Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môzià 3:19—“[Manaisotra] ny maha olona araka ny nofo ary [ Tonga] olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”


“Fifehezana fotopampianarana: Môzià 3:19—‘[Manaisotra] ny maha-olona araka ny nofo sy [tonga] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Môzià 3:19,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 3:19

“[Manaisotra] ny maha olona araka ny nofo ary [Tonga] olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Sary
zatovo mifamihina

Tao amin’ny fandalinanao ny Môzià 3:19, dia nianaranao ny fomba fandresena ilay olona araka ny nofo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana ary ireo andianteny manan-danja ao amin’ny Môzià 3:19. Hanampy anao koa izany hanazava ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io sy hampihatra ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mamporisika ny fianarana ara-panahy amin’ny alalan’ny ezaka. Ny fianarana filazantsara izay mitarika fiovam-po sy manampy ny filazantsara hilentika lalina ao am-pon’ny mpianatra dia mitaky mihoatra noho ny ezaka amim-pahazotoana avy amin’ny mpampianatra. Ny fianarana ara-panahy dia mitaky ezaka tsy tapaka avy amin’ny mpianatra. Ampio ny mpianatrao hahita ny andraikiny eo amin’ny dingan’ny fampianarana sy ny fianarana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanomboka hanao tsianjery ny Môzià 3:19 . Hazavao fa ianao dia hanome fotoana hitadidiana ny andianteny manan-danja ao an-dakilasy, saingy izany ihany koa dia afaka manome tombony azy ireo hampihatra ny fanaovana tsianjery ny andininy manontolo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona fifehezana fotopampianarana ity dia tokony hampianarinao aorian’ny lesona “Môzià 3:19,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môzià 3:19. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Nandritra ny lesona teo aloha, dia nianaranao ity fahamarinana manaraka avy ao amin’ny Môzià 3:19 ity: Afaka mandresy ilay olona araka ny nofo sisika amin’ny alalan’ny fanekena ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 3:19 dia ny hoe “[Manaisotra] ny maha-olona araka ny nofo sy [tonga] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy”.

Omeo fomba hahafahany manao fanazaran-tena hitadidiana ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy ireo fehezanteny manan-danja ao anaty soratra masina ireo mpianatra. Fomba iray ahafahanao manao izany ity sahanasa manaraka ity.

Manaova sarina telozoro (triangle) toy izao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Zarao andiany efatra ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina ho an’ny Môzià3:19. Soraty ao amin’ny telozoronao ireo ampahany efatra. Ohatra, azonao atao ny manoratra ny hoe “Môzià 3:19” eo amin’ny ampahany ambony amin’ny sary nataonao, “[Manaisotra] ny maha-olona araka ny nofo” ao amin’ny ampahany faharoa, dia toy izany hatrany. Manaova fanazaran-tena mitadidy ilay andianteny manontolo avy any amin’ny tampony mankany amin’ny fanambanin’ilay sary nataonao mandra-pahatsapanao ho mahazo aina manao tsianjery tsy ankijery izany.

Sary
sary tsotra ana telozoro mainty sy fotsy misy fizarana efatra

Asaivo manao fanazaran-tena manazava ilay fotopampianarana amin’ny teniny manokana ireo mpianatra. Azonao atao ny mampiasa ity hevitra manaraka ity na koa hevitra hafa hanampiana ny mpianatra hanao fanazarana.

Alaovy sary an-tsaina hoe mampianatra lesona iray momba ny Môzià 3:19 amin’ny kilasin’ny kilonga ao amin’ny paroasy na sampana misy anao ianao. Ahoana no mety hanazavanao ny hafatr’io andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io amina vondron’ankizy kely? Manorata andiam-pehezanteny fohy amin’ny teninao manokana izay manazava ny fotopampianaran’ny Môzià 3:19.

Hevero ny hizara ireo mpianatra ho tsiroaroa mba hanatontosana ny fanazavan’izy ireo. Azonao atao ny manasa mpianatra izay vonona mba hamaky ny fanazavan’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Fizàrana mampihatra

Asaivo mamerina mijery ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana mpianatra maro hanao sarina mari-pamantarana na sary tsotra eny amin’ny solaitrabe izay maneho ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo. Ezaho asiana rafitra ilay sahanasa mba tsy handaniany afa-tsy minitra vitsivitsy amin’ny fotoam-pianarana.

Anomano rafi-tantara mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra mba hanampiana azy ireo hampihatra amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitisipika telo rehetra ny mahazo fahalalana ara-panahy.

Sahirana mafy amin’ny fifehezana ny fahatezerany efa taona maro i Toviyah. Matetika izy no tezitra amin’ireo iraitampo aminy sy ny ray aman-dreniny ary mampakatra ny feony. Sahirana ihany koa izy mifanaraka amin’ny hafa any an-tsekoly. Indray andro, teo am-piresahana tamin’ny ray aman-dreniny momba ny toetrany mora tezitra izy no nilaza hoe: “Iriko ny mba ho afaka ny ho olona manam-paharetana kokoa, saingy tsy mahatsapa ho afaka manao izany aho. Efa ohatr’izao mihitsy aho.”

Azonao amboarina ity rafi-tantara ity mba hifanaraka tsara amin’ny filan’ny mpianatra. Azonao atao ny manova ilay fitondrantena mora tezitra ao amin’ilay rafi-tantara ho fanamby hafa toy ny hakamoana, fiteny tsy manaja, na haratsiam-panahy. Safidy iray hafa azo atao ny manasa ny mpianatra hanao lisitry ny toetra mahazatra ho an’ny olona araka ny nofo eny amin’ny solaitrabe. Avy eo ny mpianatra dia afaka mifidy fitondran-tena iray sy manamboatra ilay rafi-tantara mba hampidirana izany.

  • Ahoana no hampiasanao ireo fampianaran’ny Môzià 3:19 sy ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mba hanampiana amin’io toe-java-misy io?

Avelao hifanakalo hevitra amin’ny fomba ahafahan’ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môzià 3:19 manampy amin’io zava-misy io ny mpianatra. Afaka manao an’io miaraka ny mpianatra na anaty vondrona kely.

Ireto misy ohatra ana karazana fanontaniana izay azonao zaraina miaraka amin’izy ireo izay tafiditra anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity, raha toa ka mila fitarihana kokoa ireo mpianatra.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fampianaran’ny Môzià 3:19 manampy amin’io zava-misy io?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina hafa na teny hafa nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay heverinao fa afaka manampy?

Hevero ny hampahatsiahy ny mpianatra ireo soratra masina mifandray nianaran’izy ireo teao amin’ny lesona teo aloha rehefa mifanakalo hevitra amin’ity fanontaniana manaraka ity izy ireo. Na koa afaka mizara i ny sasany na ny fanambarana rehetra hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao mahita io olana io amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo tanjon’ny Tompo amin’ny famelana antsika hiaina amina tontolo lavo no manampy?

  • Inona no zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izay mety hanova an’io toe-javatra io?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny olona iray ao amin’io toe-java-misy io manao asa amim-pinoana?

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Hevero ny hampiasa ity sahanasa famerenana manaraka ity tao amin’ny lesona iray nampianarina vao tsy ela ho an’ity lesona iray ity. Manaova sarina telozoro toy ilay anankiray tao anaty lesona. Manomboka any amin’ny tampony, asao ny mpianatra hameno ny ambaratonga tsirairain’ilay telozoro amina andianteny manan-danja ao amin’ny Môzià 3:19: “[Manaisotra] ny maha-olona araka ny nofo sy [tonga] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy”. Avereno imbetsabetsaka io dingana io mandra-pahavitan’ny mpianatra manonona izany tsy ankijery.

Hamoaka printy