Seminera
Môzià 5:6–15: “Hitondranareo eo aminareo ny anaran’i Kristy”


“Môzià 5:6–15: -Hitondranareo eo aminareo ny anaran’i Kristy,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 5:6–15,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 5:6–15

“Hitondranareo eo aminareo ny anaran’i Kristy”

Sary
Jesoa Kristy

Afaka manana dikany lehibe ny anarana. Inona no dikan’ny hoe hitondranareo ny anaran’i Kristy eo aminareo? Ny Môzià 5 dia ahitana ny famaranana ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka tamin’ny vahoakany rehefa namory azy ireo mba hanomezany azy ireo anarana izy (jereo ny Môzià 1:11). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fitondranao eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy.

Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Ny Mpamonjy dia nametraka ny ohatra tonga lafatra amin’ny fomba tsy maintsy iainantsika mba ho tonga tahaka Azy. Rehefa manampy ny mpianatra hamantatra ireo teny, fihetsika ary toetran’i Jesoa kristy ianao, dia asao hitady fomba hanarahana ny ohatra nasehony eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina ny fanontaniana hoe: “Inona no dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Kristy eo aminao?” ny mpianatra

Sahanasa fianarana azo atao

Anarana vaovao

Ity sahanasa manaraka ity dia fomba iray hanampiana ny mpianatra hiomana hianatra momba ny fitondrana eo amin’izy ireo ny anaran’i Kristy. Raha misy mpianatra mety ho mora voatohina raha vao mieritreritra zaza kamboty na fananganan-jaza, dia hevero ny hanao sahanasa hafa solony.

Makà sary an-tsaina zaza kamboty iray tsy misy manampy na mikarakara izay nahita ihany ny farany fianakaviana marin-toerana sy be fitiavana mandroso hevitra ny hanangana azy.

  • Inona avy no antony sasantsasany mety hitiavan’ilay kamboty ny hoe hatsangana sy hitondra ny anaran’ny fianakaviany vaovao?

  • Inona avy no fitahiana azon’ny reniny sy ny rainy vaovao atolotra izay tsy afaka vatsian’ilay kamboty avy amin’ny tenany ihany?

  • Ahoana ny mety ho fahatsapan’ilay kamboty momba ny fianakaviany vaovao?

Tao amin’ny lahateny lehibe nataony tamin’ny olony, i Benjamina Mpanjaka dia niteny hoe: “Tiako ny hitondranareo eo aminareo ny anaran’i Kristy” (Môzià 5:8) dia hantsoina hoe , “zanak’i Kristy” ianareo (Môzià 5:7). Ny olon’i Benjamina Mpanjaka sasany dia Nefita, ary ny sasany dia taranak’i Mioleka. Tian’i Benjamina Mpanjaka hitambatra amina anaran-tokana toy ny ao amin’ny fianakaviana iray ny olona rehetra.

Rehefa mandalina ny soratra masina ianao anio, dia saintsaino ireo fomba mety hitovianao amin’ilay kamboty ao amin’ilay toe-java-misy eo ambony sy hitovian’ny Tompo amin’ilay ray aman-dreny vaovao.

Hevero ny hanao sary ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao mandeha tsiroaroa ny mpianatra ary ampandraiketina ny iray amin’ireo tsanganana ny mpianatra tsirairay.

Ireo fitahian’ny fitondrana eo amintsika ny anaran’ny Mpamonjy

Ny fomba itondrako eo amiko ny anaran’ny Mpamonjy

Tsarovy fa ao amin’ny Môzià 5:1–5, ny olona dia nijoro ho vavolombelona fa ny Fanahin’ny Tompo dia nahatonga “fiovana mahery vaika” tao amin’izy ireo ary izy ireo dia “hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra … hanao ny sitrapony” (Môzià 5:2, 5).

Angataho hamaky tsara ny Môzià 5:6–10 ny mpianatra ary hanoratra izay zavatra rehetra hitany mifandray amin’ilay tsanganana. Rehefa avy omena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao hifampizara izy ireo, ary ampidiro eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo. Mety hanampy raha ampahafantarina ny mpianatra fa ny tanana ankavanan’ Andriamanitra dia maneho sitraka ary ny tanana ankavia dia maneho an’ohatra ny tsy fankasitrahana.

Raha tsy mandeha ho azy amin’ny mpianatra ny fizarana ny valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, dia hevero ny hanontany azy ireo:

  • Inona avy no fitahiana tianao ho azo eo amin’ny fiainanao ka ny Mpamonjy irery ihany no afaka manome azy? (Hevero ny hampiasa andian-teny hitanao tao amin’ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka mba hamaliana io fanontaniana io.) Nahoana no mila izany fitahiana izany ianao?

  • Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy ho toy ny ray aman-dreny be fitiavana amintsika?

    Azonao atao ny mametraka fanontaniana fanarahana toy ny hoe “Amin’ny fomba ahoana avy no anafahan’ny Mpamonjy antsika?” “Nahoana no ilaina ny mahafantatra fa -tsy misy anarana hafa … izay mety hahatongavan’ny famonjena-?”

  • Araka ny voalazan’i Benjamina Mpanjaka, ahoana no nahatongavan’ny olona ho zanak’i Kristy, na ny nitondran’izy ireo teo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy?

Ny fomba itondrantsika eo amintsika ny anaran’i Kristy

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’i Benjamina Mpanjaka ny hoe rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina isika, dia tonga zanak’i Kristy sy mitondra eo amintsika ny anarany.

Vakio ity teny nambara manaraka avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity mba hanazavana ny fomba itondrantsika eo amintsika ny anaran’ny Mpamonjy.

Manaraka ny lamina ara-tsoratra masina, ny olona izay atao batisa dia manamarina eo anatrehan’ny Fiangonana “fa izy ireo dia efa nibebaka marina tamin’ny fahotan’izy ireo, ary vonona hitondra eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy, manana fahavononana hanompo Azy hatramin’ny farany.” (F&F 20:37; jereo ihany koa ny 2 Ne. 31:13; Môrô. 6:3.) Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia manavao io fanekempihavanana io sy ny fanekempihavanana hafa rehetra nataontsika tao amin’ny ranon’ny batisa. (Dallin H. Oaks, “Taking upon Us the Name of Jesus Christ,” Ensign, mey 1985, 80)

  • Ahoana no nitondran’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana anao ho akaiky kokoa ny Mpamonjy?

Mba hanampiana anao hanohy hampitombo ny fahatakaranao momba ny fitondrana ny anaran’i Jesoa Kristy, dia vakio ny Môzià 5:11–13, 15, hitadiavana torohevitra misimisy kokoa avy amin’i Benjamina Mpanjaka momba ny fitondrana eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy.

Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Anaran’i Kristy” (3:51), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahitana hevitra misimisy kokoa momba ny dikan’ny hoe mitondra eo aminao ny anaran’i Kristy.

Asao hizara ny hevi-baovao azon’izy ireo avy amin’ireo andininy ireo sy ilay horonan-tsary ny mpianatra. Hevero ny hametraka fanontaniana fanarahana toy ity manaraka ity: “Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manana ny anaran’i Kristy voasoratra ao am-ponao?” (jereo ny Môzià 5:11–12). “Inona avy no fitahiana tonga amin’ireo izay manana ny anaran’i Kristy voasoratra ao am-pon’izy ireo?” “Mandrisika anao mba ho lasa mpanaradia Azy tsara kokoa amin’ny fomba ahoana ny fitondranao ny anaran’i Kristy eo aminao ao amin’ireo eritreritra sy zavatra ataonao andavanandro?”

Mieritrereta ohatra efa hitanao teo amin’ny fiainanao amin’ny olona izay nitondra teo amin’izy ireo ny anaran’i Kristy.

  • Inona no ataon’izy ireo ka maneho fa nitondra teo amin’izy ireo ny anarany izy ireo?

  • Inona no anjara asa azon’ny fanasan’ny Tompo tanana mba hanampiana antsika hanao izany tsaratsara kokoa?

Ny anaran’i Jesoa Kristy

Mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny fitondran’izy ireo ny anaran’ny Tompo tao am-pon’izy ireo, dia hevero ny hanasa azy ireo hisaintsaina mangina ireto manaraka ireto:

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahanao maneho fa nitondra teo aminao ny anaran’i Kristy ianao?

  • Inona avy no fitahiana tonga tamin’ny alalan’ny fitondranao teo aminao ny anaran’i Kristy?

Diniho ireo eritreritra sy fahatsapana noraisinao avy amin’ny Fanahy Masina rehefa nandalina ianao androany. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hitondranao feno kokoa ny anaran’i Kristy eo aminao.

Amporisiho hanao asa amin’ny zavatra tsapan’izy ireo fa tokony hataony ny mpianatra. Hevero ny hizara ny fomba niantraikan’ny fitondranao teo aminao ny anaran’i Kristy tamin’ny fiainanao.

Hamoaka printy