Seminera
Tombano ny fianaranao 4: Enôsa–Môzià 17


“Tombano ny fianaranao 4: Enôsa–Môzià 17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 4,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 4

EnôsaMôzià 17

Sary
zatovo miara-mandalina sy miresaka momba ny soratra masina

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna hatreto.

Manampy ny mpianatra hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Mba hanaovana asa hanatanterahana izay azo tamin’ny fanambarana, dia tsy maintsy mahafantatra ny mpianatra fa mandray fanambarana izy ireo. Ampio hahatakatra ny mpianatra fa ny fahatsapana ara-panahy ananan’izy ireo dia mifandray amin’ny Fanahy Masina. Rehefa manao fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba ampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara ianao, dia manome fahafahana ny Fanahy Masina mba hibitsika amin’ ny mpianatra ny zavatra tokony hataon’izy ireo mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka amina ray na reny na namana momba ny zavatra ataon’ny mpaminany sy ny fomba nitaoman’ny mpaminany na nitahiany azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireto sahanasa manaraka ireto dia natao hanampiana ny mpianatra hanombana ny tanjon’izy ireo, ny fahafahany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fomba iovan’ny fihetsik’izy ireo sy ny fanirian’izy ireo, ary ny fahafahan’izy ireo miaina ny filazantsara.

Mety nifantoka tamina fahamarinana samy hafa ny kilasy misy anao tamin’ny fandalinany ny EnôsaMôzià 17. Raha izany no izy dia aza misalasala mamorona sahanasa fanombanana izay miresaka ireny fahamarinana samy hafa ireny. Mba hahazoana fanampiana amin’ny fampifanarahana na famoronana sahanasa fitsapam-pahaizana, dia jereo ny Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana, izay hita ao amin’ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

“Tombano … ary manaova ezaka hatrany”

Zava-dehibe ny maka fotoana tsindraindray hisaintsainana sy hanombanana ny fandrosoantsika. Nanambara toy izao ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny fanasana ataoko amintsika rehetra dia ny handinika ny fiainantsika, hibebaka, ary hanohy hiezaka. … Rehefa miova isika dia hahita fa tena miraharaha bebe kokoa marina mikasika ny maha-isika antsika sy izay hahatongavantsika Andriamanitra, fa tsy izay naha-isika antsika teo aloha. (Dale G. Renlund, “Manohy miezaka ny Olomasin’ny Andro Farany,” Liahona, mey 2015, 58)

Azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha ilaina dia ampiasao ireo sahanasa ao amin’ny lesona mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny tenany amina sehatra voafaritra tsara kokoa.

  • Amin’ny lafiny inona no tsapanao fa itomboanao na iovanao noho ny zavatra ianaranao avy amin’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana ny fandrosoanao tamin’ireo tanjona napetrakao?

  • Inona no tianao hotohizana hatsaraina, na mety hahasoa kokoa ve raha misafidy sehatra ifantohana hafa?

Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy anao hanombana ny fahatakaranao, ny fahalalanao ary ny fandrosoana ezahinao atao. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hahafantatra ireo ezaka ataonao sy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra.

Manazava ny anjara asan’ny mpaminany

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny fanazavana ny anjara asan’ny mpaminany. Hanombohana azy dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hitantara fohifohy ny tantaran’i Abinadia.

Rehefa nandalina momba an’i Abinadia mpaminany tao amin’ny Môzià 11–17 ianao, dia mety fantatrao fa i Almà dia nino fa mpaminany izy ary nanaraka ireo fampianarany, fa i Noà Mpanjaka sy ny mpisorona hafa kosa dia nandà azy teo imasom-bahoaka. Mety ho tsikaritrao amin’izao androntsika izao fa ny olona sasany dia manaiky ny mpaminany fa ny hafa kosa dia mandà azy ireny.

Ampiasao ireto loharano manaraka ireto na hafa izay hitanao mba hanomanana valinteny fohy hanampiana olona iray hahatakatra hoe inona izany mpaminany izany sy ny antony ilana ny mpaminany ankehitriny. Mampidira soratra masina iray na maromaro hanohanana ny valinteninao.

Mba hanovaovana izany dia azon’ny mpianatra atao ny mamorona zavatra havoaka amina tambajotra sôsialy na horonan-tsary fohy izay azo zaraina amin’ny iray kilasy. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny miasa tsiroaroa hanomanana ny valintenin’izy ireo.

Azonao heverina ny hampiseho ireto loharanon-kevitra sy fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra rehefa manomana izy ireo. Mety hanampy ihany koa ny fandehandehanana eran’ny trano mba hanampiana tsara kokoa ireo izay mety manana fanontaniana.

Loharanon-kevitra ao amin’ny soratra masina izay mety hanampy:

Fanontaniana azonao dinihina rehefa mandrafitra ny valinteninao:

  • Inona no atao hoe mpaminany ary inona no ataon’ny mpaminany?

  • Inona avy no fanontaniana na tsy fahazoan-kevitra mety hananan’ny olona momba ny mpaminany?

  • Inona ihany koa no azonao zaraina hanampiana ny hafa hahatakatra ny antony iantsoan’ Andriamanitra mpaminany ankehitriny?

Omeo fotoana hanoloran’izy ireo ny valinteniny na hifandimbiasan’izy ireo manazava ny anjara asan’ny mpaminany ny mpianatra.

Manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy manompo ny hafa

Ity sahanasa ity dia afaka manampy ny mpianatra hanara-maso ny fivoarany tamin’ireo fanasana hanao zavatra zay notanterahin’zy ireo sy hanombana ny fivoarany sy ny fandrosoan’izy ireo.

Iray amin’ireo fahamarinana nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny hoe ny asany sy ny voninahiny dia ny manampy ny zanany hahazo ny fiainana mandrakizay (jereo ny Mosesy 1:39). Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Benjamina Mpanjaka dia nanazava fa iray amin’ireo fomba ahafahantsika manatanteraka ny asan’ Andriamanitra ny fanompoana ny hafa (jereo ny Môzià 2:17). Vao haingana kokoa, ny Filoha Bonnie H. Cordon, izay Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, dia nampianatra toy izao:

Ny tanjontsika mandrakizay dia ny hanatona an’i Kristy sy hanampy Azy amim-pahazotoana ao anatin’ilay asany lehibe. Tsotra kely ny manao izany araka ny nampianarin’ny Filoha [Russell M.] Nelson: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika … manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika.” Manjary mahafantatra sy tia Azy bebe kokoa isika eo am-piarahana miasa Aminy. (Bonnie H. Cordon, “Manatòna an’i Kristy kanefa aza manatona irery,” Liahona, nôv. 2021, 11)

Mieritrereta tanjona na drafitra izay mety nanananao tamin’ireo lesona voalohandohany ka manampy anao handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny:

  • Fanampiana ny Tompo amin’ny asany hanangona an’i Isiraely (jereo ny Jakôba 5:71–72, 75)

  • Fanompoana ny hafa amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy (jereo ny Môzià 2:17)

  • Fiezahana manatratra tanjona hafa mifandray amin’ny filazantsara izay efa anaovanao ezaka na tianao hatomboka hanaovana ezaka

Omeo fotoana hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra. Henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy raha manasa ny mpianatra hizara hevitra momba ny fandrosoan’izy ireo ara-panahy ianao.

  • Ahoana no fomba nivoaranao (na nahoana ianao no te) hivoatra amin’io sehatra io? Inona no nataonao (na azonao natao) mba hampisy izany fivoarana izany?

  • Inona ny sasantsasany amin’ireo sakana na ady niainanao (na nandrandrainao mba hiainana? Ahoana no niezahanao (na nahafahanao) niezaka nandresy azy ireny?

  • Ahoana no nahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra rehefa niezaka nanatratra io tanjona io ianao? Nahoana araka ny eritreritrao no ho faly amin’ireo ezaka ataonao Izy?

Mahatsapa fahasambarana sy fifaliana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanombana ny halehiben’ny fahasambarana sy ny fifaliana iainan’izy ireo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mba hamporisihana ny fitadidian’ny mpianatra dia azonao heverina ny hampiseho sary maneho ireo tantara ao amin’ny soratra masina ireo.

Tao anatin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna dia namaky tantaran’olona maro izay nahita fifaliana sy fahasambarana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ianao. Makà fotoana hamerenana mijery ny sasany amin’ireny ohatra ireny. Ahitana ireto manaraka ireto izy ireny:

Eritrereto ny mety hahafahanao mamaritra na maneho ny fahasambarana tsapanao amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Azonao heverina ny hanomboka ity sahanasa kisary famoahan-kevitra ity eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny iray kilasy, alohan’ny hiasan’ny mpianatra samirery. Omeo toky ny mpianatra fa an’ny tenan’izy ireo manokana ny eritreritr’izy ireo ka tsy mila zaraina.

Soraty eo afovoan’ny taratasy iray tsy misy na inona na inona ao amin’ny diary fandalinanao na amina taratasy iray mitokana soraty ny teny hoe Fifaliana sy fahasambarana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Manaova faribolana manodidina ireo teny ireo. Dia manomboha amin’izay mampiditra hevitra izay ampifandraisinao amin’ireo teny ireo. Hanombohana azy dia azonao atao ny mihevitra ny fomba hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Tsapanao ve fa mitondra ny anjara birikiny amin’ny fifaliana eo amin’ny fiainanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Nahoana, na nahoana no tsia?

  • Inona no nianaranao tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ka nanampy anao hahatsapa ho sambatra kokoa?

  • Tsapanao ve fa tsara kokoa ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy noho ny fandalinana soratra masina ataonao? Nahoana, na nahoana no tsia?

Rehefa mieritreritra hevitra ianao dia soraty amin’ny taratasinao izy ireo ary asio faribolana. Ampifandraiso izy ireo na avereno ampifandraisina amin’ilay andian-teny eo afovoany. Rehefa manampy eritreritra sy hevitra misimisy kokoa ianao, dia mety hanomboka hanana endrika toy izao ny kisary famoahan-kevitra izay nataonao:

Sary
kisary famoahan-kevitra tsy mbola nofenoina

Omeo fotoana hanohizan’izy ireo manao ny kisary famoahan-kevitr’izy ireo ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mampiasa lokona pensilihazo na penina samy hafa mba hanasongadinana hevitra manan-danja.

Rehefa vita ny kisary famoahan-kevitra nataonao, dia hevero ny hametraka izany amin’ny toerana hahitanao azy amin’ny herinandro manaraka. Azonao atao ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahazo sy hahafantatra fifaliana sy fahasambarana lehibe kokoa ao amin’ny Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Na dia tsy tanjona aza ny hizaran’ny mpianatra ny kisary famoahan-kevitr’izy ireo, dia azonao atao ny manasa mpianatra hiresaka ny zavatra tsapan’izy ireo tamin’ny fotoana namoronan’izy ireo izany. Henoy tsara ary araho ny bitsiky ny Fanahy rehefa mieritreritra ny hoe hanasa ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo sa tsia.

Hamoaka printy