Seminera
Môzià 11–17: Topimaso ankapobeny


“Môzià 11–17: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 11–17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 11–17

Topimaso ankapobeny

Ny Tompo dia naniraka an’i Abinadia nitondra hafatra ho an’i Noà Mpanjaka sy ny vahoakany izay miantso azy ireo mba hibebaka sy hisoroka ny fijaliana izay mety ho avy noho ny fitondrantenan’izy ireo feno fahotana. Nampianatra an’i Noà sy ireo mpisorony momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny famonjena azy ireo sy ny maha-zava-dehibe ny fananana ireo didin’ Andriamanitra misoratra ao am-pon’izy ireo i Abinadia. Na dia vonona ny hamono azy aza i Noà Mpanjaka, dia fantatr’i Abinadia fa havelan’ Andriamanitra hamarana ny hafatra nanirahana azy izy. I Almà, iray tamin’ireo mpisoron’i Noà Mpanjaka, dia nino an’i Abinadia. Rehefa avy nampita ny hafatra nentiny sy ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy nentiny i Abinadia, dia novonoina izy.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môzià 11–17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fanirian’ny mpianatra hanaiky ireo mpaminanin’ny Tompo sy hanao asa mifanaraka amin’ireo fanasana omen’izy ireo izay avy amin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitra fohifohin’ireo fanasana henon’izy ireo nomen’ireo mpaminany vao haingana. Angataho izy ireo mba ho tonga efa vonona hizara ny maha-porofon’ny fitiavana sy fiahian’ny Tompo azy ireo ireny fanasana ireny.

  • Horonan-tsary:Almà décrit la méchanceté du roi Noé” (2:26); “Ny fitiavan’ Andriamanitra” (13:11; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 6:35 hatramin’ny 7:04); “Abinadi est mis à mort à cause de sa foi” (4:28)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiseho soratra masina amin’ny endriny nomerika. Asongadino ilay andian-teny miverimberina hoe “raha tsy mibebaka izy” ao amin’ny Môzià 11:20–25 ary mampisehoa ohatra iray amin’ny mpianatra ny amin’ny fomba fanamarihana ireo andian-teny miverimberina ao amin’ny soratra masina.

Môzià 12–13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy rehefa soratan’izy ireo ao am-pon’izy ireo ny didy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny mangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana mba hizara zavatra niainana iray rehefa lasa zavatra nanan-danja manokana tamin’izy ireo ny didy iray.

  • Horon-antsary:Abinadi témoigne devant le roi Noé et ses prêtres” (4:35)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa angatahina hamantatra ny tsirairay amin’ireo Didy Folo ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hanao lisitra ao amin’ny chat ireo didy mba hahitana raha tadidin’ny iray kilasy avokoa izy 10.

Môzià 14–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-hany tokana afaka manavotra antsika amin’ny fahotana sy fahafatesana Azy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny hoe inona amin’ny anjara asa sy ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy no tena manan-danja amin’izy ireo ary nahoana.

  • Horonan-tsary: Fanavotana” (15:21; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:59 hatramin’ny 1:44)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hamondrona ny mpianatra amina salles de répartition ary hanendry ny vondrona tsirairay hanao ny iray amin’ireo tari-dalam-pandalinana telo ao amin’ny lesona. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ireo andininy nampanaovina azy ireo sy miomana hizara amin’ny kilasy manontolo ny zavatra ianaran’izy ireo.

Tombano ny fianaranao 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tombatombana ny tanjona napetrany sy ny fivoarana izay nitranga tamin’izy ireo nandritra ny fianarana ny Bokin’i Môrmôna.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery ny iray na roa amin’ireo andinin-tsoratra masina ary ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hitondra sarin’i Jesoa Kristy na hivonona hamariparitra ny sarin’i Jesoa Kristy izay tian’izy ireo indrindra ary hizara ny zavatra manampy azy ireo hahatsiaro Azy.

  • Sary: Sarin’ny Mpamonjy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Mandritra ilay fampiharana manao sary dia hevero ny hanasa ny mpianatra hampangina ny mikrô an’izy ireo sy hamono ny fakantsariny. Omeo 10–15 minitra izy ireo hanaovana ny sarin’izy ireo amina taratasy na amina rindrambaiko (logiciel) ao amin’ny fitaovan’izy ireo. Azonao atao ny mandefa hiran’ny The Tabernacle Choir ao Temple Square na mozika hafa mampahery ara-panahy. Avy eo dia asao ny mpianatra handefa ny mikrô sy ny fakantsarin’izy ireo indray ary hizara ny sary nataon’izy ireo.

Hamoaka printy