Seminera
Môsià 4:9–10: “Minoa an’ Andriamanitra”


“Môzià 4:9–10: ‘Minoa an’ Andriamanitra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 4:9–53,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 4:9–10

“Minoa an’ Andriamanitra”

Sary
endrik’Andriamanitra

Efa nitsahatra tamin’ny fisaintsainana ny mety ho fiantraikan’ireo zavatra inoanao eo amin’ny fihetsikao sy ny amin’izay mety hahatongavanao ve ianao? Rehefa nampianatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika hihazonana ny famelana ny fahotantsika ny Mpanjaka Benjamina dia nasongadiny ny maha-zava-dehibe ny finoana an’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanamafy orina ny finoana sy ny fitiavanao an’Andriamanitra.

Mampianatra ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany amin’ny faharesen-dahatra sy tanjona. Amporisiho amin’ny fotoana rehetra azo anaovana izany ireo izay ampianarinao mba hitodika amin’ny tenin’ Andriamanitra rehefa hitady fitarihana sy valim-panontaniana ary fanohanana. Rehefa “mivoky amin’ny tenin’i Kristy” ny mpianatra dia “hilaza amin’[izy ireo] ny zava-drehetra izay tokony hataon’[izy ireo]” ireo fahamarinana izay hitany (2 Nefia 32:3).

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ny lisitra ana zavatra telo hatramin’ny dimy izay inoan’izy ireo momba an’Andriamanitra.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fiantraikan’ireo zavatra inoantsika

Ireto manaraka ireto dia hevi-diso vitsivitsy noeritreretin’ny olona ho marina taloha. Saintsaino ny mety ho fiantraikan’ireo zavatra ninoana ireo tamin’ny fiainan’ireny olona ireny

Hevero ny haneho ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.

  • Fisaka izao tontolo izao.

  • Mahatonga votry ny saobakaka.

  • Mihodina manodidina ny tany ny kintana.

  • Inona avy no olana mety ho tonga avy amin’ny finoana hevi-diso?

  • Ahoana no nahitanao ireo zavatra inoanao na ny an’ny hafa miantraika amina toe-tsaina na zavatra atao?

  • Ahoana no mety hiantraikan’ny zavatra inoantsika amin’ny lafiny ara-panahintsika?

Minoa an’ Andriamanitra

Nampianatra ny maha zava-dehibe ny finoana an’ Andriamanitra ny Mpanjaka Benjamina. Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra inoanao momba an’Andriamanitra mialoha ny hanombohanao ny fandalinanao. Ahoana no iantraikan’ireo zavatra inoanao momba an’ Andriamanitra ireo amin’ny zavatra ataonao? Hevero ny hitanisanao ao amin’ny diary fandalinanao ny sasany amin’ireo zavatra inoanao, ary alalino ny antony inoanao ny zavatra izay ataonao. Ampio tsikelikely ireo eritreritra sy fahatsapana izay anananao mandritra ny fandaliananao.

Hevero ihany koa ny hanao ity sary manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy hanasa ny mpianatra hanampy amin’ny famenoana ireo faribolana amin’ireo fampianarana avy ao amin’ny Mozià 4:9–10.

Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao ity sary manaraka ity. Ao amin’ny faribolana afovoany, soraty ny hoe minoa an’ Andriamanitra sy ny hoe Môzià 4:9–10.

Sary
tranonkalan-kevitra

Vakio ny Môzià 4:9–10, hitadiavana ireo zavatra samy hafa nanasan’i Benjamina Mpanjaka ny olony hinoany momba an’ Andriamanitra. Soraty ao amin’ireo faribolana ivelany ny tsirairay amin’izany. Raha ilaina dia afaka manampy faribolana bebe kokoa amin’ny sarinao ianao.

  • Amina fehezanteny tsotra iray, ahoana no mety hamintinanao ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 4:9–10? Hevero ny hampiasa ny fehezanteny famintinanao ho lohatenin’ny fanehoana an-tsary noforoninao.

Omeo fahafahana hizara ny famintinan’izy ireo momba ireo andininy ireo amin’ny iray kilasy ny mpianatra maro. Ahitana izao manaraka izao ny fahamarinana mety ho hitan’izy ireo ao anatin’izany famintinana izany: Manasa antsika hino an’ Andriamanitra ny mpaminanin’ny Tompo. Nahary ny zavatra rehetra sy manana ny hery sy ny fahendrena rehetra Andriamanitra. Afaka maneho ny finoantsika an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny zavatra ataontsika isika.

Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona kely ary hanendry ny vondrona tsirairay hifantoka amin’ny iray na maromaro amin’ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka avy ao amin’ny andininy 9–10. Afaka mifanakalo hevitra ny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto momba ireo fahamarinana nampandraiketina azy ireo hifantohana ireo mpianatra, ary avy eo dia hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatakarana sy finoana ireo fampianarana avy amin’i Benjamina Mpanjaka ireo miantraika amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no fahitanao ireo fampianarana ireo izay toherin’izao tontolo izao sy ataony tsinontsinona ankehitriny?

Nizara izao torohevitra manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson ho an’ireo izay tsy mahazo antoka hoe mino an’ Andriamanitra izy ireo:

Rehefa tsy azonareo antoka akory hoe mino an’ Andriamanitra ianareo; dia izao hanombohana azy. Fantaro fa raha vao tsy misy ny zavatra iainana miaraka amin’ Andriamanitra dia afaka miahiahy ny amin’ny fisian’ Andriamanitra ny olona iray. Koa ataovy izay ahafahanareo manomboka miaina zavatra miaraka Aminy. … Angataho Izy mba hilaza aminao raha toa ka tena eo marina Izy, raha toa ka mahafantatra anao Izy. Anontanio Azy ny fahitany anao. Ary avy eo dia mihainoa. (Russell M. Nelson, “Avia, manaraha Ahy,” Liahona, mey 2019, 90)

  • Inona no zavatra niainanao ka nanamafy orina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Raha toa ny mpianatra ka mahazo tombony amin’ny fifanakalozan-kevitra fanampiny mikasika ny fisafidianana ny hino an’Andriamanitra dia hevero ny hampiasana ilay fanambarana nataon’ny Loholona L. WHitney Clayton ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho”.

Miditra lalina kokoa

Ny fomba iray ahafahantsika manamafy ny finoana sy fahatokiantsika an’ Andriamanitra dia amin’ny alalan’ireo fampianarana entanim-panahy sy ny zavatra niainan’ny hafa (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Finoana”). Misafidiana farafahakeliny iray amin’ireto sahanasa telo ireto mba hanampiana anao hanatsara ny finoanao an’Andriamanitra:

Asehoy ireto safidy telo ireto ary omeo fotoana ampy ny mpianatra hanaovana ny iray amin’ireo sahanasa. Azo atao ny mamita ireo sahanasa ireo isam-batan’olona, na azon’ny mpianatra atao ny mamita azy ireo miaraka amin’ny hafa izay nisafidy ny hifantoka amin’ny sahanasa mitovy. Hevero ny hampiditra sahanasa samy hafa araka ny filana sy ny fahaizan’ny mpianatrao.

  • Fihirana: Zahao ny boky fihirana mba hahitana teny, andianteny, andininy na ireo hira manontolo izay mampianatra momba ny toetran’ Andriamanitra na afaka manamafy orina ny finoanao Azy.

  • Tantara hafa ao amin’ny soratra masina: Mitadiava ary mandalìna tantara ao amin’ny soratra masina izay ijoroan’ny hafa ho vavolombelona momba ny zavatra inoan’izy ireo momba ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Ao anatin’ireo andalan-tsoratra masina azonao halalinina ny Almà 26:16, 35–37; 34:8–10; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24.

    Hevero ny hanome tahadika amin’izao ny edisiônan’ny fihaonambe maneran-tanin’ny Liahona raha ity safidy ity manaraka ity no ampiasaina. Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mampiasa ny application Bibliothèque de l’Evangile.

  • Fihaonambe maneran-tany: Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo lahatenin’ny fihaonambe maneran-tany, mitadiava teny, na andianteny, na fitantarana, na tantara izay mampianatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary manamafy orina ny finoanao Azy Ireo. (Hevero ny hikaroka lahateny avy amina fihaonambe maneran-tany amin’ny alalana lohahevitra toy ny “Ray any An-danitra,” “Andriamanitra,” na “Jesoa Kristy.”)

Omeo fahafahana ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapany avy amin’ny fandalinana nataony.

Rehefa avy nasaina ny mpianatra hizara ny hevi-baovaon’izy ireo, dia hevero ny hanome azy ireo tapaka taratasy kely, ary asao ny mpianatra izay vonona mba hanoratra zavatra izay inoan’izy ireo momba an’ Andriamanitra. Ireo fanambaram-pinoana ireo dia azo apetaka ao amin’ny efitrano fianarana mba hahitan’ny hafa sy hisaintsainany izany amin’ny herinandro manaraka.

Ireo dingana manaraka ataonao

Na manana finoana matanjaka an’ Andriamanitra ianao, na miezaka mamaritra ny zavatra inoanao, dia misy zavatra azon’ny tsirairay amintsika atao mba hanamafisana orina ny finoantsika sy fitiavantsika an’ Andriamanitra. Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra tsapanao fa dingana manaraka ataonao mba hahafantarana kokoa an’Andriamanitra. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona momba an’Andriamanitra. Amporisiho ny mpianatra hanao zavatra araka ny fahatsapana nananany androany.

Hamoaka printy