Seminera
Môzià 11–17: “Mibebaka … sy mitodika amin’ny Tompo”


“Môzià 11–17: -Mibebaka … sy mitodika amin’ny Tompo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 11–17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 11–17

“Mibebaka … sy mitodika amin’ny Tompo”

Sary
I Abinadia mitory teny

Mazàna isika no miezaka mampitandrina ny olona tiantsika momba ireo fanapahan-kevitra izay mety hitondra fanaintainana na fijaliana. Ny Tompo dia naniraka an’i Abinadia hitondra hafatra ho an’i Noà Mpanjaka sy ny olony mba hibebaka sy hisoroka ny fijaliana izay mety ho avy, noho ny fitondrantenan’izy ireo feno fahotana. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fanirianao hanaiky ireo mpaminanin’ny Tompo sy hanao asa ho valin’ireo fanasana omen’izy ireo avy amin’ny Tompo.

Miomàna amin’ny alalan’ny fandalinana am-pahazotoana ny soratra masina. Miezaha mafy handalina tsy tapaka ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ireo andalan-tsoratra masina. Mitadiava fotopampianarana sy fitsipika izay hanan-danja sy hifandraika amin’izany ary hanampy ny mpianatra hitia sy hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hanao lisitra fohifohin’ireo fanasana henon’izy ireo nomen’ny mpaminany vao haingana ny mpianatra. Angataho izy ireo mba ho tonga efa vonona hizara ny maha-porofon’ny fitiavana sy fiahian’ny Tompo azy ireo ireny fanasana ireny.

Sahanasa fianarana azo atao

Mampitandrina amin’ny loza ny Tompo

Hevero ny hamorona rafi-tantara iray izay azon’ny mpianatra ampifandraisina amin’ny tenany mba hanampiana azy ireo hijery fomba samy hafa ahafahan’izy ireo mampitandrina ny hafa amin’ny loza.

Andeha atao hoe vao avy nahazo fampahalalana mombana zavatra iray izay maha tandindomin-doza ny namanao sy ny olona akaiky anao ianao.

  • Inona avy ireo karazana fomba azonao ampitana hafatra fampitandremana amin’izy ireo?

Manana fomba maro ampitandremana antsika ny Tompo. Diniho ireto fomba manaraka ireto:

Hevero ny hampiseho ity lisitra manaraka ity eny amin’ny solaitrabe.

  • Torohevitra avy amina ray aman-dreny

  • Tari-dalana avy amina mpaminany sy mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana

  • Fampianarana ao amin’ny soratra masina, any am-piangonana, na amin’ny seminera

  • Eritreritra na fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina

  • Hafa:

Omeo fotoana hisaintsainana izao manaraka izao ny mpianatra:

Eritrereto hoe toy ny ahoana ny fahaizanao misoroka fahotana sy loza noho ny fomba nosafidinao hamaliana ny fampitandreman’ny Tompo.

  • Inona no fomba izay toa sarotra indrindra ny manaiky azy? Nahoana?

  • Inona no lazain’izany momba ny Tompo ka mampita hevitra hoe manolo-tanana antsika amina fomba isan-karazany Izy?

Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy manazava amin’ny mpianatra fa hohalalininareo lalindalina kokoa ao amin’ity lesona ity izany: Miteny amintsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo mba hanasana antsika hibebaka sy hitodika Aminy.

Niantso an’i Noà sy ny olony hibebaka ny Tompo

Tadidio fa i Zenifa dia nitarika vondron’olona niainga tao Zarahemlà ho any amin’ny tanin’i Nefia. Talohan’ny nahafatesan’i Zenifa dia natolony an’i Noà zanany lahy ny fanjakana (jereo ny Môzià 9–10). Niaina fiainana feno faharatsiana i Noà sy ireo mpisorona nofidiny. Noresen’izy ireo lahatra tamin’ny lainga sy teny manasohaso ny olona mba hanota (jereo ny Môzià 11:7, 11).

Vakio ny Môzià 11:2, 14–15, 19 hitadiavana ireo fahotana nataon’i Noà sy ny olony. (Ny andininy 19 dia mamaritra ny fihetsika nasehon’izy ireo rehefa avy niaro ny tenany tamin’ny fanafihan’ny Lamanita.) Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonantsary hoe “Alma decrit la méchanceté du roi Noé | Mosiah 11–12, 17” (2:26), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mitadiava, mandritra ity lesona ity, fomba hanampiana ny mpianatra hampitaha ny soratra masina amin’izao androntsika izao. Fomba iray hanaovana izany ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no itovizan’ny safidy nataon’i Noà sy ny olony amin’ireo safidy ataon’ny olona ankehitriny?

  • Inona avy no mety ho vokatry ny fiainana tahaka ny niainan’izy ireo?

Niantso mpaminany iray nantsoina hoe Abinadia ny Tompo mba hitondra hafatra tany amin’i Noà sy ny olony mba hanampiana azy ireo hahita ny vokatry ny zavatra nataon’izy ireo.

Vakio ny hafatr’i Abinadia ao amin’ny Môzià 11:20–25, hitadiavana ireo vokany nampitandreman’ny Tompo. Ilay teny hoe “loza” ao amin’ny andininy 20 dia mampita alahelo sy fanaintainana.

  • Inona avy no voka-drasy hitanao izay nampitandreman’ny Tompo ny olona?

Mariho ny andian-teny miverimberina hoe “raha tsy mibebaka izy” sy ny hoe “raha tsy mibebaka ity vahoaka ity”. Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny ireo sy mieritreritra ny zavatra azonao ianarana momba ny Tompo avy amin’ireo andianteny ireo.

Vakio ny Môzià 11:26–29, hitadiavana ny fihetsika nasehon’i Noà Mpanjaka sy ny hafa an’i Abinadia.

Mahatakatra ny fibebahana ho ho toy ny fanomezam-pahasoavan’ny fitiavana avy amin’ny Tompo

Asao hanao tatitra momba ny fiomanan’izy ireo amin’ny fotoam-pianarana ny mpianatra ary hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fanasana nomen’ny Tompo amin’izao androntsika izao mba hibebahantsika sy hiovantsika. Mivonòna hizara fanasana vao haingana miisa roa na telo avy amin’ny fihaonam-be maneran-tany. Fotoana iray hafa azonao anampiana ny mpianatra hampitaha ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo izany.

  • Inona avy ireo fitoviana na fahasamihafana eo amin’ny fihetsika nasehon’ny olona tamin’ny andron’i Abinadia sy ny fihetsika asehon’ny olona amin’izao androntsika izao an’ireo mpaminany? Inona no mety ho antony hanehoan’izy ireo fihetsika toy izany?

Omeo fotoana ny mpianatra mba hisaintsainan’izy ireo mangina ny fanoloran-tenan’izy ireo manokana hihaino an’ Andriamanitra, indrindra fa rehefa mampitandrina azy ireo amin’ny fahotana sy ny vokatr’izany amin’ny alalan’ireo mpaminaniny Izy. Mety hanana eritreritra sy fahatsapana isan-karazany momba ireo mpaminany ny mpianatrao rehefa misaintsaina. Ity fanambarana manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahita ireo mpaminany amin’ny maha-porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo.

Nanazava ny fomba mety fiheverantsika ny fanasana hibebaka avy amin’ny mpaminany ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Nanaitra ahy hatrany, ary efa tsapako ihany koa, ny fitiavana feno hafanam-pon’ireo mpaminanin’ Andriamanitra amin’ny fampitandreman’izy ireo amin’ny fahotana. Tsy faniriana hanameloka no manosika azy ireo. Ny tena fanirian’izy ireo dia azo itarafana ny fitiavan’ Andriamanitra; raha ny marina dia izany no fitiavan’ Andriamanitra. Tian’izy ireo ny olona izay nanirahana azy ireo, na iza izany na iza ary na olona manao ahoana na olona manao ahoana. Toy ny Tompo ihany, ireo mpanompony dia tsy maniry ny hisin’ny olona hampahorian’ny fanaintainan’ny fahotana sy ny safidy ratsy natao. (D. Todd Christofferson, “Ny fitiavan’Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2021, 17)

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana izany momba ny mpaminany amin’ny fanirianao hanao zavatra amin’ny fanasan’izy ireo?

Soa ihany fa nomen’ny Tompo fotoana hitodihana Aminy sy hibebahana amin’ny fahotan’izy ireo ny olona. Na izany aza, rehefa niverina i Abinadia roa taona taty aoriana, dia tezitra indray izy ireo ary nitady izay hiampangana azy (jereo ny Môzià 12:1, 9, 19).

Nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana i Abinadia fa tsy nampianatra ny olona hankatò ny didin’ Andriamanitra ny mpisorona (jereo ny Môzià 12:33–37; 13:12–25). Nijoro ho vavolombelona ihany koa izy fa i Jesoa Kristy dia ho avy hanavotra ny olona rehetra ary amin’ny alalan’ilay Mpanavotra ihany no azo anatanterahana ny famonjena (jereo ny Môzià 15:1, 19). Rehefa nahavita nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Abinadia, dia notandindomin-doza indray ny ainy. Saingy tamin’io indray mitoraka io dia notandindomim-doza toy izany koa ny ain’i Almà, izay anankiray tamin’ireo mpisorona.

Vakio ny Môzià 17:1–4 mba hahitana ny valinteniny nasetrin’i Noà sy i Almà tamin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy nataon’i Abinadia.

  • Inona no mety ho azon’ireo valim-panontaniana faran’izay mifanipaka ireo anampiana antsika hahatakatra?

Rehefa avy nijanona telo andro tao am-ponja i Abinadia dia nentina indray teo anoloan’i Noà Mpanjaka. Nilaza i Noà fa hovonoiny ho faty i Abinadia raha tsy vonona handà ireo fahamarinana nampianariny (jereo ny Môzià 17:5–8).

Vakio ny Môzià 17:9–10, 13, hitadiavana ny valinteny nasetrin’i Abinadia ny fangatahan’ny mpanjaka handà ny fijoroana ho vavolombelona nananany.  Na azonao atao ny mijery ilay horonantsary hoe “Abinadi est mis à mort à cause de sa foi | Mosiah 16–17” (4:28), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’i Abinadia?

  • Ahoana no mety hiantraikan’izany amin’ny fomba hamalianao ny Tompo sy ny mpaminaniny?

Hevero ny hizara fijoroana ho vavolombelona momba ny anjara asan’ny mpaminany mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy sy manasa antsika hibebaka.

Hamoaka printy