Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 8: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 8: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 8,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 8

Ianaro tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

I Kristy manolo-tanana ny olona

Ny fitadidiana andinin-tsoratra masina sy ny zavatra ampianarin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tsianjery ny iray na ny maromaro amin’ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Mampiasa sary hosodoko sy sary hafa. Fomba iray anampiana ny mpianatra hitadidy tantara ao amin’ny filazantsara sy fotopampianarana ary fitsipika ny fampiasana sary, ao anatin’izany ny sary hosodoko sy ny kisary. Asao hihevitra ny fahatsapana sy eritreritr’izy ireo ny mpianatra rehefa mijery ireo sary izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitondra na ho vonona hamariparitra ny sarin’i Jesoa Kristy izay tian’izy ireo indrindra ary hizara hoe inona amin’ilay say no mampy azy ireo hahatsiaro momba Azy.

Sahanasa fianarana azo atao

Mety ho tokony hampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana hanaovana ny lesona izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra rehefa mandeha ny seminera.

Sary sy fitadidiana

Raha nahavita ny fanomanana ny mpianatra ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ilay sary nentin’izy ireo sy ny hevi. Azonao atao ihany koa ny manome azy ireo minitra vitsy hitadiavana sary iray amina fitaovana elektronika, raha manana izy ireo. Raha hosoloina zavatra hafa izany, dia mampisehoa sarin’ny Mpamonjy ary asao hamaly ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra.

I Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty
I Jesoa manolo-tanana am-pitiavana zaza iray
I Jesoa mamonjy zanak’ondry very iray
  • Inona avy ireo zavatra azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fijerena ireo sary ireo?

Ny sary dia afaka manampy antsika hitadidy tranga na fahamarinana manan-danja. Ao amin’Ity lesona ity dia hanana fahafahana hampiasa sary ianao hanampiana anao hanao tsianjery ny toko sy andininy ary andian-teny manan-danja amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Voatanisa eto ambany ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina ireo sy ny andian-teny manan-danja ao amin’izy ireo.

Asehoy ity tabilao manaraka ity mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany mandritra ny lesona.

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo … [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo.”

Mampifandray sary amin’ireo fampianaran’ny filazantsara

Avereno jerena ireto toko sy andin-tsoratra masina manaraka ireto ary manandrama mitadidy ireo andian-teny manan-danja ao amin’izy ireo. Ampiasao ny tabilao eo ambony raha ilaina. Avy eo dia ampifandraiso amin’ny sary izay tena maneho indrindra ny fampianarana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina ny toko sy andininy tsirairay.

Hevero ny hampiseho sary isan-karazany izay afaka mifandray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary hanasa ny mpianatra hifantina ireo izay misy ifandraisany amin’izy ireo indrindra sy hanazava ny anton’izany. Raha hosoloina zavatra hafa izany, dia asao ny mpianatra hitady sary izay hanampy azy ireo hahatadidy ireo fahamarinana ao amin’ireto andininy manaraka ireto ao amin’ny Médiathèque de l’évangile an’ny Fiangonana.

  1. 2 Nefia 26:33

  2. 2 Nefia 32:8–9

  3. Môzià 2:17

zatovo iray mivavaka
zatovo manao asa fanompoana
i Kristy miaraka amin’ny ankizy

Hamorona sary

Mety ho azo atao samirery na miaraka tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ity sahanasa manaraka ity. Hevero ny hamorona ohatra ana sary miaraka amin’ny mpianatra rehetra, dia asao izy ireo avy eo hanao ny azy ireo manokana.

Misafidiana toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja tianao hotadidìna tsara kokoa. Manaova sary mba hanampy anao hitadidy ny andian-teny manan-danja ary ampidiro ao anatin’izany ny toko sy andininy. Mety haneho zavatra nitranga ny sarinao, na mety hahitana sary samy hafa hanehoana ilay teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izany. Ohatra, ity sary fanehoana manaraka ity dia afaka manampy anao hahatadidy ny 2 Nefia 2:25: “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.” Raha manana fotoana ianao, dia azonao atao ny mamorona zavatra izay afaka manampy anao hitadidy ilay andininy manontolo izay safidìnao.

Sary fanehoana ny andian-teny manan-danja avy ao amin’ny 2 Nefia 2:25

Avelao ny mpianatra hizara tsiroaroa, anatina vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy ny sary izay nataony. Asao izy ireo hanazava ny fomba hanampian’ilay sary azy ireo hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Asao ny mpianatra mba hitady fahafahana hizarana ny sary nataony amin’ny fianakavian’izy ireo na namana iray. Hevero ny hampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny andininy nosafidin’izy ireo.

  • Manampy anao hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany io andinin-tsoratra masina io?

  • Ahoana ny mety hanampian’ny fitadidiana io andininy io anao hahatadidy ny Mpamonjy na ho lasa mitovy kokoa amin’i Mpamonjy?

  • Inona no zavatra niainanao na olon-kafa izay mifandray amin’ny fotopampianarana ao amin’io andalan-tsoratra masina io?