Seminera
Mosiah 18–24: Topimaso ankapobeny


“Môzià 18–24: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 18–24,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 18–24

Topimaso ankapobeny

I Almà dia nampianatra ny vahoankany teo amin’ny ranon’i Môrmôna momba ny fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra rehefa atao batisa isika. Nandritra izany fotoana izany, i Noà Mpanjaka sy ny vahoakany dia namoy ny fitahian’ny fiarovana ka niaina fijaliana lehibe noho izy ireo nandà an’i Abinadia. Ny Môzià 21–24 dia mamaritra ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà, izay samy nandalo fanamby sarotra. Ireo vondrona ireo dia nitodika tamin’ny Tompo mba hahazo tanjaka sy fanafahana amin’ny fahababoana.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môzià 18

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fanekempihavanan’ny batisa sy ny fomba ahafahan’izany miantraika amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ Andriamanitra sy ny hafa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitondra ao an-dakilasy sary iray na teny nosoratan’izy ireo tao amin’ny diariny momba ny andro nanaovana ny batisan’izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany ireo olon-kafa izay nanatrika izany momba ny zavatra tadidin’izy ireo. Izay rehetra tsy mbola vita batisa dia afaka mivonona hizara ny eritreritra sy fahatsapana niainan’izy ireo nandritra ny fotoana nanatrehan’izy ireo batisa na fanontaniana mety hananan’izy ireo momba ny batisa.

  • Horonan-tsary:Maso hahita” (9:44; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:55 hatramin’ny 6:53)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférenc: Alohan’ny fotoam-pianarana, hevero ny hanasa ny mpianatra hanome anao sary nalaina tamin’ny andro nanaovana batisa azy ireo. Asehoy ireny sary ireny hanombohana ny fotoam-pianarana, ary asao hiezaka hamantatra hoe sarin’iza avy izy ireo. Avy eo dia asao ny mpianatra hizara fahatsiarovana sy fahatsapana tamin’ny batisany.

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 18:8–10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fampiasana io andinin-tsoratra masina io.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiezaka hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10.

  • Votoatin-kevitra tokony haseho: Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10, na izany soratana eny amin’ny solaitrabe ka akorontana ny filaharan’ny teny na soratana amina tapa-taratasy misaraka ary apetraka eny amin’ny solaitrabe atao mikorontana

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiseho ireo fitsipika telon’ny mahazo fahalalana ara-panahy atao endrika lohateny eo amina tahirin-kevitra iray azon’ny mpianatra ovana. Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipika ireo amin’ny alalan’ny fanoratana ny zavatra tsaroan’izy ireo momba ny fitsipika tsirairay eo ambanin’ny lohateny mifandray amin’izany.

Môzià 19–20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hihaino ireo fampitandremana sy ireo fampianaran’ireo mpaminanin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ohatra iray avy ao amin’ny soratra masina na ny fiainan’izy ireo manokana izay manohana ity fanambarana manaraka ity. Amporisiho izy ireo mba ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara ny ohatr’izy ireo. “Ny tantara dia naneho fa misy fiarovana sy fiadanana, firoboroboana ary fahasambarana avy amin’ny fanatanterahana ny torohevitry ny mpaminany (M. Russell Ballard, ” (Vous recevrez sa parole,” Ensign, mai 2001, 65).

  • Sary: Sarina zavatra na fitaovana fiarovana; sarin’i Abinadia eo anoloan’i Noà Mpanjaka; ny kisarin’ny dia teo anelanelan’i Zarahemlà sy ny tanin’i Nefia

  • Fitaovam-pandalinana: Tahadika vita printin’ny Ho zatovo mahery! (kiboky, 2011) ho an’ny mpianatra izay tsy manana fahafahana hahazo ilay kiboky amina fitaovana elektrônika

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Any am-piandohan’ny fotoam-pianarana, dia angataho ny mpianatra hitady zavatra izay natao hiarovana azy ireo any an-tranony. Asao izy ireo hampiseho ilay zavatra amin’ny iray kilasy.

Môzià 21–24, Tapany 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa fahatokiana mitombo ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika fitsapana sy fahoriana eo amin’ny fiainany izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azo atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra momba ny fitsapana na fanamby iray tany aloha izay nanampy azy ireo hiaina fitomboana na hanatona akaiky kokoa ny Tompo. Amporisiho ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na ny fomba mety ho nitondran’izany fitsapana izany zavatra tsara teo amin’izy ireo.

  • Zavatra: Kitapo babena iray sy zavatra mavesatra vitsivitsy hatao ao anatin’izany

  • Sary: Ilay kisarin’ny dia teo anelanelan’i Zarahemlà, ny tanin’i Nefia, ny ranon’i Môrmôna, ary ny tanin’i Helama

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Ao amin’ny fizarana hoe “Nahoana ny Tompo no mamela ny fitsapana hisy,” hevero ny hanasa ny antsasaky ny kilasy handalina ireo andininy momba ny vahoakan’i Limia ary ilay antsasany hafa handalina ireo andininy momba ny vahoakan’i Almà. Mampiasà salles de répartition mba hahafahan’ny mpianatra mifanakalo hevitra amin’ny zavatra nianaran’izy ireo, ary apetraho amin’ny vondrona tsirairay ny fanontaniana fanombanana ny fahatakarana.

Môzià 21–24, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hiantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanampy azy ireo mandritra ireo fitsapana lalovan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny miresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mombana fitsapana na fahoriana niainan’ilay olona ao amin’ny fianakaviana sy ny fomba nanatanjahan’ny Tompo azy hiaritra izany.

  • Sary: Ilay kisarin’ny dia teo anelanelan’i Zarahemlà, ny tanin’i Nefia, ny ranon’i Môrmôna, ary ny tanin’i Helama

  • Taratasy zaraina:Môzià 21–24: Hery sy fanafahana”

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa vitan’ny mpianatra ny famenoana ilay tabilao, dia hevero ny hampiasa solaitrabe fotsy (tableau blanc) na hizara ny efijerinao amin’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mampiseho ireo andian-teny tian’izy ireo indrindra avy ao amin’ny soratra masina nohalalinin’izy ireo.

Hamoaka printy