Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 7: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 7: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 7,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 7

Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
zatovo mieritreritra lalina

Iray amin’ireo tanjona voalohan’ny fifehezana fotopampianarana, ary an’ity lesona ity manokana, ny hanampy anao hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Manampy ny mpianatra hitady valiny amin’ny fanontanian’izy ireo. Tsy andraikitry ny mpampianatra ny hamaly ny fanontaniana rehetra izay apetraky ny mpianatra. Ampio hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo mahita valim-panontaniana samirery. Amporisiho hitodika sy hatoky amim-pahatokiana ny Tompo ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamerina hijery andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana vitsivitsy efa nohalalinin’izy ireo ny mpianatra ary hisaintsaina ny fomba mety hahafahan’izany andalan-tsoratra masina izany mihatra amin’ny fiainan’ny tanora ankehitriny.

Sahanasa fianarana azo atao

Mety ho mila hampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona ity ny lesona momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra misy anao mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra eo am-pandehanan’ny seminera.

Afaka manova fiainana i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany

Ny hoe mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika dia ny mampihatra ny zavatra ampianarin’izy ireo.

Hevero ny handefa ity horonan-tsary manaraka ity hatao ohatra amin’ny fomba ahafahan’ny fampiharana fahamarinana ara-tsoratra masina miantraika amin’ny fiainantsika, na mizarà tantara manokana mba hanehoana io hevitra io.

Mba hahitana ny ohatra asehon’ny zatovovavy iray sy ny rainy amin’ny fampiharana ny fahamarinana ampianarina ao amin’ny Môzià 3:19, dia jereo ny “He Teaches Us to Put Off the Natural Man” (10:51) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 5:15. Io horonan-tsary dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hevero ny hanao ity sahanasa manaraka ity eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny iray kilasy ary hanasa ny mpianatra hamita izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Ifanakalozy hevitra fohifohy ny valin-tenin’ny mpianatra.

Manaova tsipika eo afovoan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao. Eo ambony eo amin’ny ilany iray, soraty ny hoe “Taloha”, ary eo ambony eo amin’ny ilany iray hafa, soraty ny hoe “Taty aoriana”. Mieritrereta ohatra maromaro amin’ny olona fantatrao na olona ao amin’ny soratra masina izay nihatsara tamin’ny alalan’ny fianarana sy fampiharana ireo fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy voarakitra ao amin’ny soratra masina ny fiainany. Ao amin’ilay tsanganana hoe “Taloha”, ataovy lisitra fohifohy ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny hoe nanao ahoana ilay olona na hoe inona no zavatra nataon’izy ireo talohan’ny nampiharan’izy ireo ny soratra masina. Ao amin’ilay tsanganana hoe “Taty aoriana”, fariparito fohifohy ny fiovana nanampian’ny Mpamonjy azy ireo rehefa nampihatra fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina izy ireo.

  • Ahoana no naha-zava-dehibe ny soratra masina tamin’ny fanampian’ny Mpamonjy ireo olona ireo hanao fanovana?

Manorata rafi-tantara momba ny olona iray mitovy taona aminao izay miatrika fanamby izay mety ho fahita matetika eo amin’ny zatovo any amin’ny faritra misy anao. Mety ho tena izy na foronin’ny saina ilay rafi-tantara, saingy tsy tokony hamaritra olona mety ho fantatry ny mpiara-mianatra aminao na ny mpampianatra. Mampidira antsipiriany toy ny taona, ny maha-lahy na vavy, ny sata ara-piankohonan’izy ireo, raha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo, ary olana na fanamby vitsivitsy atrehin’izy ireo amin’izao fotoana izao.

Raha vao avy manoratra ny rafi-tantaran’izy ireo ny mpianatra, dia mety hanampy raha asaina manisy marika miavaka amin’ilay taratasy izy ireo mba hahalalan’izy ireo fa azy ireo izany. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny mifanakalo amin’ny mpianatra iray ao amin’ny kilasy. Azo ampifanoloina amin’izany koa, azon’ny mpianatra rehetra atao ny manatitra ny taratasin’izy ireo. Azonao atao ny mampifangaro ny taratasy ary mamerina mizara izany mba hananan’ny mpianatra tsirairay rafi-tantara nosoratan’ny mpiara-mianatra iray.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ary angamba hanoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto miainga amin’ilay rafi-tantara vao azon’izy ireo avy amina mpiara-mianatra na miainga amin’ny rafi-tantaran’izy ireo manokana raha tsy nanakalo izy ireo.

  • Noho ny toe-javatra misy io zatovo io sy ireo olana atrehiny, inona avy no sasantsasany amin’ireo fanontaniana mety hananan’izy ireo sy ny fihetseham-po mety hiainany? Nahoana?

  • Inona no fantatrao momba ny fahatsapan’ny Mpamonjy amin’izy ireo sy ny fomba ahafahany manampy azy ireo?

Mahatakatra sy mampihatra ny soratra masina

Avereno jerena ireto andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny antsasany voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto, ka mitadiava andalan-tsoratra masina tsapanao fa mety hahasoa ilay zatovo ao amin’ny rafi-tantaranao ny fahatakarana sy fampiharana azy.

Asehoy na omeo ny mpianatra ity tabilao manaraka ity.

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary asao ny mpianatra mba hamita ny sahanasa ao amin’ny taratasy noraisin’izy ireo avy amin’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo na ny taratasin’izy ireo manokana raha tsy nanakalo izy ireo.

Manorata taratasy fohifohy hanampiana io olona io amin’ny toe-javatra atrehiny amin’izao fotoana izao. Ampidiro ao anatin’izany ireto zavatra manaraka ireto:

  • Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray farafahakeliny avy amin’ilay tabilao eo ambony sy andalan-tsoratra masina manampy hafa, miaraka amina fahamarinana avy amin’ireo andalan-tsoratra masina izay tsapanao fa hanampy io zatovo io.

  • Fomba vitsivitsy ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fahamarinana ireo sy ireo fitahiana mety ho azon’izy ireo avy amin’ny Ray any An-danitra rehefa manao izany izy ireo. Mety hanampy ny fizarana ohatra iray amin’ny fomba nampiharanao, na ny olona iray fantatrao, na olona iray ao amin’ny soratra masina ireo fahamarinana ireo sy ireo fitahiana nanaraka izany.

  • Ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy ilay zatovo hampihatra ireo fahamarinana ireo.

Rehefa avy omena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao hiresaka momba ny taratasin’izy ireo sy hametraka izany amin’ny tany eo amin’izay ahafahan’izy ireo mahita izany mazava. Asao hitady ilay taratasy misy ny rafi-tantaran’izy ireo ny mpianatra ary hamaky ny valiny nomen’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo. Raha misy fotoana, dia azon’ny mpianatra atao ny mifantina andalan-tsoratra masina iray hafa izay mihatra amin’ilay rafi-tantara noforonin’izy ireo. Rehefa mahavita izy ireo dia asao hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’io sahanasa io. Angataho izy ireo hizara fomba nahatsapan’izy ireo ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nanao ilay sahanasa izy ireo. Asao izy ireo handinika izay zavatra tian’izy ireo hampiharina eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana miainga amin’ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo tao amin’ity lesona ity.

Hamoaka printy