Seminera
Môzià 21–24, Tapany 2: Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana amin’ny fitsapana


“Môzià 21–24, Tapany 2: Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana amin’ny fitsapana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 21–24, Tapany 2,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 21–24, Tapany 2

Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana amin’ny fitsapana

Sary
Zatovo iray mitodika amin’ny soratra masina

Inona no hasetrinao rehefa mandalo fitsapana sy zava-tsarotra ianao? Nahoana araka ny eritreritrao no manatona akaiky kokoa ny Tompo ny olona sasany raha ny hafa kosa manalavitra Azy? Ao amin’ny Môzià 21–24, dia ianarantsika fa ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà dia nitodika tamin’ny Tompo mba hahazo hery sy fanafahana tamin’ny fahababoana. Ity lesona ity dia natao hanampy anao hiantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanampy anao mandritra ireo fitsapana lalovanao.

Ampio ny mpianatra hahafantatra ny hery mitarika avy amin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa mianatra momba ny fomba nitahian’ny Tompo olona ao amin’ny soratra masina ny mpianatra, dia ampio izy ireo hamantatra ny anjara asa tanany eo amin’ny fiainan’izy ireo ihany koa. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba anampian’ny Tompo azy ireo amin’ny alalan’ny fanolorana fanasitranana sy fanomezana azy ireo hery.

Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny miresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mombana fitsapana na fahoriana niainan’ilay olona ao amin’ny fianakaviana sy ny fomba nanatanjahan’ny Tompo azy hiaritra izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity no lesona faharoa amin’ny lesona roa izay miresaka ny Môzià 21–24. Raha mbola tsy nataonao izany dia ampianaro alohan’ity lesona ity ny Tapany 1. Raha toa ka fohy ny fotoam-pianarana ka lesona iray monja momba ny Môzià 21–24 no azo ampianarina, dia hevero ny ny fomba hahafahana manambatra tsara ireo lesona roa ireo.

Fihetsika manoloana ny fitsapana

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao fanombanan-tena momba ny fitsapana lalovan’izy ireo na nolalovan’izy ireo. Azonao atao ny manampy tari-dalam-panoratana na fanontaniana eny amin’ny solaitrabe mba hitarihana ny mpianatra eo am-piraketany an-tsoratra ny eritreriny. Tsy mila mizara ny valin-tenin’izy ireo ny mpianatra amin’ity dingana ao amin’ny lesona ity.

Tao amin’ny lesona teo aloha, ianao dia nasaina hieritreritra momba ny fitsapana iray izay lalovanao na nolalovanao. Mety nianatra fahamarinana vitsivitsy ianao tamin’ny fandalinanao ny Môzià 21–24 izay nanampy anao hahatakatra ny antony amelan’ny Tompo anao handalo fitsapana. Anio dia eritrereto indray ireo fizahan-toetra lalovanao, saingy amin’ity indray mitoraka ity dia hevero ny fomba hiatrehanao azy ireo. Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ireo sakana na fahombiazana niainanao sy ireo fomba nahatsapanao ny hery mitarika avy amin’ny Tompo na fitahiana nomeny.

Ny herin’ny fanafahan’ny Tompo

Hevero ny hanasa mpianatra iray na maromaro hamintina ny zavatra tadidin’izy ireo tamin’ny lesona teo aloha momba ny fahababoan’ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà. Raha tena ilaina dia azo ampiasaina ity famintinana manaraka ity.

Mety ho tadidinao ny fandalinana momba ny vahoakan’i Limia (tany amin’ny tanin’i Nefia) sy ny vahoakan’i Almà (tany amin’ny tanin’i Helama). Samy nandalo fitsapana sarotra izy ireo nandritra ny fotoana naha babon’ny Lamanita azy ireo. Ity sary ity dia maneho ny dian’izy ireo ao amin’ny Môzià 21–24.

Sary
Sary fanehoana ireo toerana ao amin’ny Môzià 21-24

Anio ianao dia hianatra ny fomba nanafahan’ny Tompo ireo vondron’olona roa ireo tamin’ny fanandevozana ho any amin’ny tanin’i Zarahemlà. Eo am-pandalinanao dia ataovy ao an-tsaina ireo fitsapana lalovanao ary mitadiava fahamarinana izay manampy anao hamantatra ireo fomba ampiharan’ny Tompo ny herin’ny fanafahany eo amin’ny fiainanao.

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hianatra momba ny fanafahana ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà. Mety hanampy ny fizarana ny mpianatra ho vondrona kely sy fanendrena ireo vondrona ireo handalina momba ny vahoakan’i Limia na ny vahoakan’i Almà. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mamintina ny tantaran’izy ireo sy mizara andininy na andian-teny manan-danja na fitsipika izay nanan-danja tamin’izy ireo.

Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity. Ataovy azo antoka ny hisian’ny toerana malalaka hiraketana valiny maro ao amin’ny efajoro tsirairay.

Môzià 21–24: Hery sy fanafahana

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“Môzià 21–24, Tapany 2: Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana amin’ny fitsapana”

Vahoakan’i Limia
Môzià 21:13–16, 36; 22:1–13; 29:18–20

Vahoakan’i Almà
Môzià 23:25–29; 24:8–25

Inona no asa nataon’ny olona mba handraisana ny fanampian’ny Tompo?

Ahoana no nandraisan’ny Tompo anjara tamin’ny fanafahana azy ireo?

Inona avy ireo andian-teny sasany tiana indrindra ao amin’ireo andininy ireo?

Rehefa avy nomena fotoana ampy handalinana ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny valin-teninyamin’ireo fanontaniana voatanisa ao amin’ilay tabilao. Ataovy azo antoka fa mamela mpianatra maro hizara ny hevi-baovao ananan’izy ireo ianao.

  • Inona avy no sasany amin’ireo asa nataon’ny olona mba handraisana ny fanampian’ny Tompo?

  • Inona no nianaranao momba ny Tompo sy ny heriny rehefa nandalina ireo tantara ireo ianao?

  • Inona no andian-teny tiana indrindra hitanao avy tao amin’ny iray tamin’ireo andininy nohalalininao?

Mahafantatra sy mifaly amin’ny herin’ny Tompo

Ao anatin’ireo fahamarinana maro azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo izay mety tsikaritrao avy amin’ny fandalinanao fa rehefa mitodika amin’ny Ray any An-danitra isika, dia hanohana antsika Izy mandritra ny fitsapana lalovantsika ary hanafaka antsika amin’ny fotoany (jereo ny Môzià 21:14–16). Ianarantsika ihany koa fa rehefa iaretantsika am-pifaliana sy am-paharetana ny fitsapana lalovantsika, dia afaka mampahatanjaka antsika mba hahafahantsika mitondra mora foana ny enta-mavesatsika ny Tompo (jereo ny Môzià 24:15).

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo zavatra momba ny Tompo ireo miantraika amin’ny fiatrehanao ny fitsapana lalovanao?

  • Ahoana no nanohanan’ny Tompo sy nampahatanjahany anao na olona iray fantatrao, hiaritra fitsapana na hitondra enta-mavesatra? Inona no fiantraikan’izany zavatra niainana izany tamin’ny fahatsapanao momba Azy?

Hevero ny hizara ohatra mahakasika ny tenanao manokana ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fanontaniana teo aloha.

ChurchofJesusChrist.org

Ny dingana manaraka hataonao

Rehefa avy mizara ireto torolalana manaraka ireto ianao, dia hevero ny hampiseho eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana hovalian’ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo mijery ireo fanontaniana rehefa manoratra izy ireo.

Saintsaino ny zavatra nianaranao androany ka afaka manampy anao amin’ny fitsapana atrehinao;

Manampia tsanganana vaovao amin’ilay tabilao nataonao tany alohaloha tamin’ity lesona ity ary asio soratra hoe “Izaho” eny amin’ny farany ambony amin’io tsanganana io. Avy eo dia fenoy amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ny tsanganana vaovao nataonao. (Raha tsy manana toerana hanaovana tsanganana vaovao ianao, dia valio amina toerana hafa ao amin’ny diary fandalinanao ireo fanontaniana.)

  • Inona no asa azonao atao mba handraisana misimisy kokoa amin’ny fanampian’ny Tompo amin’ny fitsapana lalovanao?

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny Tompo androany ka afaka manampy anao hahatakatra ilay karazana fanampiana na hery azony omena anao?

  • Inona avy no teny na andian-teny avy amin’ireo andininy nohalalininao heverinao fa afaka mifandray amin’ny toe-javatra misy anao? Nahoana?

Hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny sasany amin’ny valin-tenin’izy amin’ireo fanontaniana teo aloha. Mijoroa ho vavolombelon’ny fahamarinana noresahinareo androany sy ny herin’ny Tompo hanafahana antsika amin’ny fahoriantsika.

Hamoaka printy