Seminera
Môzià 3:19: Manaisotra ny maha-olona araka ny nofo


“Môzià 3:19: Manaisotra ny maha-olona araka ny nofo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 3:19

Manaisotra ny maha-olona araka ny nofo

Sary
ankizy mitsikitsiky

Mahatsapa ho kivy noho ny fahadisoana nataonao na ny tsy fahavitana mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra ve ianao indraindray? I Benjamina Mpanjaka dia nanondro ny toetra tsy lavorary ananantsika ho “olona araka ny nofo. Nampianatra izy fa afaka mandresy izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy isika. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampiana anao hikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fandresena ny toetra maha-olona lavo anao.

Manorina tontolo izay manatsara ny fampianarana. Rehefa ny mpampianatra sy ny mpianatra no tia sy manaja ny Tompo, mifankatia sy mifanaja, ary tia sy manaja ny tenin’ Andriamanitra.dia mihatsara ny fampianarana. Ny fanekena sy fitiavana tsapan’ny mpianatra avy amin’ny hafa dia afaka manalefaka fo sy mampihena tahotra, ary mampitombo ny faniriana sy fahatokian-tenan’izy ireo hizara fahatsapana sy zavatra niainana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Môzià 3:19 sy handinika ny dikan’izany. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hitady soratra masina iray na fanambarana avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mampakatra ny fahatakaran’izy ireo ny ampahany amin’ity andininy ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny toetry ny fahalavoantsika

Sary
amboadia mitomany valala

Hevero ny hampiseho sarin’amboadia rehefa mizara ny fitantarana avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks ianao.

Nanome izao fomba fijery manaraka izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Nisy Cherokee hendry iray, izay iray amin’ireo foko tompon-tany any Etazonia, nitantara fanoharana iray momba ny fiainana tamin’ny zafikeliny. “Misy ady mafy ifanaovan’ny amboadia anankiroa ato anatiko,” hoy ilay raibe mitantara. “Ny iray dia ratsy: feno fahatezerana sy fitsiriritana, fitseran-tena sy alahelo, fitiavan-karena sy lainga. Ny iray kosa dia tsara: feno hatsaram-panahy sy fangorahana, fanetrentena sy fahamarinana ary fitiavana sy hafaliana. Izany ady izany dia misy ao anatintsika tsirairay avy.” “Iza amin’ireo ambodia ireo no handresy?” hoy ilay zafikely nanontany. (Dallin H. Oaks, “Safidy,” Ho zatovo mahery!, sep. 2021, 13; tantara namboarina avy amin’i Shayne M. Bowen, “Agency and Accountability,” New Era, sep. 2012, 8)

  • Raha ianao ilay dadabe, ahoana no mety hamalianao ny fanontanian’ny zafikelinao?

    Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny valintenin’izy ireo ho an’ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no nahamarihanao io ady eo amin’ny “ambodia roa” io ao aminao?

Ao amin’ilay tantara nozarain’ny Filoha Oaks, ny valintenin’ilay dadabe tamin’ny fanontanian’ilay zafikeliny momba ny hoe iza amin’ilay amboadia no haharesy dia ny hoe, “Ny anankiray izay omenao sakafo.”

Tao anatin’ny lahateny farany nataony tamin’ny Nefita, i Benjamina Mpanjaka dia nampianatra fahamarinana fa nisy anjely iray nanambara taminy momba ny toetry ny fahalavoantsika sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.

Vakio ny Môzià 3:19, hitadiavana ny fomba namaritan’i Benjamina Mpanjaka ny olona iray manana toetoetra mitovy amin’ireo nasehon’ilay amboadia voalohany ao amin’ilay tantara.

Hevero ny hisian’ny mpianatra hamaky ny ampahany voalohany ihany amin’ny Môzià 3:19 (mifarana eo amin’ny teny hoe “mandrakizay mandrakizay”) eo amin’io teboka io ao amin’ny lesona.

Ny Môzià 3:19 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.  Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra iray.

  • Inona no hitanao?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny teny hoe Olona araka ny nofo atao lohateny. Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo teny na andian-teny izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny dikan’ny atao hoe fiantrana. Avy eo dia asaovy manao lisitra ny valintenin’izy ireo eo ambanin’ilay lohateny izy ireo.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Amin’ny ampahany, ny olona araka ny nofo izay noresahan’ny Mpanjaka Benjamina dia velona tokoa ao anatin’ny tsirairay avy amintsika Ny lehilahy na vehivavy araka ny nofo dia tsy tia mibebaka, olon’ny nofo sy manaram-batana, mamela ny zavatra handeha ho azy sy mpanao zavatra diso tafahoatra, ary mpieboebo sy tia tena. (David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 42)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no fahavalon’ Andriamanitra ny olona araka ny nofo?

  • Mety ho inona no hevitry ny hoe “manome sakafo” ilay lehilahy na vehivavy araka ny nofo ao anatintsika rehetra?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ilay olona araka ny nofo, dia hevero ny hanolotra ny sasany amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto na mieritrereta izay anao manokana. Asao ireo mpianatra hizara ny fomba hiatrehan’ny olona araka ny nofo ny tsirairay avy amin’ireto:

  1. Misy olona manafintohina anao.

  2. Manao fitsapam-pahaizana ianao ary mahita ny valintenin’ny mpianatra iray hafa.

  3. Misy sary tsy mendrika mipoitra eo amin’ny fitaovana elektrônikanao.

Eritrereto ny sasantsasany amin’ireo fomba nahamarihanao ireo toe-tsaina na fitondran-tenan’ny lehilahy na vehivavy iray araka ny nofo eo amin’ny fiainanao. Rehefa manohy mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka hanampy anao amin’ny ezaka ataonao handresy ireo toetra sy fitondran-tena ireo.

Mandresy ny olona araka ny nofo

Vakio indray ny Môzià 3:19, ka amin’ity indray mitoraka ity dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Benjamina Mpanjaka momba ny fomba ahafahantsika mandresy ilay olona araka ny nofo.

  • Inona no nianaranao tao amin’io andininy io izay manampy anao handresy ny maha olona araka ny nofo?

Raha nanoratra hoe Olona araka ny nofo teny amin’ny solaitrabe ianao tany aloha, dia hevero ny hanao lohateny faharoa mampiasa ny teny hoe Olomasina. Rehefa mahita fahamarinana momba ny fandresena ilay olona araka ny nofo sy ny fahatongavana ho olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny mpianatra, dia ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay lohateny faharoa izany.

Avy ao amin’ny Môzià 3:19, dia ianarantsika fa amin’ny alalan’ny fanekentsika ny fitaoman’ny Fanahy Masina, dia afaka mandresy ilay olona araka ny nofo isika ary tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Araka ny hevitrao dia amin’ny fomba ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manala ny maha-olona araka ny nofo antsika ka hahatonga antsika ho olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany?

  • Midika inona aminao izany hoe “manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina” izany? Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao ny fanaovana izany no manampy anao handresy ny maha-olona araka ny nofo?

Mampiasa fampifandraisana soratra masina mba hampitomboana ny fahatakaranao

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hampitomboana ny fahatakaran’izy ireo ny fampianarana ao amin’ny Môzià 3:19 amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahaiza-mandalina soratra masina mifandray.

Ny fampiasana ny soratra masina mifandray.dia fahaiza-mandalina soratra masina izay hanampy anao hampahalalina ny fahatakaranao andinin-tsoratra masina iray. Ampiharo amin’ny alalan’ny fitadiavana soratra masina mifandray izay mampitombo ny fahatakaranao ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 3:19 izany fahaiza-manao izany.

Hevero ny hitady soratra masina mifandray amin’ny alalan’ny fikarohana ny voambolana hoe “olona araka ny nofo” na teny manan-danja avy ao amin’ny Môzià 3:19 ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Azonao atao ihany koa ny mijery ny sasany amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina ary lohahevitra voatanisa ao amin’ny fanamarihana ambanim-pejy amin’ny Môzià 3:19.

Azonao soratana eo amin’ ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Avy eo dia omeo asa hamaky ny iray na maromaro amin’izany sy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo ny vondrona samy hafa. Azonao atao koa ny manome fotoana ireo mpianatra hitady soratra masina sahaza tsara na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny FIangonana.

Rehefa ampy tsara ny fotoana nandalinan’ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara amin’ny kilasy ny zavatra izay nianarany. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo ho manan-danja indrindra tamin’izy ireo sy ny fomba ifandraisan’izany amin’ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 3:19. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fomba anampian’i Jesoa Kristy antsika handresy ilay olona araka ny nofo. Manasà mpianatra maromaro mba hizara ny eritreriny.

  • Inona no nianaranao mikasika ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika handresy ny maha olona araka ny nofo sy ho tonga olomasina?

Mampihatra izany amin’ny fiainanao

Izao ianao efa nianatra kokoa momba ny dikan’ny hoe manaisotra ilay olona araka ny nofo sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izao, eritrereto ny fomba ahafahanao mampihatra ireny fampianarana ireny amin’ny fiainanao. Inona no zavatra tsapanao fa anentanan’ny fanahy anao hatao na hatsahatra? Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Hamoaka printy