Seminera
Môzià 18: Ny fanekempihavanan’ny batisa


“Môzià 18: Ny fanekempihavanan’ny batisa,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 18,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 18

Ny fanekempihavanan’ny batisa

Sary
Zatovo atao batisa

Manan-danja loatra ny fanapahan-kevitra sasany ka mety hiantraika amin’ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika. Iray amin’ireny fanapahan-kevitra ireny ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny ôrdônasin’ny batisa. I Almà dia nampianatra ny vahoakany teo amin’ny ranon’i Môrmôna momba ny fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra rehefa atao batisa isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fanekempihavanana atao amin’ny batisa sy ny fomba ahafahan’izany miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra sy ny hafa.

Manampy ny mpianatra hahita ny lanjan’ny andinin-tsoratra masina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa hitan’ny mpianatra ny lanjan’ny Tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina eo amin’ny zava-misy sy toe-javatra iainan’izy ireo manokana, dia mazàna izy ireo no maharisika kokoa hianatra sy hampihatra ny fampianaran’ny filazantsara . Fomba iray anampiana ny mpianatra hahita ny lanjan’ny zavatra iray eo aminy ny fametrahana amin’izy ire ny fanontaniana toy ny hoe “Ahoana no mety hitovitovian’io tranga na fampianarana io amin’ny zavatra niainanao?” na “Ahoana no iharan’io fahamarinana io amin’ny fiainanao?”

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitondra ao an-dakilasy sary iray na teny nosoratan’izy ireo tao amin’ny diariny momba ny andro nanaovana ny batisan’izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany ireo olon-kafa izay nanatrika izany momba ny zavatra tadidin’izy ireo.

Izay rehetra tsy mbola vita batisa dia afaka mivonona hizara ny eritreritra sy fahatsapana niainan’izy ireo nandritra ny fotoana nanatrehan’izy ireo batisa na fanontaniana mety hananan’izy ireo momba ny batisa.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny batisanao

Hanombohana ny fandalinanao anio dia eritrereto ny batisanao ary miezaha mitadidy antsipirian-javatra tamin’izany andro izany. Raha tsy mbola vita batisa ianao, dia saintsaino izay zavatra fantatrao momba ny batisa na ny zavatra tsaroanao tamin’ny fanatrehana batisa iray.

Raha nitondra sary araka ny hevitra naroso ao amin’ny fanomanana ny mpianatra ny mpianatra, dia hevero ny hampiseho izany sy hanasa ny iray kilasy hiezaka hamantatra hoe sarin’iza avy izy ireo. Avy eo dia azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena hizara ny zavatra tadidin’izy ireo momba ny batisan’izy ireo. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy sy hiresaka ny fahatsapana ananan’izy ireo momba ny batisa.

  • Inona avy no fahatsiarovana tianao indrindra tamin’izany andro izany? Inona no zavatra tsapanao tamin’izany?

  • Inona no fiantraikan’ny fanapahan-kevitrao hatao batisa tamin’ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra sy ny olon-kafa?

I Almà mampianatra ny tenin’i Abinadia

Sary
I Abinadia mijoro ho vavolombelona eo anoloan’i Noà Mpanjaka

Ny Môzià 18 dia ahitana ny tantaran’i Almà, izay iray tamin’ireo mpisoron’i Noà Mpanjaka taloha, mampianatra ny tenin’i Abinadia amin’ny hafa. Voatery nampianatra miafina i Almà satria notadiavin’i Noà Mpanjaka hovonoina noho ny finoany ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy nataon’i Abinadia izy.

Vakio ny Môzià 18:1–7 ka tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà ny vahoaka.

  • Inona no nampianarin’i Almà momba ny Mpamonjy taorian’ny nandrenesany ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Abinadia?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nisafidy ny hampianatra ny zavatra nataony ao amin’ireo andininy ireo i Almà?

Ny fanekempihavanan’ny batisa

Rehefa avy nampianatra ny vahoaka momba ny fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy i Almà, dia nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny batisa. Azontsika ianarana amin’ireo fampianarany fa rehefa atao batisa isika, dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Rehefa manohy mandalina ireo fampianaran’i Almà ianao, dia saintsaino ny zavatra fantatrao momba ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa sy havaozintsika isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo, ary koa ireo fanontaniana rehetra mety hanananao. Katsaho ombam-bavaka ny hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahan’io fanekempihavanana io miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra sy ny hafa.

Nanazava ny atao hoe fanekempihavanana ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny fanekempihavanana dia fifanekena eo amin’ Andriamanitra sy ny olona, fifanarahana izay Andriamanitra no mametraka ny fepetra (jereo ny Bible Dictionary, “Covenant,” 651). Amin’ireny fifanarahana masina ireny, Andriamanitra dia mamatotra ny Tenany hanohana, hanamasina ary hanandratra antsika ho setrin’ny fanoloran-tenantsika hanompo Azy sy hitandrina ny didiny. (D. Todd Christofferson, “Les alliances divines font des chrétiens forts,” Liahona, mai 2009, 20)

Amin’ity sahanasa manaraka ity, hevero ny hanasa ny mpianatra hiara-hiasa amina namana iray. Ataovy mitady ny zavatra ampanantenaintsika amin’ny fotoana anaovana batisa antsika ny iray ary ilay iray hafa kosa mitady ireo fitahiana atolotry ny Ray any An-danitra antsika. Avy eo dia asao izy ireo hifampizara ny zavatra hitan’izy ireo.

Ao amin’ny Môzià 18:8–10, i Almà dia namaritra ny atao hoe fanekempihavanan’ny batisa. Vakio ny Môzià 18:8–10 ary hevero ny hanisy marika ny zavatra anolorantsika tena hatao rehefa atao batisa isika sy hanamarika amina loko na endrika hafa ireo fitahiana izay atolotry ny Ray any An-danitra antsika.

Ny Môzià 18:8–10 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Hevero ny hanao tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra hoe “Isika dia manao fanekena ny …” eo ambonin’ny anankiray ary ny hoe “Andriamanitra dia manolotra …” eo ambonin’ilay iray hafa. Asao ho eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra ary hameno ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ny Môzià 18:8–10.

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe “hiara-malahelo amin’izay malahelo” sy ny hoe “hampionona ireo izay mila fampiononana”? (andininy 9).

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra”? (andininy 9). Iza no fantatrao fa ohatra tsara amin’ny fanaovana izany?

  • Tamin’ny fomba ahoana avy no nahitanao an’ Andriamanitra mitahy anao na ny hafa amin’ny alalan’ireo fampanantenana ataony amintsika amin’ny alalan’ny batisa?

Fitandremana ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa

Ny ambin’ny lesona dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba fihazonana ireo fanoloran-tena atao rehefa atao batisa izay faritan’i Almà ao amin’ny Môzià 18:8–10.

Ireto horonan-tsary ireto dia azo ampiasaina hanehoana ohatra. Asao ny mpianatra hijery sy hizara andian-teny avy ao amin’ny andininy 8–10 izay hitan’izy ireo fa aseho ao amin’ireo horonan-tsary. (Ny horonan-tsary dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.) Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny manatona sy manipika fanambarana iray eny amin’ny solaitrabe izay tsapan’izy ireo fa naseho tao amin’ilay horonan-tsary. Avy eo dia azonao anontaniana azy ireo ny antony nisafidianany izany fanambarana izany.

  • Maso hahita” (manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:55 hatramin’ny 6:53)

Misafidiana iray farafahakeliny amin’ireo fampanantenana ataontsika amin’ny batisa izay zarain’i Almà ao amin’ny Môzià 18:8–10. Ohatra, azonao safidina ny hoe “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” (andininy 8) na ny hoe “hitandrina ny didiny” (andininy 10).

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanome fotoana ampy ny mpianatra hisaintsainana ny valin-tenin’izy ireo. Avy eo dia asao izy ireo hizara ny valin-teniny sy hevi-baovao hafa ao anatina vondrona kely.

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahan’ny zatovo mihazona izany fampanantenana izany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampidirin’ny Ray any An-danitra ho ampahany amin’ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa izany?

  • Ahoana no fomba nanehoan’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny ohatra ny fomba fitandremana izany fampanantenana izany?

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nitandrina izany fampanantenana izany? Inona no nianaranao tamin’ireo zavatra niainana ireo?

Makà fotoana hiraketana ao amin’ny diarinao ny fahatsapanao hoe manao ahoana ny fitandremanao ireo fanekempihavanan’ny batisa zarain’i Almà ao amin’ny Môzià 18:8–10. Ahoana no nihazonanao tam-pahombiazana ny sasany amin’ireny fampanantenana ireny? Amina toe-javatra manahoana no ahafahanao mihazona an-tsitrapo kokoa ny iray amin’izy ireny? Ahoana araka ny eritreritrao no hiantraikan’izany amin’ny fifandraisanao amin’ny Tompo sy ny olon-kafa raha manao izany ianao?

Hamoaka printy