Seminera
Môzià 7–10: Topimaso ankapobeny


“Môzià 7–10: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 7–10,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 7–10

Topimaso ankapobeny

Ny Môzià 5 dia ahitana ny famaranana ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka tamin’ny vahoakany rehefa namory ny olony mba hanomezany azy ireo anarana izy (jereo ny Môzià 1:11). Ao amin’ny Môzià 7–8, i Amôna dia nitarika an’i Limia Mpanjaka ho any amin’ny mpaminany ary nanazava fahamarinana manan-danja momba ny anjara asan’ny mpaminany, mpahita ary mpanambara ihany koa. Ao amin’ny Môzià 9–10, i Zenifa dia nifantoka loatra tamin’ny fiverenana any amin’ny tanin’i Nefia sy ny fanorenana ny tanàna indray ka nataony an-tsirambina ny fiheverana ny voka-dratsy sasany izay mety hitranga avy amin’ny fanapahan-keviny. Taorian’ny niainan’i Zenifa sy ny olony ireo voka-dratsy sasany, dia nitodika tamin’ny Tompo tamim-pinoana izy ireo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môzià 5:1–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hiova na hanohy hiova miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra ny zavatra mahatonga azy ireo ho te hanatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny mpianatra.

  • Votoatiny haseho: Ilay tabilao momba ny fiovana, aseho na adika eny amin’ny solaitrabe

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa fitaovana solaitrabe fotsy hanoratana ny ampahany voalohany amin’ilay fehezan-teny hoe “Rehefa miova amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Tompo ny fontsika, dia … isika” Avy eo dia avelao hameno ilay fehezan-teny miainga amin’ny fandalinan’izy ireo ny Môzià 5:1–5 ny mpianatra samihafa.

Môzià 5:6–15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fitondran’izy ireo eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina ny fanontaniana hoe “Inona no dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Kristy eo aminao?” ny mpianatra

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ny mpianatra hameno ilay tabilao ao amina tahirin-kevitra iray ao amin’ny fitaovan’izy ireo. Asao hizara ny efijerin’izy ireo misy ny tabilao feno izy ireo. Raha misafidy ny hanao izany ianao, dia avelao ho fantatry ny mpianatra mialoha fa izy ireo dia hasaina hizara ny efijery sy tabilaon’izy ireo.

Môzià 7–8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny maha-mpahita ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra azy ireny.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ny fomba hamalian’izy ireo raha misy olona iray manontany azy ireo ny antony inoan’izy ireo ny mpaminany.

  • Votoatiny haseho: Ilay kisarin’ireo dia ao amin’ny bokin’i Môzià, na aseho na adika eny amin’ny solaitrabe (Azo avela eo hojerena amin’ny lesona manaraka ihany koa izy io.)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa tonga ny fotoana hamitan’ny mpianatra ny iray amin’ireo sahanasa momba ny lanjan’ny mpahita, dia hevero ny hampiseho ireo safidy eo amin’ny efijery na handefa izany ao amin’ny discussion instantanée. Rehefa vonona hizara ny zavatra hitan’izy ireo ny mpianatra, dia asao hanoratra ao amin’ny discussion instantanée ny laharan’ny sahanasa novitainy izy ireo. Avy eo dia angataho hizara ny zavatra hitan’izy ireo ny mpianatra vitsivitsy izay nahavita sahanasa samy hafa.

Môzià 9–10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny fomba ahafahan’izy ireo mandray tanjaka avy amin’ny Tompo rehefa mivavaka sy mandroso amim-pinoana izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hitady famaritana ny teny hoe maniry mafy ny mpianatra. Amporisiho ho tonga efa vonona hizara ny zavatra mampazoto loatra ny tanora indraindray sy ny olana mety haterak’izany izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Ilay sarina fanakona-masoandro; ilay fanontaniana momba ny fanakona-masoandro, na aseho na adika eny amin’ny solaitrabe; ilay kisarin’ireo dia ao amin’ny bokin’i Môzià; ireo andininy sy fanontaniana eo ambanin’ny lohateny hoe “Mitodika amin’ny Tompo”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa tonga eo amin’ilay rafi-tantara any amin’ny faran’ny lesona ianao, dia asao hamaly ireo fanontaniana amin’ny alalan’ny fampiasana ny discussion instantanée ny mpianatra. Avy eo dia mifantena valiny vitsivitsy hozaraina amin’ny iray kilasy.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamerina hijery andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana vitsivitsy efa nohalalinin’izy ireo ny mpianatra ary hisaintsaina ny fomba mety hahafahan’izany andalan-tsoratra masina izany mihatra amin’ny fiainan’ny tanora ankehitriny.

  • Votoatiny haseho: Ny tabilaon’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina; ny torolalana momba ilay taratasy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Any akaikin’ny fiafaran’ny lesona, rehefa avy manoratra ny taratasin’izy ireo ny mpianatra, dia avondrony amina efitra samihafa izy ireo mba hahafahan’izy ireo mizara ny zavatra izay nosoratan’izy ireo. Ampahatsiahivo azy ireo ny hizara ihany koa ilay rafi-tantara noforonin’izy ireo. Rehefa miverina ao amin’ny kilasy izy ireo, dia manasà mpianatra iray isaky ny vondrona hizara zavatra izay nanaitra azy momba ny taratasin’ny mpianatra iray hafa.

Hamoaka printy