Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 4:9—“Minoa an’ Andriamanitra”


“Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 4: 9—‘Minoa an’ Andriamanitra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

Fifehezana fotopampianarana: Môzia 4:9,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 4:9

“Minoa an’ Andriamanitra”

Sary
zatovo miandrandra lanitra, mandalina

Tamin’ny fandalinanao ny Môzià 4:9–10, dia nianatra ny maha-zava-dehibe ny finoana an’ Andriamanitra ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 4:9, sy hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy eo amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tsy misy zavatra izay azon’ireo mpampianatra atao ka hitondra fitahiana ho an’ireo mpianatra mihoatra ny fanampiana azy ireo ho lasa mahafantatra sy tia ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa miomana sy mampianatra ianao, dia mikatsaha aingam-panahy mandrakariva amin’ny fomba ahafahanao manao izany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany fianakaviana na namana mikasika ny antony inoan’izy ireo an’ Andriamanitra.

Sahanasa fianarana azo atao

Tokony hampianatra io lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io aorian’ny lesona “Môzià 4:9–10 ianao,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môzià 4:9. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Ity manaraka ity dia fomba iray hanampiana ny mpianatra hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môzià 4:9 amin’ny tenin’izy ireo manokana.

Tsarovy ny zavatra niainanao tamin’ny fandalinana ny fanasan’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 4:9–10 ho an’ny vahoakany mba hino an’ Andriamanitra. Raha ilaina dia hevero ny hamaky indray ireo andininy ireo sy hamerina hijery ilay kisary noforoninao tao amin’ny diary fandalinanao tamin’ny lesona tany aloha.

  • Inona avy ireo toetoetra na toetra mampiavaka an’ Andriamanitra nanasan’i Benjamina Mpanjaka ny vahoakany mba hinoan’zy ireo?

  • Ahoana no ahafahan’ny finoana ireo toetran’Andriamanitra ireo miantraika amin’ny fiainanao?

Misafidiana iray amin’ireo toetoetra na toetra mampiavaka an’ Andriamanitra voalaza ao amin’ny Môzià 4:9–10 izay nampianarin’i Benjamina ny olony mba hinoan’izy ireo. Zarao ny fomba mety hahafahanao manazava izany amin’ny olona iray izay tsy mahatakatra ny dikan’izany.

Asao ny mpianatra hitadidy ny toko sy andininy misy ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môzià 4:9 sy ny andianteny manan-danja miaraka amin’izany “Minoa an’ Andriamanitra; … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.” Ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ity manaraka ity.

Ao amin’ny diary fandalinanao, soraty amina litera lehibe ny hoe minoa. Eo ambanin’izany, soraty ny andianteny hoe an’ Andriamanitra, ary eo ambanin’izany dia soraty ny andianteny hoe minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra. Avy eo dia soraty amin’ny litera lehibe eo ambany ilay toko sy andininy Môzià 4:9. Manomboka avy any ambony, teneno mafy ny andalana tsirairay sady manondro ny teny, andianteny, na toko sy andininy ianao. Avereno imbetsaka ity sahanasa ity mandrapaha tadidinao izany.

Azo ampifanoloina amin’ilay sahanasa teo aloha, hevero ny hanoratra ny teny hoe minoa eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa io teny io dia miseho indroa ao amin’ny andianteny manan-danja ao amin’ny Môzià 4:9. Asao aloha ny mpianatra hitadidy ny andian-teny hoe “Minoa an’ Andriamanitra,”ary avy eo ny andian-teny hoe: “minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.” Manarak’izany dia asaovy mitadidy ilay toko sy andinin-tsoratra masina Môzià 4:9 izy ireo. Manasà mpianatra telo avy eo ho eny alohan’ny efitra fianarana. Omeo andraikitra ny mpianatra tsirairay hamerina ny iray amin’ireo fizaràna izay notadidiana. Avereno miaraka amina vondrona mpianatra telo izany mba hanampiana azy ireo hitadidy ny andian-teny manan-danja sy ny andinin-tsoratra masina.

Fizàrana mampihatra

Asao ireo mpianatra hanao famerenana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Azon’izy ireo atao ny mamita ity manaraka ity amina halavam-potoana voafaritra. Azonao atao ny manamboatra ity sahanasa ity amin’ny alalan’ny fanaovana lisitra ireo fitsipika iarahan’ny iray kilasy ary avy eo dia manasa ny mpianatra hisafidy fitsipika iray sy hanazava ny fomba nampiasan’izy ireo na ahafahan’izy ireo mampiasa izany. Afaka mifampianatra ny mpianatra mba hamerenana mijery ny fitsipika telo rehetra.

Avereno jerena fohifohy ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Afaka manandrana mitanisa ireo fitsipika telo tsy ankijery ianao. Avy eo dia raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nampiasanao, na azonao hampiasana, ireo fitsipika ireo eo.

Ity rafi-tantara manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hanazatra tena amin’ny fampiharana ireo fampianaran’ny Môzià 4:9 sy ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana Safidy iray azo atao ny mamela ny mpianatra hanamboatra manokana ny fianaran’izy ireo amin’ny alalan’ny famoronana ny rafi-tantarany manokana mba hanazara-tena hampihatra ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Izany dia afaka manampy ny fianaran’izy ireo hifandraika sy ho azo ampiharina kokoa amin’izy ireo.

. . . Azon’ny mpianatra atao ny mifampianatra avy eo ny amin’ny zavatra hitany sy tsapany.

Ao amin’ny kilasy iray izay misy mpampianatra mananihany fivavahana sy tsy mino an’ Andriamanitra i Myra. Nanelingelina an’i Myra ireny fanamarihana ireny tamin’ny voalohany, saingy tao anatin’ny volana vitsivitsy tao an-dakilasy dia nanomboka nanontany tena izy raha mety ho marina ny an’ilay mpampianatra. Nino an’ Andriamanitra foana izy taloha fa izao dia tsapany fa mety manomboka miahiahy ny fisian’ Andriamanitra izy.

Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ao amin’ny Môzià 4:9 mba hanampiana amin’ny toe-java-misy an’i Myra na amina rafi-tantara hafa mifandray amin’ny finoana an’ Andriamanitra izay mifandraika kokoa amin’ny fiainanao.

Tsy voatery hametraka ireto fanontaniana manaraka tsirairay ireto ianao. Natao ho ohatra ana fanontaniana izay azonao apetraka amin’ny mpianatra izany rehefa manao fanazara-tena mampiasa ireo fitsipika ao amin’ny mahazo fahalalana ara-panahyizy ireo. Avelao ny mpianatra hifametraka sy hifamaly fanontaniana. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahalalana ny fotoana hametrahana sy tsy hametrahana fanontaniana fanaraha-maso ( na ireo voatanisa eto na hafa).

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no fihetsika mahatoky azon’ny olona iray atao rehefa sahirana amin’ny finoana an’ Andriamanitra izy?

  • Ahoana ny fomba mety hanampian’ny fanaovana ireo fihetsika ireo azy ireo?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona avy no fampianarana avy ao amin’ny Môzià 4:9 afaka manampy ny olona iray amin’io toe-java-misy io hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanapahan-kevitry ny olona iray hino na tsy hino an’ Andriamanitra miantraika amin’ny hoavin’izy ireo?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no andalan-tsoratra masina na zavatra niainana (niainanao na olon-kafa) hafa afaka manampy ny olona iray amin’io fanamby io?

  • Aiza ihany koa no ahafahan’ny olona mahita fampahalalana mba hanampy azy ireo amin’io toe-java-misy io? Mitadiava loharano iray hafa farafahakeliny ary hazavao ny fomba ahafahan’izany manampy.

Hamaranana ity lesona ity, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra handinika toe-java-misy nisy na mety hisy azy ireo na olon-kafa izay mety hahavoatohitra ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra ary ampio hiomana amin’izany zavatra iainana izany izy ireo. Azonao atao izany amin’ny fametrahana ny sasany amin’ireto fanontaniana ireto amin’ny mpianatra:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny zavatra niainanao ankehitriny amin’ireo toe-javatra miseho ireo?

  • Inona no zavatra manokana tianao hotsarovana rehefa misy manohitra ny finoanao an’ Andriamanitra?

Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io, mijoroa ho vavolombelona na asao ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny finoana an’ Andriamanitra.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Ampiasao amin’ny lesona ho ampianarinao tsy ho ela aorian’ity lesona ity ity sahanasa famerenana manaraka ity.

Manomboha manoratra ny toko sy andinin’ny Môzià 4:9 sy ny andianteny manan-danja hoe Minoa an’ Andriamanitra; … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra eny amin’ny solaitrabe, teny iray isaky ny mandeha. Alohan’ny hanoratana ny teny manaraka, dia miatoa kely hijerena raha afaka milaza izany alohan’ny hanoratanao azy ny mpianatra. Avereno imbetsabetsaka io dingana io mandra-pahavitan’ny mpianatra manonona izany tsy ankijery.

Hamoaka printy