Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môzià 18:8–10—“Efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo”


“Fifehezana fotopampianarana: Môzià 18:8–10—-Efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana 18:8–10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 18:8–10

“Efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo”

Sary
I Almà manao batisa ao amin’ny ranon’i Môrmôna

Tamin’ny lesona iray teo aloha ianao dia nianatra momba ny fomba ahafahan’ny fanekempihavanan’ny batisa atao amin’ny Mpamonjy miantraika amin’ny fomba iainantsika ny fiainantsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fampiasana io andinin-tsoratra masina io.

Mampianatra ny mpianatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Hahatontosa tsara kokoa ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny mpianatra raha toa ka fantatr’izy ireo sy takany ireo fitsipika momba ny mahazo fahalalana ara-panahy. Ataovy azo antoka fa takatry ny mpianatra ireny fitsipika ireny ary avereno jerena matetika izy ireny.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiezaka hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Môzià 18,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môzià 18:8–10. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Ampiasao izay mety ho fomba mahomby rehetra hanampiana ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10 ary hanazavana ny fahamarinana hita ao amin’io andininy io. Ireto sahanasa manaraka ireto dia soso-kevitra momba ny fomba hanaovana izany.

Alohan’ny fotoam-pianarana, soraty mikorontana eny amin’ny solaitrabe ireo teny ao amin’ny andian-teny manan-danja ao amin’ny sotratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10. Angataho ny mpianatra handamina ilay andian-teny ao amin’ny diary fandalinanyary avy eo dia mangataha mpianatra iray manolo-tena hanoratra izany araka ny tokony ho izy miaraka amin’ilay andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe. Raha ilaina dia asao hanampy ny iray kilasy.

Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 18:8–10 dia ny hoe “Aoka -hatao batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo.-”

Safidy hafa azo atao ny fanoratana ny ampahany amin’ilay teny manan-danja amina taratasy misaraka sy fametrahana ireo taratasy eny amin’ny solaitrabe ka atao mikorontana tsy manaraka ny filaharany ny teny. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mankeny amin’ny solaitrabe ka mandamina ireo taratasy amin’ny filaharany marina.

Alamino amin’ny alalan’ny fanoratana azy amin’ny filaharany marina ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10 eto ambany ireto ka soraty ao amin’ny diary fandalinanao izany. Raha ilaina dia hamarino hoe marina tsara ve ny zavatra nosaratanao amin’ny alalan’ny fijerena ny lisitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Rehefa vitanao ny nanoratra ny andian-teny marina, dia makà fotoana hiezahana manao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny famerenana azy ireo imbetsabetsaka.

Tao amin’ny lesona iray tany aloha dia nianaranao fa rehefa atao batisa isika dia miditra ao amin’ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny. Alaovy sary an-tsaina hoe mandritra ny fotoam-bavaka ho an’ny batisan’ny ankizy valo taona iray, ianao dia angatahina hiresaka momba ny fanekempihavanana ataony. Raketo an-tsoratra ny fomba ahafahan’ny Môzià 18:8–10 manampy anao hanazava ilay fanekempihavanana sy ny fomba ahafahan’ny fitandremana ilay fanekempihavanana manampy ilay ankizy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Rehefa avy manoratra ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nosoratany amin’ny mpiara-mianatra iray. Avy eo dia manasà mpianatra manolo-tena maromaro hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo na ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fanekempihavanan’ny batisa.

Fizàrana mampihatra

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika telon’ny mahazo fahalalana ara-panahy. Izy ireo dia hita ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mba hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ireny fitsipika ireny dia asao izy ireo ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra eo ambanin’ny ireo lohateny ny zavatra tadidin’izy ireo momba ny fitsipika tsirairay araka izay betsaka indrindra azon’izy ireo atao.

Avy eo dia asehoy ity rafi-tantara manaraka ity na omeo tahadika hojereny mandritra ny ambin’ny lesona ny mpianatra. Azonao atao ny manamboatra ilay rafi-tantara mba hifandray tsara kokoa amin’ny filan’ny mpianatra na angataho ny mpianatra hamorona ny rafi-tantarany manokana momba ny fihazonana ny fanekempihavanan’ny batisa.

Tsikaritr’i Anna fa i Paula, izay ankizivavy ao amin’ny kilasy misy azy any am-piangonana, dia miady mafy mba ho sambatra sy hahazo namana. Naheno i Anna fa indraindray i Paula dia misafidy ny tsy hanatrika fiaraha-mientan’ny zatovo na fivoriam-piangonana satria mahatsapa ho tsy mifanentana amin’ny ankizivavy hafa izy. Te hanampy an’i Paula hahatsapa ho voaray tsara kokoa i Anna saingy tsy tena niresaka tamin’i Paula mihitsy izy ary manahy fa sao dia mahakamo na tsy mety ny manatona azy.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiasa ao anatina vondrona kely mba hamaly ity fanontaniana manaraka ity ka hanomanany tolo-kevitra azon’izy ireo zaraina amin’i Anna. Azonao atao ny manome ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hifantohan’izy ireo amin’izany. Avy eo dia asao ny mpianatra hizara ny valin-teniny amin’ny iray kilasy.

  • Ahoana no hampiasanao ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 18:8–10 mba hanampiana an’i Anna amin’ny toe-javatra misy azy?

Amporisiho ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ilay fanontaniana teo aloha amin’ny alalan’ny fampiasana ny Môzià 18:8–10 sy ny zavatra tadidin’izy ireo tamin’ny fandalinana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy tao anatin’ity enim-bolana ity. Raha mbola mila fanampiana izy ireo, dia azonao atao ny mampiseho na manome ny mpianatra tahadika iray amin’ireto fanontaniana manaraka eo ambanin’ny fitsipika tsirairay ireto. Raha nasianao fanamboarana ilay rafi-tantara mba hifanaraka tsara amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra, dia amboary ihany koa ireo fanontaniana.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona avy no andinin-tsoratra masina na teny nambarana mpitarika ao amin’ny Fiangonana fantatrao ka azonao anampiana an’i Anna? Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 18:8–10 manampy?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny firesahana amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy manome an’i Anna fahatakarana misimisy kokoa momba ny toe-javatra misy an’i Paula?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona momba ny fomba ahitan’ny Tompo ny fanekempihavanan’ny batisa no ilain’i Anna takarina ka afaka manampy azy handresy ny fahatsapana fisalasalana ananany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ny zavatra tsapan’ny Tompo momba an’i Paula manampy an’i Anna?

  • Ahoana no ahafahan’ny fampaherezana an’i Paula manampy an’i Anna ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no azon’i Anna atao mba hihazonana ireo fampanantenana manokana atao amin’ny batisa izay ampianarin’i Almà ao amin’ny Môzià 18:8–10?

    Hevero ny hanasa ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra noraisin’izy an-tsoratra momba ny zavatra nianarany tao amin’ny Môzià 18, ka hitady hevi-baovao hafa momba ny fomba ahafahan’i Anna miara-malahelo, mampionona na mitondra ny enta-mavesatr’i Paula. Avy eo dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany sy ny zavatra hatorony an’i Anna.

  • Inona avy ireo ohatra momba an’i Jesoa Kristy manampy ny hafa mety hozarainao amin’i Anna mba hanampiana azy hiasa amim-pinoana?

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ity sahanasa famerenana manaraka ity dia tokony hampiasaina amin’ny lesona izay hampianarina tsy ho ela.

Avereno jerena andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10 amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hiaraka hamerina izany imbetsabetsaka. Avy eo dia hevero ny hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa nohalalinin’izy ireo hatreto, amin’ny alalan’ny famerenana azy ireny ihany koa.

Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 18:8–10 dia ny hoe “Aoka -hatao batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo.-”

Mety ho azonao heverina ihany koa ny hampiasa indray ilay sahanasa fandaminana naroso any am-piandohan’ity lesona ity.

Hamoaka printy