Seminera
Môzià 19–20: “Tanteraka ny tenin’i Abinadia”


“Môzià 19–20: -Tanteraka ny tenin’i Abinadia,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 19–20,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 19–20

“Tanteraka ny tenin’i Abinadia”

Sary
I Noà Mpanjaka

Tian’ny Ray any An-danitra ho sambatra sy ho voaaro ianao. Fomba iray ahafahanao miaina fifaliana sy fiarovana ara-panahy ny fanarahana ireo fampianarana sy fampitandreman’ny mpaminaniny. I Noà Mpanjaka sy ny vahoakany dia namoy ny fitahian’ny fiarovana ka niaina fijaliana lehibe noho izy ireo nandà an’i Abinadia. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hihaino ireo fampitandremana sy ireo fampianaran’ireo mpaminanin’ny Tompo.

Manampy ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra mahakasika ny soratra masina. Ny hoe sahan-kevitra dia ireo toe-javatra manodidina na manome fampahalalana momba ilay andinin-tsoratra masina, zava-nitranga ary tantara. Ny sahan-kevitra dia manampy antsika hahatakatra ny tontolo nisy ireo olona ao amin’ny soratra masina. Ny fahatakarana ny sahan-kevitra misy ny tantara ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianarana ka hampihatra ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ohatra iray avy ao amin’ny soratra masina na ny fiainan’izy ireo manokana izay manohana ity fanambarana manaraka ity. Amporisiho izy ireo mba ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara ny ohatr’izy ireo.

“Ny tantara dia naneho fa misy fiarovana sy fiadanana, firoboroboana ary fahasambarana avy amin’ny fanatanterahana ny torohevitry ny mpaminany” (M. Russell Ballard, “His Word Ye Shall Receive,” Ensign, May 2001, 65).

Sahanasa fianarana azo atao

Fiarovana amin’ny loza

Hevero ny hampiseho ireto sary manaraka ireto na hitondra any am-pianarana zavatra isan-karazany izay ampiasaina mba hiarovana. Azonao atao ihany koa ny mangataka ny mpianatra hizara ohatra amin’ny zavatra na fitsipika ampiasain’izy ireo isan’andro mba hijanonana ho voaaro.

Sary
Akanjo aro aina, fiarovan-doha ho an’ny bisikileta, fitaovana enti-mianika
  • Inona avy no loza iarovan’ireo zavatra ireo antsika?

  • Nahoana araka ny hevitrao no misafidy ny tsy hiraharaha fitaovam-piarovana na toromarika ny olona sasany?

Azonao atao ny mampiseho sarin’ny mpaminany ankehitriny miaraka amin’ireo sary teo aloha.

Ankoatra ny loza mety hitranga ara-batana, ny loza ara-panahy ihany koa dia ampahany amin’ny fiainantsika ety an-tany. Satria tia antsika ny Tompo, dia miantso mpaminany Izy hanome tari-dàlana antsika sy fitaovana izay afaka manampy antsika hahatsapa fiarovana ara-batana, ara-panahy ary ara-pihetseham-po mandritra ny fiainantsika.

Makà fotoana hisaintsainana ny fiarovana omen’ny Tompo anao amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôliny. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto:

Mety hilain’ny mpianatra ny firaketana ny valin-teniny ao amin’ny diary fandalinany.

  • Impiry ianao no mahita ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo ho toy ny fomba fiarovana ara-panahy avy Aminy?

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny fomba ahafahan’ny fanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo mitahy anao?

Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka fiarovana sy fahasambarana izay tonga avy amin’ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo.

Niaina ny vokatry ny fahotan’izy ireo ny vahoakan’i Noà Mpanjaka

Sary
I Abinadia eo anoloan’i Noà Mpanjaka

Tadidio fa i Abinadia dia nirahina mba hampitandrina ny vahoakan’i Noà Mpanjaka tamin’ny faharatsian’izy ireo mba hahafahan’izy ireo misoroka ny fitsaran’ny Tompo ho avy. (Mety hilaina ny famerenana mijery ny sasany amin’ireo fampitandreman’i Abinadia ao amin’ny Môzià 11:20–25; 12:1–8.)

Avereno jerena amin’ny alalan’ny famakiana ny Môzià 12:13–15; 17:11–20 ny nasetrin’i Noà sy ny vahoakany ny fampitandreman’i Abinadia.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nisafidy ny tsy hiraharaha ny fampitandreman’i Abinadia i Noà sy ireo mpisorony?

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny fomba mety tsy hiraharahan’ny olona na handavany ireo fampianaran’ny mpaminany amin’izao androntsika izao? Inona araka ny eritreritrao no antony anaovan’izy ireo izany?

Araka ny naminanian’i Abinadia azy mihitsy (jereo ny Môzià 17:15–19) dia niatrika fitsapana sarotra ny vahoakan’i Noà taorian’ny nandavan’izy ireo ny tenin’ny Tompo sy ny fanasany mba hibebaka. Mety ho tsaroanao avy amin’ny fandalinanao ny Môzià 7 fa tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Abinadia, ireo olona ireo dia hitan’ny vondrona iray mpanao fikarohana avy any Zarahemlà notarihina lehilahy iray nantsoina hoe Amôna (jereo ny kisary eo ambany). Tamin’ny fotoana nahitana azy ireo, ny Nefita tany amin’ny tanin’i Nefia dia babon’ny Lamanita.

Sary
sary fanehoana ny dian’ny Nefita handeha hitaky ny tanin’i Nefia

I Limia, zanakalahin’i Noà Mpanjaka no mpitarika azy ireo. Vakio ny tenin’i Limia ao amin’ny Môzià 7:24–29, hitadiavana ireo antony hitany fa nahatonga ny fahababoana niainan’izy ireo.

  • Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy ny olona iray izay tsy mahatsapa fa zava-dehibe ny manaraka ireo mpaminanin’ny Tompo?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity. Rehefa avy omena fotoana hieritreretana izany ny mpianatra, dia manasà mpianatra maro hizara ny fomba hamenoan’izy ireo izany.

Ny tsy firaharahana na fandavana ny tenin’ny Tompo izay omeny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia mitarika amin’ny …

Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona ka manasa azy ireo handalina ny iray amin’ireto andiana andinin-tsoratra masina manaraka ireto: (1) Môzià 19:3–8; (2) Môzià 19:9–15; (3) Môzià 19:16–21; 20:3, 21. Asao izy ireo hitady antsipiriany izay maneho ny fahamarinana hoe ny tsy firaharahiana na fandavana ny tenin’ny Tompo izay omeny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia mitarika amin’ny fijaliana sy alahelo.

  • Inona no porofo hitanao amin’ny fijaliana na alahelo niainan’ny olona ao amin’ireo andininy ireo?

  • Rehefa hitanao ny fijaliana niaretan’ireo olona ireo ary fantatrao fa naniraka mpaminany iray ny Tompo mba hampitandrina, dia inona no zavatra ianaranao momba ny Tompo?

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny sasany amin’ireo fitahiana azontsika raisina rehefa mihaino ny torohevitra omen’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny isika:

Ny tantara dia naneho fa misy fiarovana sy fiadanana, firoboroboana ary fahasambarana avy amin’ny fanatanterahana ny torohevitry ny mpaminany. (M. Russell Ballard, “His Word Ye Shall Receive,” Ensign, May 2001, 65)

  • Inona avy no ohatra sasantsasany avy amin’ny fiainanao na ny soratra masina ka manohana ny teny nambaran’ny Filoha Ballard?

Ny torohevitry ny Tompo ho anao

Sahala amin’ireo mpaminany fahiny, ny mpaminany ankehitriny dia manome antsika ny torohevitry ny Tompo, ny fampitandremany ary ireo fitahiana ampanantenainy. Toerana iray ahafahantsika mahita ny sasany amin’izany torohevitra izany ny ao amin’ny Ho zatovo mahery! (kiboky, 2022).

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely ary hanendry ny vondrona tsirairay amina lohahevitra iray na maromaro hohalalinina avy ao amin’ny Ho zatovo mahery! (kiboky, 2022). Azonao atao ny mitondra tahadika maromaro ao amin’ny kilasy mba hampiasain’ny mpianatra. Asao ny mpianatra hitady ireto manaraka ireto:

  1. Fenitra anasan’ny Tompo anao mba hiainanao

  2. Loza ara-panahy mety hitranga noho ny tsy firaharahana ny torohevitry ny Tompo

  3. Fitahiana nampanantenaina amin’ny fanarahana ny torolalana sy fampitandreman’ny Tompo

Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitan’izy ireo mifandray amin’ireo zavatra telo tany aloha.

  • Ahoana no mety hahafahan’ireo fampianarana ireo manampy anao hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy?

Eritrereto ny zavatra nianaranao androany momba ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo. Makà fotoana hisaintsainana ny fomba ahafahanao manaraka tsara kokoa ny mpaminany sy ny antony maha-zava-dehibe aminao ny fanaovana izany. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny fahatsapana ara-panahy azonao.

Hamoaka printy