo fanontaniana ananan’izy ireo momba ny fibebahana ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hamaky ny Môzià 26 hitadiavana valiny amin’izany fanontaniana izany.

  • Taratasy zaraina:Ahiahy momba ny fibebahana

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Hevero ny handefa amin’ny mailaka na hafatra an-tsoratra ilay taratasy zaraina any amin’ny mpianatrao alohan’ny fotoam-pianarana. Raha misafidy olana iray hohalalinin’ny iray kilasy ianao, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ao amin’ny pejin-dresaka ilay taratasy momba ny ahiahy tian’izy ireo hohalalinina. Izany dia hanampy anao hahafantatra ny zavatra tian’ny ankamaroan’ny mpianatra hianarana. Raha ny ankizy tsirairay no misafidy olana iray hohalalinina, dia avelao izy ireo hamita ny fandalinan’izy ireo, ary avy eo dia hevero ny hanasa azy ireo hanoratra ao amin’ny pejin-dresaka ilay taratasy momba ny olana nohalalinin’izy ireo. Miankina amin’ny zavatra ilain’ny kilasy, dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra izay nandalina olana mitovy mba hifanakalo hevitra amin’ny zavatra nianaran’izy ireo. Na, mba hanovaovana izany, dia azonao atao ny mifantina mpianatra izay nandalina olana samy hafa hifanakalo hevitra amin’ny zavatra nianaran’izy ireo.

Môzià 27:1–24

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahita fomba hanampiana ireo izay mandà ireo fampianaran’i Jesoa Kristy mba hiverina Aminy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiomana hizara tantara avy ao amin’ny soratra masina izay nanampian’ny Tompo ny olona iray very na nikomy mba hiova.

  •  Horonan-tsary:Alma le Jeune est converti au Seigneur” (11:32; jereo manomboka amin’ny fe-potoana 3:06 hatramin’ny 6:59)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Any amin’ny fiafaran’ny lesona, mba hanampiana ny mpianatra handalina ny fifadian-kanina na hanao fijoroana ho vavolombelona, dia hevero ny hampivondrona azy ireo amina salles de discussions. Ataovy azo antoka fa asehonao ireo toromarika amin’ny fandalinana ny tsirairay amin’ireo lohahevitra ireo, mametraha fe-potoana (ohatra hoe enina minitra), ary ampahafantaro ny mpianatra fa izy ireo dia hizara ny zavatra nianaran’izy ireo rehefa miverina mitambatra ho kilasy iray indray.

Môzià 27:24–37

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hibebaka sy hampiseho finoana fa afaka manova ny fon’izy ireo ny Mpamonjy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra zavatra miova toetra izay miova tanteraka (toy ny fanday lasa lolo). Afaka maka sarina zavatra iray izy ireo haseho ny kilasy.

  • Sary haseho: Sarina fanday sy lolo; sarin’ny anjely niseho tamin’i Almà zanany; sarin’i Jesoa Kristy

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Hevero ny hanasa olondehibe iray niova fo ho an’ny Fiangonana mba hanatrika fotoam-pianarana na hirakitra horonan-tsary izay izarany ny fomba nanampian’ny Tompo azy hiova. Ataovy azo antoka fa nahazo fankatoavana avy amin’ny mpandrindra na mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana ianao alohan’ny hanasanao ilay olona ho avy.

Môzià 28

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hizara ny filazantsara.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka amin’olona iray izay inoan’izy ireo fa niova fo lalina ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Inona no nanampy izany olona izany teo amin’ny lalan’ny fiovam-pony? Azonao heverina ihany koa ny hanasa ny mpianatra hanombana ny fanirian’izy ireo hizara ny filazantsara.

  • Zavatra: Zavatra iray (na sarina zavatra iray) izay tianao be, tianao ny mizara azy amin’ny hafa

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Mba hanombohana ny lesona dia hevero ny hitondra na hampiseho sarin-javatra iray tianao be ka tianao ny mizara azy amin’ny hafa. Zarao amin’ny mpianatra izany alohan’ny hametrahana amin’izy ireo ny fanontaniana voalohany ao aminny lesona.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hanazava izany amin’ny hafa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona ny hizara momba ny fotoana iray izay nitahiana ny fiainan’izy ireo tamin’ny alalan’ny olona iray nanazava tamin’izy ireo ny soratra masina na tamin’ny fotoana nahafahan’izy ireo nitahy ny fiainan’ny olona iray hafa tamin’ny alalan’ny fampiasana na fanazavana ny soratra masina.

  • Horonan-tsary:Mampiorina lalina ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy” (10:05; jereo manomboka amin’ny fe-potoana 6:34 hatramin’ny 7:31)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Asehoy ireo dingana telo amin’ny fahatakarana sy fanazavana fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina. Asao ny mpianatra hiomana hizara andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray amin’ny olona iray hafa amin’ny alalan’ny fampiasana ireo dingana ireo. Hevero ny hizara ny mpianatra ho amina salles de discussions mba hilalao an-tsehatra ny fanazavana ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidin’izy ireo.

Hamoaka printy