Seminera
Môzià 12–13: Manana ny didy voasoratra ao am-ponareo


“Môzià 12–13: Manana ny didy voasoratra ao am-ponareo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 12–13,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 12–13

Manana ny didy voasoratra ao am-ponareo

Sary
zatovo mipetraka manao faribolana ao amin’ny kilasy

I Noà sy ireo mpisorony dia tokony ho mpitarika ara-panahy. Saingy niaina tao anatin’ny fahotana izy ireo ary nampianatra ny vahoakany hanao toy izany koa. Nampianatra azy ireo momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny famonjena azy ireo sy ny maha-zava-dehibe ny fananana ireo didin’ Andriamanitra voasoratra ao am-pon’izy ireo i Abinadia. Mandritra ity lesona ity dia hianatra hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy ianao rehefa soratanao ao am-ponao ny didy.

Fankatoavana sy fitiavana. Nampianatra toy izao ny Mpamonjy: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15). Rehefa ny fitiavana no mandrisika ny fankatoavana dia lasa mandeha ho azy sy manan-danja kokoa izany. Ampio ny mpianatra hahita ny fifandraisana manan-danja eo amin’ny fiainana ny filazantsara sy ny fitiavana ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny mangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana mba hizara zavatra niainana iray rehefa lasa zavatra nanan-danja manokana tamin’izy ireo ny didy iray.

Sahanasa fianarana azo atao

Ahoana ny hanombananao ny fankatoavanao?

Azonao atao ny manoratra ireto teny nambara anankiroa manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ary avy eo dia manasa ny mpianatra hanombana mangina hoe toy ny ahoana no hamaritan’ireo teny nambara ireo azy ireo amina mari-drefy 1–10 (ka ny 10 dia midika hoe mamaritra tsara azy ireo izany).

  • MAHATSAPA ny maha-zava-dehibe ny didin’ Andriamanitra aho

  • MANKATÒ ny didin’ Andriamanitra aho

  • Inona no mety ho olana raha misy olona mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny didin’ Andriamanitra fa tsy mankatò?

  • Inona no mety ho olana raha misy olona mankatò ny didin’ Andriamanitra fa tsy mahatsapa ny maha-zava-dehibe azy ireo?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia saintsaino ny fahatsapanao momba ny didin’ Andriamanitra sy ny fankatoavanao izany.

Fankatoavana avy ao am-po

Rehefa avy nampidirina am-ponja noho ny fijoroany ho vavolombelona momba ny faharatsian’i Noà Mpanjaka i Abinadia (jereo ny Môzià 12:9–17), dia nentina teo anatrehan’i Noà sy ny mpisorony izy. Niteny mafy azy ireo i Abinadia noho izy ireo nody nahatakatra sy nampianatra ny tenin’ Andriamanitra kanefa tsy nampilofo ny fony tamin’ny fahatakarana. Nilaza ny mpisoron’i Noà fa nampianatra ny lalàn’i Mosesy, saingy tsy nitandrina ny lalàn’i Mosesy na nankatò ireo Didy Folo izy ireo. Nampianarin’i Abinadia an’i Noà sy ny mpisorony ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo didy folo (jereo ny Môzià 12:25–37).

Azonao atao ny misafidy ny hampiasa ny ampahany na izy manontolo amin’ny horonan-tsary hoe “Abinadi témoigne devant le roi Noé et ses prêtres” (4:35), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, nandritra ny lesona.

Alohan’ny hamakian’ny mpianatra ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto dia azonao atao ny mangataka azy ireo hitanisa Didy Folo araka izay betsaka indrindra azon’izy ireo atao avy amin’ny fitadidiany. Rehefa milaza ireo didy ny mpianatra, dia soraty eo amin’ny solaitrabe izany. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny mampiasa ity fikarohana ao amin’ny soratra masina manaraka ity mba hamitana ilay lisitra.

Vakio ny Môzià 12:34–36; 13:15–24 ary fantaro ny tsirairay amin’ireo Didy Folo. Hevero ny hanisy laharana azy ireo ao amin’ny soratra masinao.

Vakio ny Môzià 13:11 ary tadiavo ny iray amin’ireo antony nampianaran’i Abinadia ireo Didy Folo an’i Noà sy ny mpisorony.

  • Inona avy no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io andininy io?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io andininy io ny hoe ny didin’ Andriamanitra dia mila soratana ao am-pontsika.

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe manana ny didy voasoratra ao am-pontsika?

  • Afaka mankatò ny didy iray ve ny olona raha tsy voasoratra ao am-pon’izy ireo izany? Nahoana, na nahoana no tsia?

  • Ahoana araka ny hevitrao no anampian’ny fananana ny didy voasoratra ao am-pontsika manampy antsika hanaraka an’i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Bonnie L. Oscarson, izay Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, dia nampianatra fahamarinana manan-danja izay afaka manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny hoe manana ny didy voasoratra ao am-pontsika:

Mila mamindra ny filazantsara avy ao an-dohantsika mankao am-pontsika isika! Tena mety mitranga ny hoe miaina tsotra fotsiny eny ny filazantsara isika satria izay no andrasana amintsika, na satria izay no kolontsaina nanabeazana antsika, na hoe satria fahazarana izany. …

Mila mikatsaka ny hanova ny fontsika sy ny tena toetrantsika isika rehetra mba tsy hanana faniriana ny hanaraka ny fomban’izao tontolo izao intsony fa hampifaly an’ Andriamanitra kosa. (Bonnie L. Oscarson, “Mino ve aho?Liahona, mey 2016, 88)

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny olona mitondra ny filazantsara avy ao an-dohan’izy ireo hankao am-pon’izy ireo?

Hevero ny haka tahaka ity sahanasa manaraka ity amin’ny alalan’ny fisafidianana ny iray amin’ireo Didy Folo ary hiaraka amin’ny mpianatra rehetra hamaly ireo fanontaniana. Ohatra, ilay didy hoe “Aza mangalatra,” rehefa voasoratra ao am-pon’ny olona iray, dia mety hitarika ny olona iray hiasa mafy sy tsy hangalatra. Mitovy amin’izany ihany, ny hoe “Aza mamono olona” dia afaka mitarika ny olona iray hanaja ny hafa sy hiezaka mafy mba tsy hamaly amin-katezerana. Avy eo dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamita samirery, na miaraka tsiroaroa, na anatina vondrona kely, ilay sahanasa.

Ny safidy hafa mety ho azo ampifanoloina amin’izany dia ny fanomezana didy samy hafa ny mpianatra sy ny fanasana azy ireo hizara amin’ny namana iray ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana, ary ampifamadihana ny namana rehefa vita ny azy ireo. Na azon’ny mpianatra lalaovina an-tsehatra ny mety ho fihetsiky ny olona iray raha voasoratra ao am-pony ny didy.

Mifantena roa na telo amin’ireo Didy Folo. Ho an’ny tsirairay amin’izy ireo dia manaova sarina fo ary soraty eo ambonin’ilay fo ilay didy. Avy eo dia soraty ao amin’ny fo tsirairay ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety hataon’ny olona na tsy hataony raha voasoratra ao am-pon’izy ireo io didy io?

  • Inona no azon’ny olona atao mba mba hahatonga io didy io ho voasoratra misimisy kokoa ao am-pon’izy ireo?

Mahatsiaro an’i Jesoa Kristy

Ankoatra ny tsy fananan’izy ireo ny Didy Folo voasoratra tao am-pon’izy ireo, dia tsy nahatakatra ny tanjon’ny lalàn’i Mosesy i Noà sy ireo mpisorony.

Vakio ny Môzià 13:28–32, hitadiavana ny tanjon’ny lalàn’i Mosesy.

  • Inona no tian’i Abinadia ho takatr’ireo mpisoron’i Noà momba ny lalàn’i Mosesy?

Nampianatra toy izao momba ny ilàna an’i Jesoa Kristy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Ny lehilahy sy vehivavy … dia afaka manatanteraka zavatra lehibe. Kanefa aorian’ny fankatoavantsika sy ny asa tsara rehetra vitantsika dia tsy afaka ny ho voavonjy amin’ny fahafatesana na ny vokatry ny fahotana ataontsika tsirairay isika raha tsy misy ny fahasoavana atolotry ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Manazava tsara izany ny Bokin’i Môrmôna. Mampianatra izy fa “ny famonjena dia tsy tonga amin’ny alalan’ ny lalàna samirery” (Môzià 13:28). Izany hoe tsy tonga fotsiny amin’izao amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy ny famonjena. “Tsy misy nofo amarinina noho ny lalàna” (2 Nefia 2:5) … Tsy afaka mahazo samirery ny famonjena ny tenany ny olona. (Dallin H. Oaks, “Another Testament of Jesus Christ,” Ensign, mar. 1994, 67)

  • Ahoana no ahafahan’ny didy manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy manampy ireo didy ho voasoratra ao am-pontsika?

Mieritrereta didy iray izay sarotra aminao ny mitandrina azy na tsapanao fa tsy voasoratra ao am-ponao. Rehefa misaintsaina io didy io ianao, dia azonao atao ny mamaky haingankaingana ny Ho zatovo mahery! (kiboky, 2022). Mikatsaha fitaomana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary valio ao anatina diary fandalinana ity fanontaniana manaraka ity:

Hevero ny handefa feonkira malefaka rehefa misaintsaina sy mamaly ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra. Mety ho azonao atao ny manome sary fo nohetezana an’ny mpianatra, izay ahafahan’izy ireo mamaly ilay fanontaniana eo amboniny. Avy eo dia asao hametraka izany amin’ny toerana iray izy ireo mba hampahatsiahy azy ireo ny tanjony. Azo ampifanoloina amin’izany, dia azon’izy ireo atao ny manao sarin’ilay fo ao amin’ny diarin’izy ireo, manoratra eo amin’izany, maka sary ilay fo amin’ny findain’izy ireo ary mampiasa ilay sary ho fond d’écran-n’ny findain’izy ireo mandritra ny herinandro.

  • Inona no azonao atao mba hanarahana tsara kokoa an’i Jesoa Kristy sy hananana io didy io voasoratra misimisy kokoa ao am-ponao?

Hamoaka printy