Seminera
Môzià 14–16: Navotan’i Jesoa Kristy Tompo


“Môzià 14–16: Navotan’i Jesoa Kristy Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 14–16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 14–16

Navotan’i Jesoa Kristy Tompo

Sary
Sarin’i Kristy

Na dia vonona ny hamono azy aza i Noà Mpanjaka, dia fantatr’i Abinadia fa havelan’ Andriamanitra hamarana ny hafatra nanirahana azy izy. I Noà sy ireo mpisorony dia nila nandre ilay hafatra hoe Andriamanitra dia miantso ny mpaminany rehetra hampianatra fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-hany tokana afaka manavotra antsika amin’ny fahotana sy fahafatesana Azy.

Miresaha, mifalia ary mitoria an’i Kristy. Mitadiava fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ary asao ny mpianatra hizara fijoroana ho vavolombelona momba Azy. Izany dia mamela ny Fanahy Masina hitondra tenivavolombelona “hankany am-pon’ny” mpianatra (2 Nefia 33:1). Io tenivavolombelona io dia afaka manampy azy ireo hanaiky an’i Jesoa Kristy ho “loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” sy hampitombo ny fiovam-pony Aminy (2 Nefia 25:26).

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny hoe inona amin’ny anjara asa sy ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy no tena manan-danja amin’izy ireo ary nahoana.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo anjara asa sy anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy

Ny tsirairay amin’ireo anjara asa sy anarana maro fiantsoana an’i Jesoa Kristy dia afaka manana heviny manokana amintsika amin’ny lafiny sasany eo amin’ny fiainantsika. Ohatra, mety ho takatsika tsara amin’ny maha “Tompo Andriamanitra Tsitoha” Azy i Jesoa Kristy (Môzià 11:23) rehefa mila fanampiana isika ka Izy irery ihany no afaka manome azy.

Makà iray minitra hanaovana lisitra ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy avy ao amin’ny soratra masina ka mampianatra antsika momba Azy.

  • Iza amin’ireo anarana maro iantsoana an’i Jesoa araka ny eritreritrao no mety hanampy hamantarana kokoa ny momba Azy? Nahoana?

Asao ny mpianatra hamaky ny Môzià 13:33 sy ny 16:15 mba hijerena anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy misimisy kokoa sy ny zavatra izay Izy irery ihany no afaka nanao Azy.

Jesoa Kristy, Mpanavotra antsika

Ny hafatr’i Abinadia tamin’i Noà sy ny mpisorona dia nifantoka tamin’i Jesoa Kristy. Nampianariny ny fahamarinana hoe amin’ny alalan’ny fanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahazoana mamonjy antsika (jereo ny Môzià 13:33; 16:15). Rehefa mandalina ny tenin’i Abinadia ianao, dia mitadiava zavatra azonao ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny anjara asany amin’ny maha-Mpanavotra Azy.

Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Tao anatin’ireo anarana faran’izay manan-danja niantsoana an’i Jesoa Kristy ny hoe Mpanavotra. … Ny teny hoe manavotra dia midika hoe manefa adidy iray na mandoa trosa. Ny hoe manavotra koa dia mety midika hoe mamonjy na manafaka, ohatra hoe amin’ny alalan’ny fandoavana onitra. Raha toa misy olona nanao fahadisoana ka manitsy na manonitra izany dia lazaintsika fa nanavotra ny tenany izy. Ireo dikany tsirairay ireo dia maneho ny lafin-javatra samihafa tao anatin’ilay Famonjena lehibe notanterahan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, izay ahitana araka ny teny ao anatin’ny rakibolana ny hoe: “manavotra amin’ny fahotana sy ny sazy avy amin’izany, amin’ny alalan’ny fanaovana sorona ho an’ilay mpanota.” (D. Todd Christofferson, “Fanavotana,” Liahona, mey 2013, 109)

  • Inona no azonao ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny anarana fiantsoana Azy hoe Mpanavotra?

    Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ilay teny hoe manavotra ao amin’ny Môzià 16:15 sy manoratra ny dikan’izany.

  • Amin’ny fotoana inona no ahatsapanao fa tena ilana indrindra io fahatakarana io eo amin’ny fiainanao? Nahoana?

Azon’ny mpianatra atao tsirairay na anatina vondrona kely na indray miaraka ity fandalinana manaraka ity. Hevero ny zavatra ilain’ny mpianatrao rehefa manapa-kevitra ianao raha hampanaovina azy ireo daholo ny tari-dalam-pandalinana telo rehetra, na ny iray na roa amin’izy ireo ihany. Raha mandalina irery na anatina vondrona ny mpianatra, dia mety hanampy raha aseho ny tari-dalam-pandalinana sy votoatiny ho an’ny mpianatra mba hahafahan’ny mpianatra mandroso amin’ny hafainganam-pandehan’izy ireo. Mety ho azonao atao mihitsy aza ny mandefa hira fihirana malefaka atao hira lafika. Raha angatahinao hizara amin’ny iray kilasy ny mpianatra, dia mety hampihena ny tahotra ny fangatahana azy ireo mialoha ary mety hanampy ny mpianatra hanome ny tsara indrindra avy amin’izy ireo.

Mety hanana fanontaniana momba ireo andininy novakin’izy ireo ny mpianatra. Hevero ny hitsidika vetivety ny mpianatra tsirairay mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny soratra masina eo am-p andalinan’izy ireo.

Mieritrereta olona iray eo amin’ny fiainanao izay tsapanao fa hahazo tombony amin’ny fahatakarana fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra azy.

Halalino ireto tari-dalam-pandalinana manaraka ireto omban’ny fikasana hanampy anao hampianatra ilay olona noeritreretinao.

Tari-dalam-pandalinana 1: Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hanavotana ahy?

I Abinadia dia niresaka momba an’i Isaia ho ohatra iray amin’ireo mpaminany nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy. Namaky ireo fampianaran’i Isaia izy mba hanehoana fa Andriamanitra Izy Tenany no ho avy eto an-tany, ho “hampahoriana sy hampijaliana” (Môzià 13:35) mba ho fanavotana antsika amin’ny fahalavoana sy ny fahaverezana.

Vakio ny Môzià 14, ka tadiavo ireo teny sy andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny sarany izay nefain’i Jesoa an-tsitra-po mba hanafahana anao amin’ny fahotana sy ny fahafatesana.

Mety ho azonao atao ny mizara ireto fanazavana manaraka ireto amin’ny mpianatra:

  • “Ny famaizana nahatra taminy no nahazoantsika fiadanana” (andininy 5): Ny fahotana rehetra ataontsika dia misy vokany daholo, ao anatin’izany ny fahatsapana ho meloka, fanaintainana, fahoriana ary fisarahana amin’ Andriamanitra. Niaritra ny vokatry ny fahotantsika i Jesoa Kristy mba hahafahantsika miaina famelan-keloka sy fiadanana.

  • “Ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika” (andininy 5): Amin’ny alalan’ny fijaliany, i Jesoa Kristy dia afaka manasitrana antsika amin’ny ratran’ny fahotantsika sy ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ao anatin’izany ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana.

  • “Sitraky ny Tompo ny hanorotoro Azy” (andininy 10): Faly ny Ray any An-danitra fa nanolotra ny Tenany tamim-piniavana hatao sorona noho ny fahotan’ny hafa i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 11:7, 11; Jaona 3:16).

  • Inona no teny na andian-teny avy amin’ireo andininy ireo hozarainao amin’ilay olona noeritreretinao?

Tari-dalam-pandalinana 2: Ahoana no ahafahako ho voatahy amin’ny alalan’ny Fanavotan’i Jesoa Kristy?

Azonao alaina sary an-tsaina ve hoe hanao ahoana ny fiainana raha tsy nanatanteraka ny anjara asany amin’ny maha-Mpanavotra Azy i Jesoa Kristy? Makà fotoana hieritreretana hoe hanao ahoana ny fiainanao raha tsy misy an’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Môzià 15:19; 16:4–7 ka tadiavo ny famaritan’i Abinadia ny fiainana tsy misy ny fanavotan’i Kristy.

Vakio ny Môzià 15:20–25; 16:8–10 mba hahitana ireo fitahiana azontsika sitrahina noho ny Mpanavotra antsika.

  • Inona no tianao ho fantatr’ilay olona noeritreretinao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo?

Tari-dalam-pandalinana 3: Nahoana no indraindray antsoina hoe Ray i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina?

I Abinadia dia nampianatra momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra sy amin’ny maha-Ray Azy. Ny ray dia olona iray izay manome aina. I Jesoa Kristy dia tahaka ny Ray amintsika satria afaka manome antsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay Izy. Tsy midika izany akory fa olona iray ihany Izy sy ny Ray any An-danitra. Vakio ny Môzià 15:1–9 ka tadiavo ireo antony mahatonga an’i Jesoa ho azo antsoina hoe Raintsika mandrakizay.

Mety hanampy raha vakin’ny iray kilasy ireo andininy ireo. Miatoa kely aorian’ny andininy sasantsasany mba hanasongadinana teny na andian-teny izay hanampy ny mpianatra raha marihin’izy ireo sy hanomezana ny mpianatra fahafahana mametraka fanontaniana.

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Araka izay nampianarin’i Abinadia dia “notorontoronina tamin’ny herin’ Andriamanitra ” i Kristy (Môzià 15:3] ary noho izany dia manana ny herin’ny Ray ao anatiny Izy. Ankoatra izany maha zanak’ Andriamanitra mivantana Azy izany, i Kristy koa dia manao ny asa amin’ny maha Ray Azy amin’ny maha Mpahary ny lanitra sy ny tany Azy (jereo ny Môzià 15:4) sy raintsika amin’ny fahaterahantsika indray ara-panahy sy ny famonjena antsika ary mahatoky amin’ny fanajana ny sitrapon’ny Rainy mihoatra noho ny Azy; noho izany Izy dia afaka mangataka ny herin’ny sitrapon’ Andriamanitra. (Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 183–84)

  • Amin’ny fomba ahoana no sady maha Ray no maha Zanaka an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no mety hanampy ilay olona noeritreretinao ny fahafantarany izany momba an’i Jesoa Kristy?

Azo atao ny manasa ny mpianatra hanolotra ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny iray kilasy na anatina vondrona kely. Azo atao ihany koa ny mamporisika ny mpianatra hizara ilay hafatra any an-trano na amin’ilay olona noeritreretin’izy ireo.

Hamoaka printy