Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:41—“Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra”


“Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:41—-Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 2:19–41,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:41

“Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra”

Sary
zatovo mihomehy

Tao amin’ny lesona iray tany aloha dia nianaranao fa raha mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika, dia hitahy antsika ara-nofo sy ara-panahy Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 2:41, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mampianatra ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany amin’ny faharesen-dahatra sy tanjona. Nampianatra toy izao ny Loholona Jeffrey R. Holland: “Raha tsy manana fahatsapana lalim-paka momba ana zavatra iray ianao, dia tsy ho afaka hanantena ny hahatonga ireo mpianatrao hanana fahatsapana lalim-paka momba izany” (“Angels and Astonishment” [Fampitana ny fivoriam-piofanana ataon’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, 12 jona, 2019]). Mampianara amim-paharesen-dahatra sy hery mifototra amin’ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao momba ny Mpamonjy sy ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Fanomanana ny mpianatra: Azo atao ny mangataka ny mpianatra handray didy iray izay ezahin’izy ireo ankatoavina. Avy eo dia mivonòna hizara ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny fitandremana ny didy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Môzià 2:19–41,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môzià 2:41. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery dia hazavao

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Môzià 2:41 sy ny andian-teny manan-danja hoe “Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. … dia tahiana amin’ny zava-drehetra”. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao na hamorona sary izay maneho ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io.

Asao hizara ny zavatra noforoniny tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ny mpianatra. Omeo torolalana ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny teny na andian-teny nasongadin’izy ireo ao amin’ny sary nataon’izy ireo sy ny antony ahatsapan’izy ireo fa manan-danja izany.

Asao hampiasa ireo sary noforonin’izy ireo ny mpianatra mba hanaovana tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja.

Fampiharana hanazaran-tena

Asehoy ilay rafi-tantara na omeo tahadika ny mpianatra rehefa mamita ity sahanasa manaraka ity. Ity rafi-tantara ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hahatakarana fa ny fitahiana sy fahasambarana dia tonga avy amin’ny fankatoavana. Afaka manampy azy ireo hitoetra ho mahatoky ihany koa izy io na dia manana olana amin’ny famantarana ireo fitahiana omen’ny Tompo azy ireo aza izy ireo. Hevero ny hanamboatra ilay rafi-tantara hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra na ny zava-misy.

I Nivo dia nianatra lesona fifehezana fotopampianarana tao amin’ny seminera izay nanasongadina fa ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia mitondra fahasambarana sy fitahiana eo amin’ny fiainantsika. Taorian’izay, nahatsiaro ho nikorontan-tsaina momba ny zava-misy iainany i Nivo. Miezaka mitandrina ireo didy izy saingy tsy tsapany hoe mahalasa ny fiainany ho mora kokoa, sambatra kokoa, na tsara kokoa izany. Mbola sarotra foana ny fianarany any am-pianarana ary manana olana vitsivitsy amin’ny fianakaviana sy namana izy. Raha tokony hitondra fahasambarana ny fankatoavany ireo didy, nahoana no mahatsapa toy izany izy?

Fomba iray anampiana ny mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’io zava-misy io ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe, ka atao lohateny, ireo fitsipika telo Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2022], 3–4). Asao hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fanambarana tsapan’izy ireo fa hanampy an’i Nivo, eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany, ny mpianatra. Azonao atao ny manasa ny fandraisana anjara amin’ny alalan’ny fanomezana tsaoka na markera ny mpianatra iray ary avy eo manasa izany mpianatra izany hampita ny tsaoka na markera amin’ny mpianatra iray hafa rehefa avy manoratra eny amin’ny solaitrabe izy ireo. Ifanakalozy hevitra ny zavatra soratan’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ny andiam-pehezanteny 5–6 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mitadiava andian-teny izay afaka manampy an’i Jenna.

  • Inona no azonao zaraina avy amin’ireo andiam-pehezanteny ireo mba hanampiana an’i Jenna hanao asa amim-pinoana?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’izany manampy an’i Jenna?

Azonao atao ny manasongadina ny fifandraisana misy eo amin’ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny andiam-pehezanteny 6 mba “hamikitra” sy ny fampanantenan’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 2:41 amin’ireo izay “mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany.” Ampio hahatakatra ny mpianatra fa na dia tsy tonga dia fantatra aza ny fitahiana sasantsasany, dia afaka mandroso amim-pahatokiana isika ka matoky fa hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra (jereo ny Môzià 2:22).

Mamakafaka amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny foto-kevitra sy fanontaniana

Vakio ny andiam-pehezanteny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mitadiava andian-teny izay afaka manampy an’i Nivo.

  • Inona no mety hozarainao amin’i Nivo?

  • Inona no antony mety hizaranao izany aminy?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mitadiava andian-teny izay afaka manampy an’i Nivo.

  • Inona avy no loharano avy amin’ Andriamanitra hafa azonao atoro an’i Jenna mba hitodihany?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’izany azy?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara fitahiana efa noraisin’izy ireo rehefa niezaka nankatò ny didin’ Andriamanitra izy ireo. Angataho ny mpianatra hizara fitahiana izay tonga avy hatrany sy ireo hafa izay noraisina rehefa nandeha ny fotoana. Mijoroa ho vavolombelona fa ao amin’ny fahendreny tsy manam-petra, dia tsy ireo fitahiana homena ihany no faritan’ Andriamanitra fa ny fotoana tsara indrindra handraisana izany koa.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona ho avy manaraka, ampio mba hamerina hijery fohifohy ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 2:41 ny mpianatra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny manan-danja ary asao ny mpianatra mba hameno ny banga. Azonao atao ny manisy fanamboarana ny ohatra eo ambany mba hanasongadinana ny teny rehetra izay mety hilan’ny mpianatrao fanampiana ny fitadidiana azy:

Môzià : – “Ireo izay ny Andriamanitra … dia any .”

Asao ny mpianatra mba hamerina imbetsabetsaka ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja mandra-pahatadidin’izy ireo izany. Azonao atao ihany koa ny mamerina mijery ireo sary amin’io andalan-tsoratra masina io izay noforonin’izy ireo tany aloha.

Hamoaka printy