Seminera
Môzià 4–6: Topimaso ankapobeny


“Jakoba 5–7: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 4–6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 4–6

Topimaso ankapobeny

I Benjamina Mpanjaka dia nanondro ny toetra tsy lavorary ananantsika ho “olona araka ny nofo” (Môzià 3:19). Nampianatra izy fa afaka mandresy izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy isika. Ireo Nefita izay voakasika tamin’ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka, dia “feno fifaliana” sy nahatsapa “fiadanan-tsaina” rehefa nibebaka sy nandray famelana ny fahotan’izy ireo (Môzià 4:3). Avy eo dia nampianatra azy ireo ny fomba fihazonana izany fahatsapana izany i Benjamina Mpanjaka, ary nasongadiny ny maha-zava-dehibe ny finoana an’ Andriamanitra.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra an’ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môzià 3:19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hikatsaka ny fanampian’ ny Mpamonjy mba handresena ny maha-olona lavo azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Môzià 3:19 sy handinika ny dikan’izany. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hitady soratra masina iray na fanambarana avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mampakatra ny fahatakaran’izy ireo ny ampahany amin’ity andininy ity.

  • Sary: Amboadia

  • Votoatiny haseho: Ny lisitr’ireo soratra masina mifandray

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho vondrona kely hiasa amina efitra fanasarahana mba hitady hitady soratra masina iray na maromaro mba hanatsarana ny fahatakaran’izy ireo ny Môzià 3:19. Avy eo dia azon’ny mpikambana iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay atao ny mizara ny soratra masina hitan’ny vondrona misy azy. Hevero ny hanasa ny mpianatra hampiasa ny fifandefasan-kafatra (chat) mba hizarana ny soratra masina hitan’izy ireo mba hahafahan’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo manoratra izany.

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 3:19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andininy ary andianteny manan-danja fifehezana soratra masina ao amin’ny Môzià 3:19. Afaka ny hanampy azy ireo koa izany hanazava ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io sy hampihatra ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanomboka hanao tsianjery ny Môzià 3:19 . Hazavao fa ianao dia hanome fotoana hitadidiana ny andianteny manan-danja ao an-dakilasy, saingy izany ihany koa dia afaka manome tombony azy ireo hampihatra ny fanaovana tsianjery ny andininy manontolo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa fifandefasan-kafatra (chat) mba handefasana ireo karazana fitondran-tenan’ny olona araka ny nofo. Avelao izy ireo avy eo hanapa-kevitra hoe inona no fitondran-tena ampiasaina ho an’ny rafi-tantara “Fampiharana hanazaran-tena”

Môzià 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra azon’izy ireo atao hahafahany mandray sy mitazona ny famelana ny fahotan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Môzià 4 ny mpianatra ka hitady ny fiantraikan’i Jesoa Kristy teo amin’izy ireo, sy ny zavatra nasain’i Benjamina Mpanjaka nataon’ny vahoakany taorian’ny nandraisan’izy ireo ny famelan-keloka.

  • Sary: Olona iray mitondra kitapo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho fanomohana ny lesona dia hevero ny hampiasana tabilao fotsy mba hanehoana ilay sarin’olona mitondra kitapo. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra eo akaikin’ilay kitapo ny sasantsasany amin’ny zavatra entin’ny olona izay mety tian’izy ireo hazonina sy ny sasantsasany amin’ny zavatra entin’ny olona izay mety ho tsy tian’izy ireo ny hihazona azy.

Môzià 4:9–10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanamafy orina ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra sy ny fitiavan’izy ireo Azy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ny lisitra ana zavatra telo hatramin’ny dimy izay inoan’izy ireo momba an’Andriamanitra.

  • Horonan-tsary:Avia, hanaraka Ahy” (17:50; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 14:17 hatramin’ny 14:56)

  • Fitaovana: Tahadikan’ny fanontana ny fihaonambe maneran-tanin’ny Liahona amin’izao fotoana; tapaka taratasy mba hahafahan’ny mpianatra manoratra sy mampiseho ny finoan’izy ireo momba an’ Andriamanitra

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Miankina amin’ny isan’ny mpianatra, hevero ny hanao ilay sahanasa faribolana miaraka amin’ny Môzià 4:9–10 miaraka amin’ny iray kilasy ka mampiasa ny fitaovana solaitrabe fotsy. Ho solon’izany dia afaka mampiasa fitaovana mitovy amin’izany ny mpianatra ary miasa tsiroaroa na anaty vondrona vitsivitsy anatina efitra fanasarahana Azon’ny mpianatra atao ny manao capture d’écran hitehirizana ny asan’ny vondro misy azy ireo mba hojerena ao aoriandriana ao amin’ny lesona.

Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 4:9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 4:9sy manazava ny fotopampianarana, ary mampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany fianakaviana na namana mikasika ny antony inoan’izy ireo an’ Andriamanitra.

  • .

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba hamerenana mijery ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 4:9 any amin’ny fanombohan’ny lesona, dia azon’ny mpianatra atao ny manoratra ao amin’ny fifandefasan-kafatra (chat)) ny zavatra maro araka izay tsaroan’izy ireo fa nampianarin’i Benjamina Mpanjaka ny olony mba hinoan’izy ireo momba an’ Andriamanitra ao amin’ny Môzià 4:9–10.

Hamoaka printy