Seminera
Môzià 3:1–17: Famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy


“Môzià 3:1–17: Famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 3:1–17,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 3:1–17

Famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Sary
Jesoa Kristy

Nandritra ny tantara dia nisy anjely nitsidika ny tany mba hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy hanambara “vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe” (Môzià 3:3; Almà 13:22; Helamàna 16:14). I Benjamina Mpanjaka dia nandray fitsidihana toy izany. Nozarainy tamin’ny olony ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ilay anjely momba an’i Jesoa Kristy, ireo zavatra hiainan’ny Mpamonjy, ary ny fahamarinana fa avy amin’ny anaran’i Kristy ihany no iavian’ny famonjena. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hahafahanao ho voavonjy.

Manampy ny mpianatra hianatra hisaintsaina. Ny dikan’ny hoe “misaintsaina” dia mamakafaka na mieritreritra lalina mikasika ny zavatra iray, ary matetika arahina vavaka. Rehefa mianatra misaintsaina mandritra ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina ny mpianatra, dia matetika ny Fanahy no hanambara ny fahamarinana amin’izy ireo ary hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba ahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, namana, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ireo fitahiana izay noho i Jesoa Kristy ihany no ahafahana mahazo izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe

Hevero ny hampiseho sary iray maneho anjely manambara ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

  • Afaka mieritreritra fotoana nahatongavana anjely tety an-tany hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ve ianao?

Ohatra anankiray ny ao amin’ny Lioka 2:10–12. Vakio ireo andininy ireo na jereo ilay horonan-tsary hoe “Shepherds Learn of the Birth of Christ” manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:47, hitadiavana ny zavatra nolazain’ny anjely hanambarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nisy anjely niseho tamin’i Benjamina Mpanjaka ihany koa. Vakio ny Môzià 3:3–4 hitadiavana ireo fitovitoviana eo amin’ny zavatra nolazain’ilay anjely tamin’ireo mpiandry ondry sy ny zavatra nolazain’ilay anjely tamin’i Benjamina Mpanjaka.

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka horaisina ho “vaovao sady fifaliana lehibe”?

Ao amin’ny lahateny nataony tamin’ny vahoakany izay hita ao amin’ny Môzià 3:1–17, i Benjamina Mpanjaka dia nizara ny ampahany amin’ny hafatr’ilay anjely. Io hafatra io dia niresaka momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny iraka nampanaovina Azy, ny fomba ahafahan’izy ireo mandray fifaliana, ary ny zavatra atolotr’i Jesoa izay tsy vitan’olon-kafa ny manolotra azy.

Ilay anaran-tokana iavian’ny famonjena

Vakio ny Môzià 3:17, hitadiavana ny zavatra atolotr’i Jesoa Kristy.

  • Inona no fahamarinana azonao fantarina avy amin’ny andininy 17?

Mety hahita karazana fahamarinana samihafa ny mpianatra—ohatra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no iavian’ny famonjena. Isaory noho ny fizarana ireo fahamarinana hitan’izy ireo ny mpianatra, ary hevero ny hanoratra iray na maromaro eny amin’ny solaitrabe.

Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, hitadiavana ny zavatra namonjen’i Jesoa Kristy antsika:

I Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy hay takarina dia tsy vitan’ny hoe mamonjy antsika amin’ny fahafatesana sy manome antsika ny famelana ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fibebahana fotsiny, fa vonona ihany koa Izy hamonjy antsika amin’ny alahelo sy ny fijaliana mihatra amin’ny fanahintsika maratra. (Neil L. Andersen, “Maratra,” Liahona, nôv. 2018, 85)

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny filan’izy ireo ny Mpamonjy. Asao hisaintsaina mangina ny valin-teniny ny mpianatra. Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy mba hahalalana fomba hafa ahafahanao manampy ny mpianatra hahatsapa ny filan’izy ireo manokana an’i Jesoa Kristy.

Eritrereto ny zavatra ilainao amonjena anao. Misy fahotana ezahinao mafy ve ny handresy azy? Misy alahelo na fanaintainana iainanao ve? Rehefa mandalina ny Môzià 3 ianao, dia mikatsaha aingam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahalala ny fomba ahafahanao mandray ny famonjena atolotr’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Môzià 3:5–10, hitadiavana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hahafahanao ho voavonjy. Makà fotoana hamakiana miadana sy hisaintsainana. Ny fisaintsainana dia fomba iray anasana ny Fanahy Masina hampianatra anao. Azonao atao ny manoratra hevitra sy eritreritra ao amin’ny soratra masinao na diary fandalinanao.

Ataovy azo antoka fa manana fotoana ampy hamakiana sy hisaintsainana ny soratra masina ny mpianatra. Rehefa mahavita ny vakiteny alohan’ny hafa ny mpianatra sasany, dia hevero ny hanasa azy ireo hamerina hamaky andininy sasany, hijery fanamarihana eny ambanim-pejy, na haka fotoana misimisy kokoa hisaintsainana.

Rehefa avy mahazo fotoana ampy tsara ny mpianatra, dia amporisiho izy ireo hizara ny zavatra nanaitra azy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo. Hevero ny hampiasa ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hametraka fanontaniana momba ireo andininy.

  • Inona avy no fahatsapana niainanao rehefa nandalina ireo andininy ireo ianao?

  • Inona avy no andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay manan-danja aminao?

  • Inona no zavatra hitanao ka mahatonga anao hifaly?

Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Nijaly ho antsika i Jesoa Kristy,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, hitadiavana ny fomba nitahiana karazan’olona samihafa tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Asao hizara izay eritreritra na fahatsapana nananan’izy ireo ny mpianatra raha nijery ilay horonan-tsary izy ireo. Hevero ny hizara zavatra niainana manokana na fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny famonjena atolony. Asao hizara zavatra niainana sy fijoroana ho vavolombelona ihany koa ny mpianatra vonona.

Vakio ny Môzià 3:11–13, hitadiavana ny zavatra ilainao atao mba handraisana fifaliana sy famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Vakio miadana sy saintsaino ireo andininy ireo. Afaka manampy anao hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto.

Ampiasao ny sasany amin’ireo fanontaniana eo ambany, na fanontaniana hafa tsapanao fa tsara apetraka mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny fifaliana izay afaka ny ho tonga amin’ny alalan’ny fibebahana. Azonao atao ihany koa ny mizara ny teny nambaran’ny Loholona Dale G. Renlund momba ny fifaliana sy fibebahana ao amin’ny fizarana hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Mety hahazo tombony amin’ny famantarana ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika ka mibebaka, dia afaka ny hovonjena amin’ny fahotantsika sy hifaly amin’ny fifaliana mitafotafo.

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy ka mandrisika anao hibebaka?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitondra fifaliana ny fahazoana famelan-keloka?

Tsarovy ny zavatra ilainao amonjena anao. Eritrereto ny zavatra nohalalininao tao amin’ny Môzià 3 sy ireo fahatsapana noraisinao avy amin’ny Fanahy. Miezaha mampihatra finoana, mibebaka ary mino an’i Kristy mba hahafahanao mandray ny fanampian’ny Mpamonjy sy ny fifaliana izay tonga avy amin’ny famelan-keloka.

Hamoaka printy